Talata 30 Jiona 2020.

JAKOBA 3.13-18

« Iza aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena » (and13)

Mihavàna ao amin’ny Tompo

Hatrany amin’ny and 1 no miresaka momba ireo izay te- ho mpampianatra eo amin’ny Fiangonana i Jakoba .Mbola tohin’izany ity eto amin’ny and13 ity . Ny fahendrena sy fahalalana dia zavatra tsy afa-misaraka raha ny heviny izay asehony eto . Toetra tsy azo ajanona fotsiny izany fa indro ambarany izay ilàna izany.

1-Fitondrantena tsara manampy amin’ny asa tsara

Ny fotondrantena no tokony hodinihan’ny olona vao tokony hiroso amin’ny fanatanterahan ny asa. Ny asa izay lazaina eto dia ny asa fampianarana sy ny fitoriana ny Filazantsara .Paoly ihany koa dia efa nananatra ny Fiangonana ny amin’izany (Fil 1.27/1 Tes 2.12) , satria ny kristiana dia olona hitarika ny hafa ho ao amin’i Kristy .Ho takona ny asa tsara raha ratsy fitondrantena . Jesoa dia efa nanambara izany ao amin’ny Mat 5.16.

2-Asa tsara atao amin’ny fahalemem-panahy

Na tsara fitondrantena aza kanefa tsy mahay manetry tena fa feno fireharehana dia tsy mahasoa .Satria izay rehetra atao dia avy amin’ Andriamanitra . Na ny asa na ny hery hanatanterahana ny asa dia avy Aminy avokoa . Ilaina rahateo izany mba tsy ho takon’ny fahendrentsika olombelona ny an’ Andriamanitra .Jereo ny nataon’i Jesoa (vakio Fil 2.5-8)

Fanontaniana:

Inona no toetra hamantaran’ny olona fa kristiana ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo isanandro/ Jolay 2020

Ambarao ny fahafahana ao amin’nyTompo

Androvakiteny
01Eks 3.1-12
02Rom 6.20-23
03Lev 25.8-13
04Jao 1.5-10
05Isa 51.9-11
061 Kor 8.8-13
07Mar 3.13-19
08Jao 9.30-38
091 Pet 2.13-17
10Asa 26.12-18
11Deo 29.1-8
12Lio 7.18-23
13Sal 77.16-20
14Eks 18.7-12
15Gal 5.2-6
16Eks 18.7-12
17Jer 31.10-14
181 Sam 17.34-47
19Rom 8.1-8
20Mpits 6.11-14
21Asa 13.44-50
22Sal 26.1-12
23Sal 54.4-7
24Jao 4.25-30
25Jer 34.8-11
262 Sam 7.17-24
27Lio 4.14-21
28Sal 40.11-17
292 Tim 2.1-13
30Eks 5.1-15
31Lio 8.26-39

Alatsinainy 29 Jiona 2020.

LIOKA 21.34-36

Miomana fa hiverina ny Tompo

1-Tandremo ny fo (and34-35)

Mahagaga fa tsy ny voka-dratsin’ny toaka ny amin’ny taova hafa , toy ny vavony sy ny aty no ambaran’i Jesoa hotandreman’ny olona fa ny fony . Sao  vesaran’ny vokatry ny fisotroana, satria ho avy amin’ny fotoana izay tsy ampoizina nyTompo. Mitondra ny olona ho amin’ny fahafinaretan’ny nofo ny fisotroana ka hanadinoan’ny olona ny fanahy , ary dia ho tampoka aminy ny fiavian’ny Tompo .

2-Tandremo ny amin’ny fiambenana

Izay mifanohitra amin’ny fo vesaran’ny filàna dia ny fiambenana sy ny vavaka mandrakariva.Tokony tsy ho tapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra mba hampitombo hery ny olona . Ny vavaka izay firesahana amin’Andriamanitra no fanatsarana izany . Izay tsara vavaka dia tsara fifandraisana amin’Andriamanitra ka tsy hanam-panenenana amin’ny hahatongavany .

Fanontaniana :

Efa vonona hihaona amin’ny Tompo ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 28 Jiona 2020.

OHABOLANA 20.1-3

« Mpaniratsira ny divay , ary mpitabataba ny toaka. Koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry »

Mitandrema!

Vokatry ny fisotroana dia miova ny maha-izy azy ny olona tonga mahazo toetra vaovao .

1-Sao lasa mpaniratsira

Ny fisotroana zava-mahadomelina dia mahatonga ny olona ho mpaniratsira . Izany dia toetra tsy mametraka ny olona na ny zavatra amin’ny toerana maha-izy azy .Ohatra : ny mpaniratsira Ray aman-dreny dia tsy mametraka ny hajan’ny Ray aman-dreny . Ary tonga fanamelohana ny faniratsirana (vakio Oha 19.29).Ary tsy hijanona hatreo fa ho mpaniratsira an’Andriamanitra ihany koa izy.

2-Sao lasa mpitabataba

Ny tovana hoe: »mpi– » dia milaza asa miverimberina ka tonga anaran’ilay olona .Vokatry ny fisotroana dia lasa manana toetra tsy mendrika ny olona mpisotro.Tafiditra ao anatin’ny tabataba izany ny adilahy sy ny fifandirana mbami’nny herisetra .Izany dia asan’ny devoly izay manakorontana sy mampiady. Mamorona toetra ratsy ho an’ny olona ny divay sy ny toaka ka tsy maintsy tandremana .Mampivadika ny olona hiova toy ny biby .

Fanontaniana:

Efa notadremana ve ny tenanao amin’ny toaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 27 Jiona 2020.

ZAKARIA 8.14-17

Miova ny fiainana ao amin’ny Tompo

Vanimpotoana manamarika ny fiainan’ny Jiosy ny fotoana naminanian’i Zakaria fony izy ireo niverina avy tamin’ny fahababoana . Asongadin’ity perikopa ity fa Andriamanitra dia mandray andraikitra .

1-Mitondra fahasoavana ny Tompo (and14-15)

Nampahatezitra an’Andriamanitra ny nataon’ny Jiosy fahiny dia nilaza loza ho azy ireo Izy, ary tena notanterahany tokoa izany .Eto anefa dia milaza izy fa hanisy soa ny Jiosy indray. Ary tena tsy maintsy tanterahany izany satria tsy miverina Aminy ny Teniny raha tsy efa nahavita ny sitrapony (Isa 55.11) . Ny olona avy any amin’ny fahababoana dia isika ankehitriny , izay voaheloka tamin’ny ratsy nataontsika teo anatrehany nefa dia navelany heloka .Mariky ny famelany ny helontsika ny fikarakarany antsika (vakio 1 Jao 1.9).

2-Miova toe-tsaina ny olona (and16-17)

Satria Andriamanitra efa namerina ny olona amin’ny fiainana dia misy zavatra takin’Andriamanitra ihany koa . Izany dia tsy hoe : tambiny fa tena toetra mendrika ataon’ny olom-boavonjy . Miteny marina , mitsara marina , tsy mihevitra ratsy ao am-po amin’ny namany avy .Takiana hamoa voa tsara vokatry ny famonjena ny olona voavonjy .Jesoa dia efa nanafatra izany araka izay voasoratra ao amin’ny Matio 5.16.

Fanontaniana:

Marina amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa ve ianao ry voavonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 26 Jiona 2020.

EFESIANA 2.11-22

Nampihavanina amin’ny Tompo isika

Firenena samihafa no ambara eto . Ny voafora dia ny Jiosy sy ny tsy voafora dia ny firenen-kafa izay antsoiny koa hoe: Jentilisa .

1-Tonga iray rehefa ao amin’ny Tompo (and11-13)

Ny ankamaroan’ny mpino tany Efesosy dia Jentilisa fa tsy Jiosy . Nisy fanilikilihana nataon’ny Jiosy azy ireo tamin’ny izany , satria tsy voafora izy ireo . Fa fahiny dia sady lavitra ny famonjena izy ireo no voailika , satria tsy voafora . Rehefa ao amin’ny Tompo kosa dia mitovy na voafora na tsia.Tsy ny didy sy fitsipika apetrak’olombelona no manankery fa ny Ran’i Jesoa nanasana ny olona rehetra (vakio Gal 3.28).

2-Tonga vita fihavanana amin’ny Tompo (and14-22)

Tena nisy ny rindrina nampisaraka ny Jentilisa sy ny Jiosy tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema .Nisy ny faritra tsy azon’ny Jentilisa hidirana , kanefa dia noravan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana izany . Voafafany ny fahasamihafana .Vokany , dia tonga fianakaviambe vaovao ny olona rehetra ao Aminy . Amin’izao fetim-pirenena izao dia ambenti-teny mandrakariva ny hoe: Malagasy iray .Fa tsara lavitra raha iray ao amin’ny Tompo isika , satria izay ao Aminy dia efa zanany sy asan’ny tànany ka raisiny ho adidiny .Tonga firenena masina .

Fanontaniana:

Fantatrao ve amin’izao fetim-pirenena izao hoe: firy ny Malagasy efa voataonanao ho ao amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 25 Jiona 2020.

OHABOLANA 25 . 21-22

Mihavana amin’ny Tompo

Raha  ny lohahevitra ity no jerena dia toa zava-mora , sy mahafinaritra no ao  anatiny , kanefa raha ity  perikopa eto  ity no jerena dia misy  zava-tsarotra amin’ny olona ao anatiny ao .

1-Ianao  manoloana ny fahavalo

Raha noana  ny fahavalonao  dia omeo hanina izy , raha mangetaheta izy , omeo hosotroiny .Inona moa izany fa tsy hoe: fikarakarana sy famelomana ny  fahavalo ? Zava-tsarotra izany ao amin’ny fiaraha-monin’olombelona , fa  raha ao amin’ny fiaraha-monin’ Andriamanitra  dia azo  tanterahina  tsara . Fa raha nanota isika dia efa fahavalon’ Andriamanitra , saingy  tsy novonoiny fa namindrany fo (Matio 5.44)

2-Andriamanitra manoloana anao

Ny fahavalo , hoy ny Tompo  dia hahamay ny lohany raha ataonao  ny fikarakarana azy . Fa izay lehibe kosa dia ny fankasitrahan’ Andriamanitra  ny olona mitia ny fahavalony . “Ary Jehovah hamaly soa anao “ hoy ny voasoratra eto . Matetika ilay heverina ho fatiantoka amin’ny fikarakarana ny fahavalo  no ao anatintsika mandrakariva , fa tsy ilay  valisoa omen’ny Tompo . Omeny valisoa isika satria maneho ny tena toetrany .

Fanontaniana :

Vonona hikarakara ny fahavalonao  ve ianao raha tojo fahasahiranana izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 24 Jiona 2020.

MATIO 5.25-26

1-Ataovy ny dingana

Mihavana faingana , hoy i Jesoa eto .Toa milaza zavatra hatao izany nefa toa milaza ihany koa fa tonga ny fotoana fanararaotra . Izay manana ady mihitsy eto no asain’ny Tompo mandeha manao ny dingana .Raha ny teny hoe: »mihavàna » dia tsy manatona ilay manana ady fotsiny fa miezaka mamitram-pihavanana mihitsy . Izany hoe : tsy vitan’ny fanatonana fotsiny fa arahina resaka fihavanana. Efa nataon’i Jesoa .Isika no diso dia Izy no nidina namonjy antsika . Nanao ny dingana voalohany Izy (vakio Rom 5.8).

2-Aza mitaredretra

Tsy ilay manana ady eto no fototry ny fahasarotana fa ilay miady .Fa sady tsy hivitrana ny fihavanana no tsy hahita rariny amin’n’y fitsarana izy . Zava-tsarotra amintsika olombelona izany raha amin’izao vanim-potoana iainantsika izao kanefa dia asain’i Jesoa tanterahana satria sady fanehoam-pitiavana no famitranam-pihavanana .Raha fehezina izany dia : nyfandeferana no làlana ivoahana amin’ny fandresena .

Fanontaniana:

Oviana ianao no nihaona tamin’ilay olona manana ady aminao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 23 Jiona 2020.

ZAKARIA 7.8-10

Mandehana araka ny sitrapon’ny Tompo

Fomba efa nataon’ny olona ny fifadian-kanina .Nanontany indray izy ireo raha tokony hanohy izany na tsia. Valin’izany no hita eto amin’ity and 8-10 ity.

Fanontaniana ny amin’ny fifadiana no nataon’ny olona ,fa fifandraisana amin’ny hafa ny valiny.

Ankasitrahan’Andriamanitra antsika ny fifandraisana Aminy ,ary izany dia tsy afa-misaraka amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa . Ireto no toe-panahy takiany amin’ny olona :

-Manao fitsarana marina

-Mifampiantra sy mifamindra fo

-Tsy mampahory ny hafa

-Tsy mihevitra hanisy ratsy ny hafa

Zava-dehibe Aminy ny toe-po entintsika mivavaka Aminy araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny’ Fanahy sy ny Fahamarinana » (Jao 4.24).

Ary koa : »Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota,fa izay mivavaka Aminy sy manao ny sitrapony no henoiny « (Jao 0.31).

Fanontaniana:

Inona no efa nataonao manoloana ireo manodidina izay noheverinao araka ny sitrapon’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 22 Jiona 2020.

ISAIA 58.6-12

Hatsarao ny fihavananao amin’ny Tompo

Maro ireo fomba fivavahana notanterahan’ny olona tamin’ny andron’i Isaia Mpaminany , izay noheverin’izy ireo hahazoana sitraka amin’ Andriamanitra .Anisan’ireny ny fifadiankanina .

1-Ataovy izay ankasitrahany

Tsy ny fifadiankanina no tsy sitrakan’ Andriamanitra fa ny toe-po sy toe-panahy entina manatanteraka izany . Izay ambara manokana eto dia ny fiahiana ny malemy na ny mahantra sy sahirana. Ny fifadiana dia fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra ataon’ny olona manaraka ny didiny. Tiany hanatonantsika sy hampiharintsika amin’ny hafa izany fitiavana izany . « Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho , nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy , fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany , ataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra izay tsy tiany ? » (1 Jao 4.20).

2- Ho entiny amin’ny fahatsarana ianao

Tsy mila vahiny Andriamanitra fa izay mandeha araka ny sitraky ny fony dia raisiny an-tànana ka entiny amin’ny fahatsarana (and11) . Ireto avy izany : hotarihany , hamafisiny hatramin’ny taolana , ho 1fitahiana tsy ho ritra, ho lavitry ny aizina sy fahoriana,tsy ho antsika ihany fa hatraminn’y taranaka any aoriana mihitsy (vakio Deo