Zoma 07 Aogositra 2020

APOKALYPSY  3.7-13

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra

Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra  izany  , olona feno tahotra  Azy  sy ny teniny  . Ny  mifanohitra  amin’izany  anefa no zava-misy  voalaza eto satria  tsy Jiosy  araka ny voalaza no  misy  , tsy  miraharaha  an’ Andriamanitra   sy  ny Teniny akory izy ireo  ka mivavabavaka fotsiny  (Synagogan’i satana , and 9) ary  tsy vitan’izany  fa  manenjika  sy manaratsy  ireo  izay  miezaka  mivavaka marina koa . Izany  no  sehatra  niainan’ny Fiangonana tamin’izany  fotoana izany  . Tena ilaina tandremana anefa ny  Tenin’Andriamanitra fa mahasoa izany  (Lio  11.28) .

2-Azo  tandremana ny  Tenin’Andriamanitra

Nahatandrina  ny Tenin’nyTompo  ny  Fiangonana tao Filadelfia  na dia voalaza  hoe : kely hery aza . Izao   no  tiana ambara  amin’izany   : nataon’ilay ratsy avokoa  izay hanembatsembana  ny finoan’ny kristiana  ka hahatonga azy ireo tsy hiraharaha sy hanao tsinotsinona an’Andriamanitra  sy ny Teniny , kanefa  nijoro tamin’izay kely nananany ny Filadelfia  ka nankato an’Andriamanitra  sy ny teniny  . Zava-dehibe  eo imason’Andriamanitra izany satria izao no lazainy  hoe : “Fantatro ny asanao” . Noho izany  dia nampahery  azy ireo ny Tompo  . Izany  no mampiavaka ity taratasy  ity  : tsy  mba maneho  teny filazana  fanasaziana , fa teny  fampaherezana kosa  noho  ny fijoroan’ny Fiangonana  tamin’izay kely  nananany   . Eo anatrehan’izany  dia hiaro  azy ny  Tompo  manoloana ny zavatra  atrehany  rehetra (and10) , ary mampahery  azy hatrany  mba hitazomany   ny zava-tsoa nananany  (and11) .

Fanontaniana :

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny olona ny  Tenin’Andriamanitra ka liana  hotandremana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV