Alakamisy 21 Mey 2020.

JAONA 16.5-1

Ny asan’ny Fanahy Masina

Handao ny mpianatra i Jesoa . Ireo mpianatra ireo no hanohy asany eto anivon’izao tontolo izao .Omena araka izany ny Fanahy Masina mba hampahomby ny asa fanompoana.

1-Mampiaiky ny fahotana

Ny fahotana mamatotra ny olona dia ny tsy finoana , ny tsy fanekena an’i Jesoa ho Mpamonjy , ny fandavana ny asam-pamonjena tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana .Rehefa miasa eo amin’ny fiainan’ny olona iray kosa anefa ny Fanahy Masina dia ho tsapany fa mpanota mila famonjena izy ka hitady an’i Jesoa ho Mpamonjy azy.

2-Mampiaiky ny fahamarinana

Tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjy ny Jiosy , na dia efa nanao asa lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo aza i Jesoa .Tsy hitany ny fahamarinana satria feno fialonana sy fandavana izy ireo . Nanarona ny fony ny aizina ka tsy hitany ny fahazavana . Ny asan’ny Fanahy Masina no hanafaka ny aizina ao am-po ka ahitana ny fahamarinana .

3-Mampiaiky ny fitsarana

Niezaka namatotra ny fon’ny olona i satana . Nanafaka ny olona tamin’izany fatorana izany kosa i Jesoa Kristy . Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa , ary nasehony fa resiny ny fahafatesana , nefa koa resiny i satana ka tsy manana fahefana intsony .Rehefa miasa ao amin’ny fiainan’ny olona ny Fanahy Masina dia ho tsapan’ny olona ny fandresen’i Jesoa .Hanaiky ny olona fa efa voatsara i satana . Miaina amin’ny fiaianam-panafahana ny mpino an’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Nahoana no mangataka ny asan’ny Fanahy Masina isika rehefa hamaky ny Soratra Masina na hitoriteny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV