Alatsinainy 25 Mey 2020.

ASA 4.18-31

Olona manana ny Fanahy Masina

Notsaraina teo amin’ny Synedriona i Petera sy Jaona noho ny nanasitranany ilay lehilahy malemy.Norarana tsy nahazo mitory sy manambara ny amin’i Jesoa intsony izy ireo . Ny Fanahy kosa :

1-Mampijoro ny mpino

Mafy dia mafy ny fandrarana nahazo an’i Petera sy Jaona tsy hitory ny Anaran’i Jesoa Kristy intsony .Tandindomin-doza ny fiainany raha mbola mikiry manao izany izy ireo .Mazava anefa ny fanambarany : »Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitany sy renay « .Ny olona manana ny Fanahy Masina dia tsy voasakana , tsy matahotra , miroso , mijoro hatrany hanambara an’i Jesoa .

2-Mandresy

Manoloana ny fanambarana nataon’i Petera sy i Jaona dia very hevitra ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona .Tsy hitany izay antonjavatra « hampijaliana » azy ireo ary indrindra noho ny vahoaka resy lahatry ny asa notanterahina ka nankalaza an’Andriamanitra (and21).Vokany : nalefany izy ireo . Mariky ny fandresena ny fampihorohoroana izany.

3-Mampiankina amin’Andriamanitra

Rehefa tafaverina teo aminn’y mpianatra i Petera sy Jaona dia nitantara ny toe-javatra natrehany .Ny fahafantaran’ny mpianatra izany toe-javatra izay sy ny fisian’ny fanenjehana dia nanosika azy ireo hivavaka amin’Andriamanitra ka nametraka ny adiny sy ny asa fanompoana izay tsy maintsy hotanterahiny amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Nahoana no misy mpino kristiana tsy sahy mijoro vavolombelona manoloana ny fanenjehana na ny sakana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV