Randriamiadanarivo,Mpit.

BIOGRAFIA

RANDRIAMIADANARIVO , Mpitandrina

Mpanoratra , Mpampianatra

Teraka  tamin’ny 12 Janoary  1916 tao Ambodihady Ambohimanarina . Mpitandrina FJKM izy . Nanambady an-dRamatoa RAZANADRASOA . Niteraka 12 mianadahy izy  mivady . Notezainy  mba hanao  asam-panabeazana avokoa  ireo zanany , ka izy rehetra dia saika mpitsabo , mpitandrina na mpampianatra avokoa . Ireto avy

Ny toerana niasany tamin’izany :

Ambohitsimeloka

 Isoavina 

Ambanitsena

Filohan’ny Synodamparitany Fianarantsoa

Tonian’ny I6Bn’Imerina

Tonian’ny Fitondram-piangonana

Sekoly nianarany :  Sekolim-panjakana Ambohimiadana Andramasina , sekolim-piangonana LMS Ambohidahy sy Fihaonana, Sekoly Normaly Ambavahadimitafo , Sekoly Paul Minault, Kolejy Teolojika Ambavahadimitafo

Nanomboka niasa  izy

Amin’ny maha -Mpitandrina sy Mpampianatra

Taona 1939 : nampianatra tao aminn’y LMS Ambatonakanga , Isoavina. 

Taona  1946 : nivoaka ho Mpitandrina  ary niasa tao Ambohitsimeloka sady mpampianatra tao .

Taona 1950 : nifindra tao Isoavina  nanohy ireo asa roa ireo

Taona 1981 : Nisotro ronono izy  , fa mbola  nantsoina nandamina fiangonana samihafa hatramin’ny taona 1997.

Amin’ny maha-Mpanoratra :

Mpanoratra  tantara foronina  sy lahatsoratra famakafakana . Ny fanabeazana  sy ny riba tsara ho fantatry  ny taranaka malagasy  no niompanan’ny asa sorany . Anisan’izany  ny Sikajin’Idadabe , Sekolin’ny Ntaolo, voromby , Isa ny amontana, Sodifafana…Mbola maro ireo asa soratra tsy tafavoaka , ka anisan’izany ny  tantara momba an-dRadama II izay nosoratany ny taona 2004-2005 . Nomena ny mariboninahitra  « Commandeur  de l’Ordre National »izy .

Amin’ny maha- mpamoron-kira sy talenta samihafa :

Tsy mba fantatry ny olona loatra  ny maha- mpamoronkira sy maha- mpanoratra tantara tsangana  ary naha- mpanao tononkalo azy . Nankalazana an’ Andriamanitra ny Alahady 15 Janoary  2006 ny faha- 90 Taonany tao amin’ny  FJKM Ambodihady vaovao  . Ny Teny faneva tamin’izany dia  nalaina tao amin’ny Salamo  91.15a-16 manao hoe : «  Satria Izaho no niraketan’ny  fitiavany dia hamonjy azy Aho …Hovokisako fahelavelona  izy ary hasehoko azy ny famonjeko ».

Tahirin-kevitra niaingana avy amin’ny ankohonan’i

Dada Randriamiadanarivo sy ny Gazety Taratra

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina