Alahadin’ny AFF 2020.

LITORJIA IOMBONANA
ALAHADIN’NY AFF
13 Septambra 2020


 Sal. 89 : 8 – 18
 Hira : 15
 Vavaka fiderana
 Feon-java-maneno
 Hira : S.A
 5mn ho an’ny S.A
 Hira : 164 : 1,2
 Soratra Masina :
 Gen. 42 : 18 – 21
 Mat. 21 : 23 – 32
 Fil. 2 : 12 – 18
 Hira : 310 : 2
 Toriteny : Gen. 42 : 18 – 21
 Hira : Antokom-pihira.
 Vavaka fifonana
 Hira : 413 : 3, 4 ( mitovy feo @ 452)
 Famelan-keloka : Jer. 15 : 19 – 21 ; Mar. 16 : 15b + Sambatra ny olona izay voavela heloka…
 Hira : 427: 2
 Fanekem-mpinoana laharana faharoa.
 Feon-java-maneno na antokom-pihira
 Asa vavolombelona
 Vavaka fanagatahana
 Raharaham-piangonana
 Hafatra avy amin’ny AFF FOIBE.
 Rakitra: 535( mitovy feo @ 194) + Antokom-pihira
 Fanolorana: hira: 275: 1, 2 na vavaka
 Hira: 622 ( feo zafindraony) na 430: 1, 4
 Tso-drano: I Tes. 5: 22 – 24
 Trinite Masina.

………………………..

TORITENY

PERIKOPA: Gen. 42 : 18 – 21 ; Mat. 21: 23 – 32; Fil. 2: 12 – 18

FANAZAVANA
Gen. 42: 18 – 21:


Mbola ampitomboina ho aminareo hatrany anie, ry havana, ny fahasoavan’ilay Kristy Tompontsika, Izay Tompon’ny fiantsoana ihany koa ho amin’ny asa tsara. Amena.


Amin’ity alahady hitondrana am-bavaka sy hanohana ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara ity ry fiangonana malala, dia izay ambaran’ny bokin’ny Gen. 42, izay novakiana teo no hifampaherezantsika. Efa tantara diso fanta-tsika loatra, ry havana, raha ny amin’ny fivahinianan’ireo rahaalahin’I Josefa tany Egypta, rehefa nisy mosary naneran-tany tamin’izany fotoana izany. I Josefa no lasa governora tao amin’ny faritan’ny Egyptiana tamin’izany fotoana izany. I Josefa izay lehilahy iray anisan’ny nalamin’Andriamanitra ny fiainany mba hanavotana ireo fianakaviana indray andro. Asa fitoriana ny Filazantsara no resahina ry havana, satria izany no antom-pisian’ny fiangonana eto amin’izao tontolo izao , dia andeha ho takarintsika ny iraka na ny misiona izay anirahan’ny Tompo ny fiangonana anio.
Zavatra roa ihany no resahina ry havana, dia izao no amintinana azy:
MAMPIASA NY FIANGONANA NY TOMPO:

  1. Mba hamelona ny hafa.
    Mosary no nanjaka teto ambonin’ny tany tamin’izany fotoana izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, manodidina ity perikopan-tsika ity. Mosary izay nitondra fahoriana, fijaliana, aretina teo amin’ny firenena maro, teo amin’ny fiaraha-monina. Mosary izay mety nitondra fahafatesan’ny olona maro teto ambon’ny tany. Andriamanitra anefa amin’ny maha Tompon’ny tantara Azy, dia nanomana i Josefa, mba ho fitaovana hanafaka ny olony amin’izany mosary izany. Hamonjy ny olona, indrindra ireto taranak’i Jakoba, izay nofidin’Andriamanitra. “Mpamonjy”, izany no dikan’ilay anarana izay nomen’ny Farao an’ i Josefa, dia ilay anarana hoe: “ Zafenata panea”. Nampiasa an’i Josefa Andriamanitra mba hanafaka ny olona ao anatin’izany mosary izany. Hoy izy: “Izao no ataovy dia ho velona ianareo”(and. 18b). Manome baiko mba hahavelona ny hafa, mitondra ny hafa ho amin’ny fahavelomana.
    Ry havana, Jesoa Kristy no efa nomanin’Andriamanitra hanafaka ny olona tsy ho azon’ny fahafatesana. Efa nomanin’Andriamanitra isika mba haniraka ny olona hanao ny sitrapon’Andrimanitra izay, mahavelona azy. Maniraka antsika hitory filazantsara ny Tompo, mba hihaona amin’i Jesoa Kristy ny olona ka ho velona. Jesoa Kristy no manafaka ny olona ao anatin’ny fahafatesan’ny fahotana. Izy no nitondra ny fiangonana (izany hoe ny olona voantso rehetra) ho amin’ny fiainana mandrakizay. Moa ve mba mahatsapa izany fahavelomana sy fanafahana izay efa nentin’ny Tompo izany ve ny kristiana, ny fiangonana?
    Ary raha toa ka efa afaka, efa velona ao amin’ny Tompo ny fiangonana, ny krsitiana,dia maniraka azy indray ny Tompo, mba handehanany hanafaka ny fiaraha-monina, eny, ny firenena aza, mba tsy ho tratran’ny fahafatesan’ny fahotana. Tadidio ry havana, fa ny filazantsara, dia Jesoa Kristy velona, ihany no manafaka ny olona amin’izany fahafatesana izany. Koa mandehana ianao ry fiangonana, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra mba hahavelona azy. Hitarika azy ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia ao amin’ny Jesoa kristy izany.
  2. Ao anatin’ny fahatahorana Azy
    Josefa dia nilaza tamin’ireto rahalahiny, izay tsy mbola nahafantatra azy, tamin’izany fotoana izany, matahotra an’Andriamanitra izy. “Matahotra” an’Andriamanitra, tahotra mitondra ho amin’ny fankatoavana, tahotra miteraka ny fanatanterahana ny baikon’Andriamanitra, ny asan’Andriamanitra, tahotra mitondra ho amin’ny fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary izany no nahatonga ireto rahalahiny, nahatsiaro ny fahadisoany (and. 21), satria nahatsiaro fa tsy mba natahotra an’Andriamanitra tamin’iny fotoana iny, izay nampitondrana fahoriana an’i Josefa rahalahiny.
    Ry havana, zava-dehibe ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny fiangonana. Eto mantsy ry havana, dia voaporofo fa mitondra fahavelomana ho an’ny hafa ny fahatahoran’ny fiangonana Andriamanitra, izay niantso azy ho amin’izany asa izany. Tandremo àry sao variana isika fiangonana, ka velona tokoa, noho ny amin’i Jesoa Kristy, nefa tsy mba mamelona ny hafa akory, tsy mba manafaka ny fiaraha-monina amin’izany fahafatesan’ny fahotana izay tena manjaka tokoa, amin’izao andro farany izao. Aza mirehareha fa ataovy tokoa izany asa izany, ho voninahitr’Ilay Tompo efa niantso antsika, mba hanatanteraka izany. Alahady faharoa amin’ity volana Septambra 2020 ity, anio, izay ibanjiantsika ny lohahevitra hoe: Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Koa tadidio ry fiangonana fa efa nanomana antsika ny Tompo, sy maniraka ary mampiasa antsika ankehitriny, mba hitondra fahavelomana ho an’ny hafa, hitondra Ilay Jesoa Kristy Velona eo amin’ny fiainan’ny firahamonina, sy ny firenena. Mba hahatonga azy ho velona mandrakizay, tahaka antsika ao amin’iJesoa Kristy. Tsy izany ihany anefa fa miasà tokoa, ry fiangonana, ka amin’ny tahotra an’Andriamanitra sy fahamarinan’i Jesoa Kristy no hanatanterahintsika izany. Amin’ny fanetren-tena, miaraka amin’ny Tompo. Mahereza fa ny Tompo no momba antsika eo amin’ny fanatanterahantsika izany.
    Dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena

…………………………………………………………………………….

HAFATRA


ALAHADIN’NY AFF FJKM


13 SEPTAMBRA 2020

Ny AFF Foibe FJKM mamangy ny fiangonana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
(Gal 1/3)
Misaotra an’Andriamanitra hatrany isika ny amin’ny fahasoavany sy ny fitahiany antsika ; fa na dia eo aza ny zava-manahirana amin’ny endrika samihafa naterakin’ny CORONA VIRUS, dia mbola tafajoro ny fiangonana, mbola mahatanteraka ny antom-pisiany hatrany amin’ny fitoriana, ny
fanaovana adidy sy rakitra, ny fanaovana asa sosialy eo anivon’ny fiarahamonina sns. Hoy ny Soratra Masina hoe « misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesoa ho anareo » I Tes 5/18
Tsy hay koa ny tsy hisaotra antsika rehetra amin’ny ezaka nataontsika ho fanohanana ny asan’ny AFF na eo amin’ny fitandremana izany na eo amin’ny SP indrindra ny aty amin’ny Foibe. Isaorana araka izany ny sampana, ny synodamparitany, fitandremana, « poste d’évangelisation » ny
fianakaviana sy olona manokana izay nanolotra tamin’ny fitiavana ho fanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Azontsika jerena amin’ny bokikely misy ny tatitra ny antsimpirian’ny nanao rakitra sy adidy.
Mifampahery hatrany isika amin’ny iraka nampanaovin’i Jesoa Kristy antsika dia ny fitoriana ny Filazantsara: tsy hanaiky resin’ny zavatra mitranga isika satria manana Andriamanitra mahery tsy hay tohaina izay naniraka antsika hanao ny asany ary matoky ny fitondrany hendry. Fa ny asan’Andriamanitra sy ny fahasoavana natolony ho an’ny olona no naha-loa-bava an’i Maria ka nitenenany hoe « fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko ; ary masina ny anarany » Lio 1/49.
Noho izany dia hiezaka hifantoka amin’ny iraka napetraky ny Tompo @ Fiangonana isika ka hanatanteraka amin-joto sy amin’ny finoana ny drafitra rehetra efa napetraka momba ny fitoriana ny Filazantsara.
Mifampivavaka isika ny amin’ireo fandrindrana fandaharam-potoana rehetra: eo ny tokony notanterahina fa tsy vita ary eo koa ireo tokony mbola hatao. Na eo @ Fitandremana izany na eo amin’ny Synodamparitany indrindra ny aty amin’ny foibe. Mifampivavaka isika fa hoy ny Soratra
Masina : « ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » Jak 5/16
Mifampahatsiahy isika ny amin’ireo fifanohanana azo atao mba hahafahana manatontosa ny asa araka ny tokony ho izy toy ny efa mahazatra antsika rahateo. Ao anatin’izany ny rakitra alefa aty amin’ny
AFF Foibe rehefa alahadin’ny AFF toy izao.


Dia mamangy sy manao veloma antsika rehetra indray amin’ny anaran’ny Tompo ry havana ary ho tanteraka amintsika ny tsodranony manao hoe : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:2

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny AFF FOIBE FJKM


Ny Filoha

RAZAFIMAMONJY Dina, Mpitandrina

Ny Tale

RANDRIAMISAINA Triomphe, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV