Zoma 26 Jiona 2020.

EFESIANA 2.11-22

Nampihavanina amin’ny Tompo isika

Firenena samihafa no ambara eto . Ny voafora dia ny Jiosy sy ny tsy voafora dia ny firenen-kafa izay antsoiny koa hoe: Jentilisa .

1-Tonga iray rehefa ao amin’ny Tompo (and11-13)

Ny ankamaroan’ny mpino tany Efesosy dia Jentilisa fa tsy Jiosy . Nisy fanilikilihana nataon’ny Jiosy azy ireo tamin’ny izany , satria tsy voafora izy ireo . Fa fahiny dia sady lavitra ny famonjena izy ireo no voailika , satria tsy voafora . Rehefa ao amin’ny Tompo kosa dia mitovy na voafora na tsia.Tsy ny didy sy fitsipika apetrak’olombelona no manankery fa ny Ran’i Jesoa nanasana ny olona rehetra (vakio Gal 3.28).

2-Tonga vita fihavanana amin’ny Tompo (and14-22)

Tena nisy ny rindrina nampisaraka ny Jentilisa sy ny Jiosy tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema .Nisy ny faritra tsy azon’ny Jentilisa hidirana , kanefa dia noravan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana izany . Voafafany ny fahasamihafana .Vokany , dia tonga fianakaviambe vaovao ny olona rehetra ao Aminy . Amin’izao fetim-pirenena izao dia ambenti-teny mandrakariva ny hoe: Malagasy iray .Fa tsara lavitra raha iray ao amin’ny Tompo isika , satria izay ao Aminy dia efa zanany sy asan’ny tĂ nany ka raisiny ho adidiny .Tonga firenena masina .

Fanontaniana:

Fantatrao ve amin’izao fetim-pirenena izao hoe: firy ny Malagasy efa voataonanao ho ao amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Toriteny

Toriteny 29 Martsa 2020
Video

toriteny
Video

Toriteny/Filohan'ny FJKM
Video

26 janoary 2020 - FJKM Isotry Fitiavana
Video

Perikopa 2020

Jolay: AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN'NY TOMPO

| | 12. Ala.V man.Trin -Sampana Tanora Kristiana
Jer 31.10-14/Jao 4.25-30/Rom 8.1-8

| | 19. Ala VI man. Trinite-Sampana Fivondronana Laika
Sal 26.1-12 /Jao 4.25-30 / Rom 8.1-8

| | 26. Ala VII man. Trinite-TPM sy IFRP
2 Sam 7.17-24 / Lio 8.26-39 / 2 Tim 2.1-13

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA