Alatsinainy 07 Septambra 20.

2 TANTARA 19.4-11

Voalaza eto hoe : nanendry mpitsara amin’ny sehatra maro samihafa i Josafata mpanjaka mba hampilamina ny fitondrany ny fanjakana tao amin’ny firenena Joda . Tsy vao izy akory no nampisy izany fitsarana ny olona izany mba hanaminana ny fiaraha-monina, fa efa nisy tany aloha tamin’ny andron’i Mosesy nitarika ny Zanak’Israely mihitsy izany (jereo Eks 18). Ny zava-misy anefa dia matetika no lasa mpanao kolikoly ny mpitsara (ampitahao 1 Sam 8.3) . Manoloana izany dia namaritra ny andraikitry ny mpitsara sy ny toetrany i Josafata.

1-Ny andraikitry ny mpitsara

Tendrena ny mpitsara ho amin’ny fandaminana ny fiainana manontolo sy ny fiaraha-monina ka amin’ny zavatra mitranga rehetra eo amin’ny fiainana , toy ny ady samihafa izany , ny momba ny nahafatesana olona , momba ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samihafa . Mila mananatra sy mampianatra izany izy ireo mba tsy hahatonga ny olona ho meloka eo anatrehan’ Andriamanitra ary mba hampilamina sy hampirindra tsara koa ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy . Zava-dehibe araka izany ny fitandroan’izy ireo ny anraikitra napetraka taminy mba hizoran’ny fiainana ho araka ny tokony ho izy ho an’ny fiaraha-monina sy eo anatrehan’Andriamanitra.

2-Ny toetran’ny mpitsara

Tsy mety ho vita ho azy anefa izany satria ny mpitsara dia lasa hanana fahefana manoloana ny asa tanterahiny , mety hisy ny fizahan-tavan’olona sy ny fandraisana kolikoly . Eo anatrehan’izany àry dia mampitandrina sy mampianatra sahady i Josafata mba ho feno tahotra an’Andriamanitra izy ireo . Mariho fa asongadina eto ny fananana tahotra an’ Andriamanitra.

Fanontaniana :

Misy eo amin’ny fiaraha-monina ve ny mpitsara tsy matahotra an’ Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV