Alakamisy 25 Jiona 2020.
OHABOLANA 25 . 21-22
Mihavana amin’ny Tompo
Raha ny lohahevitra ity no jerena dia toa zava-mora , sy mahafinaritra no ao anatiny , kanefa raha ity perikopa eto ity no jerena dia misy zava-tsarotra amin’ny olona ao anatiny ao .
1-Ianao manoloana ny fahavalo
Raha noana ny fahavalonao dia omeo hanina izy , raha mangetaheta izy , omeo hosotroiny .Inona moa izany fa tsy hoe: fikarakarana sy famelomana ny fahavalo ? Zava-tsarotra izany ao amin’ny fiaraha-monin’olombelona , fa raha ao amin’ny fiaraha-monin’ Andriamanitra dia azo tanterahina tsara . Fa raha nanota isika dia efa fahavalon’ Andriamanitra , saingy tsy novonoiny fa namindrany fo (Matio 5.44)
2-Andriamanitra manoloana anao
Ny fahavalo , hoy ny Tompo dia hahamay ny lohany raha ataonao ny fikarakarana azy . Fa izay lehibe kosa dia ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny olona mitia ny fahavalony . “Ary Jehovah hamaly soa anao “ hoy ny voasoratra eto . Matetika ilay heverina ho fatiantoka amin’ny fikarakarana ny fahavalo no ao anatintsika mandrakariva , fa tsy ilay valisoa omen’ny Tompo . Omeny valisoa isika satria maneho ny tena toetrany .
Fanontaniana :
Vonona hikarakara ny fahavalonao ve ianao raha tojo fahasahiranana izy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM