Talata 19 Mey 2020.

2 TANTARA 20.14-17

Ny olona tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra

Tamin’ny andron’i Josafata mpanjakan’i Joda dia nitsangana hiady taminy ny Moabita sy ny namany .Noho ny fahamaroan’ny fahavalo niady taminy dia raiki-tahotra i Josafata ka nivavaka.Namaly vavaka Andriamanitra ka nifidy an’i Jahaziela.

1-Mampahery amin’ny fotoan-tsarotra

Hoy ny voalaza : »Aza matahotra na mivadi-po… » .Izany no hafatra lehibe nambaran’ilay olom-boafidy no tarihan’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’i Josafata mpanjaka sy ny mponin’i Joda .Teny fampaherezana izany manoloana ny tahotra noho ny fahitana fa maro be ny fahavalo sy noho ny fiheverana fa kely hery sy tsy afa-manohitra .Midika izany fa tsy maintsy resena ny tahotra sy ny horohoro satria efa nihaino ny vavaka izay natao Andriamanitra ka miasa ho famonjena.

2-Manome ny toromarika avy amin’Andriamanitra

Rehefa avy nampahery ny vahoakan’ Andriamanitra i Jahaziela dia nanolotra ny toromarika mba hiatrehan’i Josafata sy ny mponin’i Joda ny ady (and16).Mazava tsara eto ny toromarika fa tsy maintsy miatrika ady ny vahoaka , mila manaraka izay toro-làlana omena dia ny midina hiady ho famonjena azy ireo .Mampandresy azy ireo Andriamanitra .Miseho fa manana ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina ilay olom-boafidin’ Andriamanitra nirahiny ho eo amin’ny vahoakany .Izay tarihan’ny Fanahy Masina dia mahay manolo-tsaina hahazoana fandresena mandrakariva .

Fanontaniana :

Inona no anjara fanompoana tian’Andriamanitra omena ny olona izay nomeny ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV