Randriamiadanarivo,Mpit.

BIOGRAFIA

RANDRIAMIADANARIVO , Mpitandrina

Mpanoratra , Mpampianatra

Teraka  tamin’ny 12 Janoary  1916 tao Ambodihady Ambohimanarina . Mpitandrina FJKM izy . Nanambady an-dRamatoa RAZANADRASOA . Niteraka 12 mianadahy izy  mivady . Notezainy  mba hanao  asam-panabeazana avokoa  ireo zanany , ka izy rehetra dia saika mpitsabo , mpitandrina na mpampianatra avokoa . Ireto avy

Ny toerana niasany tamin’izany :

Ambohitsimeloka

 Isoavina 

Ambanitsena

Filohan’ny Synodamparitany Fianarantsoa

Tonian’ny I6Bn’Imerina

Tonian’ny Fitondram-piangonana

Sekoly nianarany :  Sekolim-panjakana Ambohimiadana Andramasina , sekolim-piangonana LMS Ambohidahy sy Fihaonana, Sekoly Normaly Ambavahadimitafo , Sekoly Paul Minault, Kolejy Teolojika Ambavahadimitafo

Nanomboka niasa  izy

Amin’ny maha -Mpitandrina sy Mpampianatra

Taona 1939 : nampianatra tao aminn’y LMS Ambatonakanga , Isoavina. 

Taona  1946 : nivoaka ho Mpitandrina  ary niasa tao Ambohitsimeloka sady mpampianatra tao .

Taona 1950 : nifindra tao Isoavina  nanohy ireo asa roa ireo

Taona 1981 : Nisotro ronono izy  , fa mbola  nantsoina nandamina fiangonana samihafa hatramin’ny taona 1997.

Amin’ny maha-Mpanoratra :

Mpanoratra  tantara foronina  sy lahatsoratra famakafakana . Ny fanabeazana  sy ny riba tsara ho fantatry  ny taranaka malagasy  no niompanan’ny asa sorany . Anisan’izany  ny Sikajin’Idadabe , Sekolin’ny Ntaolo, voromby , Isa ny amontana, Sodifafana…Mbola maro ireo asa soratra tsy tafavoaka , ka anisan’izany ny  tantara momba an-dRadama II izay nosoratany ny taona 2004-2005 . Nomena ny mariboninahitra  « Commandeur  de l’Ordre National »izy .

Amin’ny maha- mpamoron-kira sy talenta samihafa :

Tsy mba fantatry ny olona loatra  ny maha- mpamoronkira sy maha- mpanoratra tantara tsangana  ary naha- mpanao tononkalo azy . Nankalazana an’ Andriamanitra ny Alahady 15 Janoary  2006 ny faha- 90 Taonany tao amin’ny  FJKM Ambodihady vaovao  . Ny Teny faneva tamin’izany dia  nalaina tao amin’ny Salamo  91.15a-16 manao hoe : «  Satria Izaho no niraketan’ny  fitiavany dia hamonjy azy Aho …Hovokisako fahelavelona  izy ary hasehoko azy ny famonjeko ».

Tahirin-kevitra niaingana avy amin’ny ankohonan’i

Dada Randriamiadanarivo sy ny Gazety Taratra

AFF/ Adidy SP sy sampana

SP sy SampADIDY 2018ADIDY 2019ADIDY 2020
SP01
SP02
SP03100 000100 000
SP04100 000
SP05100 000 (fanampiny)150 000
SP06
SP07150 000
SP08
SP09140 000
SP10
SP11150 000
SP12150 000
SP13
SP14
SP15
SP16
SP17140 000
SP18150 000
SP19
SP20150 000
SP2150 000
22150 000150 000
SP23
SP24
SP25
SP26
SP27150 000
SP28
SP29
SP30
SP31200 000
SP32
SP33
SP34
SP35
SP36
SP37
SP38
SSA
STK
SLK
SD
SFL
SAFIF
SAMPATI
SVM
Raha misy fanamarihana dia iangaviana hiantso ny 033 12 159 92 na ny 034 14 999 37 azafady indrindra. Misaotra tompoko!

Alahadin’ny AFF 2020.

LITORJIA IOMBONANA
ALAHADIN’NY AFF
13 Septambra 2020


 Sal. 89 : 8 – 18
 Hira : 15
 Vavaka fiderana
 Feon-java-maneno
 Hira : S.A
 5mn ho an’ny S.A
 Hira : 164 : 1,2
 Soratra Masina :
 Gen. 42 : 18 – 21
 Mat. 21 : 23 – 32
 Fil. 2 : 12 – 18
 Hira : 310 : 2
 Toriteny : Gen. 42 : 18 – 21
 Hira : Antokom-pihira.
 Vavaka fifonana
 Hira : 413 : 3, 4 ( mitovy feo @ 452)
 Famelan-keloka : Jer. 15 : 19 – 21 ; Mar. 16 : 15b + Sambatra ny olona izay voavela heloka…
 Hira : 427: 2
 Fanekem-mpinoana laharana faharoa.
 Feon-java-maneno na antokom-pihira
 Asa vavolombelona
 Vavaka fanagatahana
 Raharaham-piangonana
 Hafatra avy amin’ny AFF FOIBE.
 Rakitra: 535( mitovy feo @ 194) + Antokom-pihira
 Fanolorana: hira: 275: 1, 2 na vavaka
 Hira: 622 ( feo zafindraony) na 430: 1, 4
 Tso-drano: I Tes. 5: 22 – 24
 Trinite Masina.

………………………..

TORITENY

PERIKOPA: Gen. 42 : 18 – 21 ; Mat. 21: 23 – 32; Fil. 2: 12 – 18

FANAZAVANA
Gen. 42: 18 – 21:


Mbola ampitomboina ho aminareo hatrany anie, ry havana, ny fahasoavan’ilay Kristy Tompontsika, Izay Tompon’ny fiantsoana ihany koa ho amin’ny asa tsara. Amena.


Amin’ity alahady hitondrana am-bavaka sy hanohana ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara ity ry fiangonana malala, dia izay ambaran’ny bokin’ny Gen. 42, izay novakiana teo no hifampaherezantsika. Efa tantara diso fanta-tsika loatra, ry havana, raha ny amin’ny fivahinianan’ireo rahaalahin’I Josefa tany Egypta, rehefa nisy mosary naneran-tany tamin’izany fotoana izany. I Josefa no lasa governora tao amin’ny faritan’ny Egyptiana tamin’izany fotoana izany. I Josefa izay lehilahy iray anisan’ny nalamin’Andriamanitra ny fiainany mba hanavotana ireo fianakaviana indray andro. Asa fitoriana ny Filazantsara no resahina ry havana, satria izany no antom-pisian’ny fiangonana eto amin’izao tontolo izao , dia andeha ho takarintsika ny iraka na ny misiona izay anirahan’ny Tompo ny fiangonana anio.
Zavatra roa ihany no resahina ry havana, dia izao no amintinana azy:
MAMPIASA NY FIANGONANA NY TOMPO:

  1. Mba hamelona ny hafa.
    Mosary no nanjaka teto ambonin’ny tany tamin’izany fotoana izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, manodidina ity perikopan-tsika ity. Mosary izay nitondra fahoriana, fijaliana, aretina teo amin’ny firenena maro, teo amin’ny fiaraha-monina. Mosary izay mety nitondra fahafatesan’ny olona maro teto ambon’ny tany. Andriamanitra anefa amin’ny maha Tompon’ny tantara Azy, dia nanomana i Josefa, mba ho fitaovana hanafaka ny olony amin’izany mosary izany. Hamonjy ny olona, indrindra ireto taranak’i Jakoba, izay nofidin’Andriamanitra. “Mpamonjy”, izany no dikan’ilay anarana izay nomen’ny Farao an’ i Josefa, dia ilay anarana hoe: “ Zafenata panea”. Nampiasa an’i Josefa Andriamanitra mba hanafaka ny olona ao anatin’izany mosary izany. Hoy izy: “Izao no ataovy dia ho velona ianareo”(and. 18b). Manome baiko mba hahavelona ny hafa, mitondra ny hafa ho amin’ny fahavelomana.
    Ry havana, Jesoa Kristy no efa nomanin’Andriamanitra hanafaka ny olona tsy ho azon’ny fahafatesana. Efa nomanin’Andriamanitra isika mba haniraka ny olona hanao ny sitrapon’Andrimanitra izay, mahavelona azy. Maniraka antsika hitory filazantsara ny Tompo, mba hihaona amin’i Jesoa Kristy ny olona ka ho velona. Jesoa Kristy no manafaka ny olona ao anatin’ny fahafatesan’ny fahotana. Izy no nitondra ny fiangonana (izany hoe ny olona voantso rehetra) ho amin’ny fiainana mandrakizay. Moa ve mba mahatsapa izany fahavelomana sy fanafahana izay efa nentin’ny Tompo izany ve ny kristiana, ny fiangonana?
    Ary raha toa ka efa afaka, efa velona ao amin’ny Tompo ny fiangonana, ny krsitiana,dia maniraka azy indray ny Tompo, mba handehanany hanafaka ny fiaraha-monina, eny, ny firenena aza, mba tsy ho tratran’ny fahafatesan’ny fahotana. Tadidio ry havana, fa ny filazantsara, dia Jesoa Kristy velona, ihany no manafaka ny olona amin’izany fahafatesana izany. Koa mandehana ianao ry fiangonana, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra mba hahavelona azy. Hitarika azy ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia ao amin’ny Jesoa kristy izany.
  2. Ao anatin’ny fahatahorana Azy
    Josefa dia nilaza tamin’ireto rahalahiny, izay tsy mbola nahafantatra azy, tamin’izany fotoana izany, matahotra an’Andriamanitra izy. “Matahotra” an’Andriamanitra, tahotra mitondra ho amin’ny fankatoavana, tahotra miteraka ny fanatanterahana ny baikon’Andriamanitra, ny asan’Andriamanitra, tahotra mitondra ho amin’ny fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary izany no nahatonga ireto rahalahiny, nahatsiaro ny fahadisoany (and. 21), satria nahatsiaro fa tsy mba natahotra an’Andriamanitra tamin’iny fotoana iny, izay nampitondrana fahoriana an’i Josefa rahalahiny.
    Ry havana, zava-dehibe ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny fiangonana. Eto mantsy ry havana, dia voaporofo fa mitondra fahavelomana ho an’ny hafa ny fahatahoran’ny fiangonana Andriamanitra, izay niantso azy ho amin’izany asa izany. Tandremo àry sao variana isika fiangonana, ka velona tokoa, noho ny amin’i Jesoa Kristy, nefa tsy mba mamelona ny hafa akory, tsy mba manafaka ny fiaraha-monina amin’izany fahafatesan’ny fahotana izay tena manjaka tokoa, amin’izao andro farany izao. Aza mirehareha fa ataovy tokoa izany asa izany, ho voninahitr’Ilay Tompo efa niantso antsika, mba hanatanteraka izany. Alahady faharoa amin’ity volana Septambra 2020 ity, anio, izay ibanjiantsika ny lohahevitra hoe: Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Koa tadidio ry fiangonana fa efa nanomana antsika ny Tompo, sy maniraka ary mampiasa antsika ankehitriny, mba hitondra fahavelomana ho an’ny hafa, hitondra Ilay Jesoa Kristy Velona eo amin’ny fiainan’ny firahamonina, sy ny firenena. Mba hahatonga azy ho velona mandrakizay, tahaka antsika ao amin’iJesoa Kristy. Tsy izany ihany anefa fa miasà tokoa, ry fiangonana, ka amin’ny tahotra an’Andriamanitra sy fahamarinan’i Jesoa Kristy no hanatanterahintsika izany. Amin’ny fanetren-tena, miaraka amin’ny Tompo. Mahereza fa ny Tompo no momba antsika eo amin’ny fanatanterahantsika izany.
    Dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena

…………………………………………………………………………….

HAFATRA


ALAHADIN’NY AFF FJKM


13 SEPTAMBRA 2020

Ny AFF Foibe FJKM mamangy ny fiangonana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
(Gal 1/3)
Misaotra an’Andriamanitra hatrany isika ny amin’ny fahasoavany sy ny fitahiany antsika ; fa na dia eo aza ny zava-manahirana amin’ny endrika samihafa naterakin’ny CORONA VIRUS, dia mbola tafajoro ny fiangonana, mbola mahatanteraka ny antom-pisiany hatrany amin’ny fitoriana, ny
fanaovana adidy sy rakitra, ny fanaovana asa sosialy eo anivon’ny fiarahamonina sns. Hoy ny Soratra Masina hoe « misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesoa ho anareo » I Tes 5/18
Tsy hay koa ny tsy hisaotra antsika rehetra amin’ny ezaka nataontsika ho fanohanana ny asan’ny AFF na eo amin’ny fitandremana izany na eo amin’ny SP indrindra ny aty amin’ny Foibe. Isaorana araka izany ny sampana, ny synodamparitany, fitandremana, « poste d’évangelisation » ny
fianakaviana sy olona manokana izay nanolotra tamin’ny fitiavana ho fanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Azontsika jerena amin’ny bokikely misy ny tatitra ny antsimpirian’ny nanao rakitra sy adidy.
Mifampahery hatrany isika amin’ny iraka nampanaovin’i Jesoa Kristy antsika dia ny fitoriana ny Filazantsara: tsy hanaiky resin’ny zavatra mitranga isika satria manana Andriamanitra mahery tsy hay tohaina izay naniraka antsika hanao ny asany ary matoky ny fitondrany hendry. Fa ny asan’Andriamanitra sy ny fahasoavana natolony ho an’ny olona no naha-loa-bava an’i Maria ka nitenenany hoe « fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko ; ary masina ny anarany » Lio 1/49.
Noho izany dia hiezaka hifantoka amin’ny iraka napetraky ny Tompo @ Fiangonana isika ka hanatanteraka amin-joto sy amin’ny finoana ny drafitra rehetra efa napetraka momba ny fitoriana ny Filazantsara.
Mifampivavaka isika ny amin’ireo fandrindrana fandaharam-potoana rehetra: eo ny tokony notanterahina fa tsy vita ary eo koa ireo tokony mbola hatao. Na eo @ Fitandremana izany na eo amin’ny Synodamparitany indrindra ny aty amin’ny foibe. Mifampivavaka isika fa hoy ny Soratra
Masina : « ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » Jak 5/16
Mifampahatsiahy isika ny amin’ireo fifanohanana azo atao mba hahafahana manatontosa ny asa araka ny tokony ho izy toy ny efa mahazatra antsika rahateo. Ao anatin’izany ny rakitra alefa aty amin’ny
AFF Foibe rehefa alahadin’ny AFF toy izao.


Dia mamangy sy manao veloma antsika rehetra indray amin’ny anaran’ny Tompo ry havana ary ho tanteraka amintsika ny tsodranony manao hoe : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:2

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny AFF FOIBE FJKM


Ny Filoha

RAZAFIMAMONJY Dina, Mpitandrina

Ny Tale

RANDRIAMISAINA Triomphe, Mpitandrina

CHURCH OF JESUS CHRIST IN MADAGASCAR (FJKM)

Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, FJKM

Church Family :
Based in : Madagascar
Present in :
Membership : 3,500,000
Pastors : 1,200
Congregations : 7,330
Member Of :
Associate Member Of :
WCC Member Since : 1969

After 18 years of negotiations, the Church of Jesus Christ in Madagascar was founded in 1968 through the union of three churches which arose out of the work of the London Missionary Society, the Paris Missionary Society and the Friends Foreign Mission Association. These historic links continue in a new sense of partnership in mission through the church’s membership of CWM and Cevaa and Quaker Peace and Service.

The first missionaries sent by the London Missionary Society landed in the country in 1818. Between 1820 and 1835 some schools were opened, the first church was founded and the entire Bible was translated into Malagasy. For a period up to 1861 the missionaries were unwelcome, and the Malagasy Christians were severely persecuted. In 1862, under a more liberal reign, LMS missionaries were allowed back in Antananarivo. When they came, they found a very active indigenous church. In 1864, a small group of Quakers came to work in cooperation with the LMS. They finally constituted a « Friends Church » in the south-west of the capital. The Society of Evangelical Missions (Paris) did not arrive until the French conquest of the country in 1896. It is interesting to note that the Malagasy union negotiations were begun by missionaries but led to completion by Malagasy church leaders.

The FJKM is the largest Protestant church in the country. It has adopted the presbyterian-synodal polity. The congregations are grouped into regional synods which meet at least once a year. The national synod gathers every four years and the national council of 80 members meets twice a year. The offices of the church are situated in the capital, Antananarivo. The FJKM has three theological colleges, and one theological faculty. It owns 552 schools. In its involvement in the fight against poverty the church gives high priority to evangelism, Christian education, and development in the training of its leaders. With its three departments, eight branches, different units, one orphanage, one printing house, development department, and permanent committees (such as finance, patrimony, national affairs and fight against injustice and corruption, fight against HIV-AIDS, etc.), the church witnesses to Jesus Christ in the national context.

At the national level, the church maintains close contact with the Lutheran Church with which FJKM has been in partnership since 1913 through the Federation of Protestant Churches. Together with the Roman Catholic, the Anglican and the Lutheran churches, the FJKM founded the Christian Council in 1980, a significant expression of Christian solidarity and integrity in the country.

Alatsinainy 31 Aogos 2020.

ASAN’NY APOSTOLY 21.10-14

« Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany fa ny ho faty any Jerosalema koa aza ho Voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo  » (and13)

Ny mpanara-dia ny Tompo

1-Feno fahavononana toa Azy

Fantatr’i Paoly tsara ny fiainan’i Jesoa Tompo . Rehefa antomotra ny fotoana hiaretan’iJesoa dia tsy nisy tahotra na fisalasalana kely akory tao Aminy . Mba nalain’i Paoly ho fomba fiady koa izany . Niahotra ny naman’i Paoly ka nitady hirika mba hialan’i Paoly amin’izany toa loza mitatao izany. Mazava ny tenin’i Paoly : »vonona aho » . I Paoly ihany no nanafatra ao amin’ny Epistily nampanoratin’ Tompo azy , ka nanentana ny mpino mba haka ohatra amin’ny fiainan’i Kristy (Fil 2.5) .

2-Manaiky ny sitrapon’Andriamanitra toa Azy

Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao (and14). Rehefa nirona tamin’ny tahotry ny ho faty ny ankamaroan’ny olona , afa-tsy i Paoly fa niziriziry iPaoly , ary vonona ny hiatrika izay hanjo azy toy ny fatotra , ny ho faty . Ny hany herin’ireo namany dia niteny hoe: « Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao ». Niara-niaiky ny rehetra fa raha toa sitrapon’ny Tompo ny hahafaty an’iPaoly noho ny fanompoana ho Voninahitr’ Andriamanitra , dia izay no atrehina. Ilaina ny fanakatoavana sy fahavononana tanteraka amin’ny fanarahana ny Tompo . Sady fijoroana ho mpanompo mahatoky izany no mandresy lahatra ny hafa koa.

Fanontaniana :

Inona avy ireo fiainan’iKristy nataon’iPaoly ho ohatra alain-tahaka fantatrao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 30 Aogositra 2020.

MARKA 10.32-34

« Ary ny zanak’olona hatolotra …ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny Jentilisa …fa rehefa afaka hateloana , dia hitsangana indray Izy » (and33-34)

Ampy ho toky ho antsika ny fiainan’i Jesoa

1-Feno fahavononana hiatrika ny hazo fijaliana Izy

Fantatr’i Jesoa mialoha ny zava-tsarotra miandry Azy . Nambarany tamin’ny mpianatra izany : fanamelohana ho faty , fihomehezana , fandrorana , kapoka , famonoana … Tsy nihemotra Izy fa vao mainka niakatra ho any Jerosalema ihany . Ny mpanompo mahatoky hatramin’ny fahafatesana dia tsy mifidy tany malemy hanorenam-pangady fa feno fahavononanna sy fanolorantena hatrany . Koa na inona na inona sedra sy vato misakana dia tsy mihemotra fa miroso hatrany . Hoy i Jesoa : »ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va? (Jao 18.11). Tena tia antsika fatratra ny Tompo .

2-Mpandresy Izy

« …fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy » (and34) . Fantany mialoha ny sedra miandry Azy . Azony antoka mialoha ny fandreseny . Manomboka amin’ny toe-po , toe-tsaina , finoana ary ny fahavononanana handresy ny fahombiazana . Zava-dehibe ny fiomanana sy ny firotsahana . Fa ny mampiavaka ity ady natrehan’i Jesoa ity dia resaka amana aina ary tsy ho an’ny tenany irery , fa fanolorantena ho famonjena ho antsika . Mamela fianarana ho antsika ny Tompo , dia fiainam-pandresena . Aoka ianao hanana fahavononana handresy .

Fanontaniana :

Midika inona ho an’ny mpino ny fandresen’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady fOIBE FJKM

Sabotsy 29 Aogositra 2020.

JOBA 2.1-10

1-Lehilahy marina sy mahitsy , matahotra an’Andriamanitra sady mifady ny ratsy

Eto dia ny Tompo mihitsy no manambara mivantana ny momba an’i Joba . Lehilahy marina amin’ny fanompoana , marina amin’ny fifandraisana amin’ny ankohonany ( nivavaka sy nanolotra fanatitra). Manaiky sady tsy manome tsiny ary matahotra an’Andriamanitra izy . Araka izany dia tsara ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika eo imason’ny olona , fa vao mainka tsara raha eo anatrehan’ny Tompo mihitsy no hahazoantsika fankasitrahana . Misy mpanompo sasany izay malaza eo imason’ny olona, saingy fantatry ny Tompo ny momba azy . Ho anao manokana , moa afaka miteny aminao tahaka izay nambarany tamin’i Joba ve ny Tompo ? Raha sanatria tsia no valiny , araraoty ny andro sisa ahafahanao miova ?

2-Tsy nanota tamin’ny molony i Joba

Mafy tamin’ ny vadin’i Joba ny sady namoy zanaka no namoy fananana . Nanta tamin’ny molony izy ary dia nitaona an’i Joba hiala amin’Andriamanitra . Tsy nisalasala i Joba nanitsy sy nananatra azy . Amin’i Joba dia fomban’ny fiainana ny isitrahana fahasoavana fa indraindray kosa mety ho maloka ny andro , mifamahofaho ny hatsiaka sy ny hafanana, fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra . Hain’ny Tompo ny nanarina ny fiainan’iJoba , ka ny niafaran’ny fiainany dia tsara noho ny voalohany . Niseho taminy ny Voninahitr’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no maha- samy hafa an’i Joba sy ny vadiny ary inona no azo tsoahana amin’ny toetran’i Joba ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 28 Aogositra 2020.

2 TIMOTY 4.9-18

Ny fikelezana aina ao amin’ny Tompo

1-Ahazoana fampaherezana avy amin’ny namana« 

Maro ireo lafin-javatra mahasarika antsika ho tamana amin’ny fanompoana . Eo ny fahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo . Fa anisan’izany koa ny fisian’ireo namana mahasoa . Voatonona mazava eto ny anaran’i Marka : « Alao Marka ka ento miaraka aminao fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy » (and11) . Hatrany hatrany na any amin’ny Fiangonana , na ny sampana dia saika ahitana namana mahasoa amin’ny fanompoana . Ao ireo mahafoy fotoana , mavitrika amin’ny fandraisana andraikitra , sahy mijoro ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny sehatra maro . Mampahery ny hafa ny fanolorantena ananany . Tsara izany , ka tohizo . Ny toa azy ireny indrindra no ambaran’ny Soratra Masina hoe : namana mahasoa . « Koa miorena tsara , aza miova , ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo« 

2-Ahazoana fampaherezana avy amin’ny Tompo

« kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy » (and17). Ankoatra ireo toe-javatra tsara sy nampahery niainan’iPaoly dia nisy ihany ireo aloka miserana izay nifampizarany tamin’i Timoty . Ao ieo nandao fa tia izao fiainana izao toa an’i Demasy (and10), tao koa ry Aleksandro dia nanao ratsy azy . Ao ireo nandao azy tamin’ny fotoan-tsarotra . Ny Tompo kosa tsy nandao azy fa nitsangana teo anilany . Na miovaova aza izao rehetra izao , ilay tsy miova, tsy mandao antsika velively . « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory » (Heb 13.5) .

Fanontaniana :

Inona no mampiavaka an’i Marka sy Aleksandro araka ny voalaza eto ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Aogos 2020.

MATIO 25.14-23

Ny mpanompo tsara sady mahatoky

1-Manaraka ny toromarika omen’ny Tompo

Karazana olona telo no nomen’ny Tompo talenta , araka ny voalaza eto : Ireo roa voalohany dia samy mampiasa ny talenta nomena azy ka nampitombo izany . Nanaraka ny toromarika nomena azy izy ireo . Ilay nomena talenta iray kosa dia nandevina izany, ka ny mpanome azy indray no nomena tsiny . Tsy nanaja ny toromarika nomena azy izy ary tsy nahita fahombiazana . Araho ny toromarika.

2-Manao izay mahafaly ny Tompo

Nahafaly ny Tompo ny fampiasana ny talenta nomeny. Telo sosona ny tombom-barotra : ny talenta nitombo , ny mpampiasa afa-po, mbola nanampy izany ny fankasitrahana manokana avy amin’ny Tompo . Isika no voalohany misitraka ny vokatsoa amin’ny fanarahana ny toromarika omen’ny Tompo . Misitraka izany koa ny hafa manodidina antsika .

3-Misitraka ny fiainana mandrakizay

Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao (and21). Am-pifaliana no hitsenan’ny Tompo ny mpanompony handova ny fiainana mandrakizay . Tanteraka eto ireo teny fikasana nomen’ny Tompo rehetra . Tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo (1 Kor 15.58) . Lehibe ny valimpitianareo any an-danitra . Izany dia ho an’izay rehetra mahatoky hatramin’ny fahafatesana .Tano mafy izay anananao , mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

Fanontaniana :

Inona avy no fantatrao fa tsy sitraky ny Tompo ary inona avy no azonao atao mba hahafaly ny Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM