Tafika Masina 2020.

ZOTRAN’NY FANATANTERAHANA TAFIKA MASINA

  1. Fampiasana ny trakitra:

Ny ezaka izay ataontsika dia fitoriana ny filazantsara miaraka amin’ny asa sosialy

Kendreo tsara ny haha zava-dehibe sady voalohany ny fitoriana ny filazantsara

 Vakio mialoha ny trakitra dia fantaro tsara ny ny zavatra voalaza isaky ny lohahevitra. misy lohahevitra telo ao anatin’ny trakitra :

  • Fanantenana tsara lavitra
  • Esory ireo sakana
  • Aiza Andriamanitra amin’izao tafio-drivotra izao

Mifandraika amin’ny zava-misy ankehitriny avokoa ny lohahevitra. Lohahevitra iray ihany dia ampy hanaovana ny dinika atao amin’ny tokatrano vangina. Aorian’ny fifampiresahanareo fohy momba ny zavatra ankapobeny sy ny fampidiran-dresaka ataonao dia resaho aminy izay mifandraika kokoa amin’ny resaka teo aloha. Rehefa vitanao ny fanazavana ny votoatin’ny lohahevitra nosafidinao dia ariho amin’ny vavaka atao ao anaty trakitra izy ary taomy hanapakevitra handray an’I Jesoa Kristy ho Tompo (raha tsy mbola kristiana)

Omeo azy ny trakitra rehefa vita ny vavaka nataony

Toroy lalana izy hanantona ny fiangonana ary ampio amin’ny fomba hanaovany izany

  • Fomba famangiana ny tokatrano

Tandremo: Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika koa tandremo tsara ireo fihetsika sy toromarika ara-pahasalamana rehetra

Rehefa avy nifandinihana tamin’ny rafitra dia ampiomano (raha ilaina) ireo tokatrano voatendry hovanginao.

Rehefa tonga amin’ny toerana hanaovana Tafika Masina dia mariho tsara aloha ny toerana azo resahana ka tsy hisian’ny fifampikasohana

Mangataha alalana ho afaka manao fanompoam-pivavahana

Kendreo ny tsy hitazona olona be loatra reha tsy hoe izy no mangataka.

Manaova fanompoampivavahana fohy ka ataovy antom-bavaka ny tokatrano vangina sy ny momba izay zava-misy ao

Rehefa avy manao fanazavana fohy Soratra masina vao miresaka momba ny trakitra

Vita ny fanazavana sy ny vavaka

  • Fanolorana fanampiana

Ny fanolorana fanampiana dia ao anatin’ny asa mifampitohy amin’ny fitoriana ny Filazantsara

Kendreo mba tsy ho voasaron’ny fanampiana ny Filazantsara notorina.

Atolotra ny fanampiana fa amin’ny fanamafisana ny fahasoavan’Andriamanitra ifampizarana

Miezaka koa isika hampahatsiaro ny olona ny fifanampiana araka izay azo atao ao anatin’izao fahasahiranana mahazo ny rehetra izao;

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV