Fahasalamana/Coronavirus !

KRIZY ARA-PAHASALAMANA ERAN-TANY

Hatramin’ny faran’ny taona 2019 lasa teo, dia naresaka eran-tany ity aretina atao hoe coronavirus na Covid-19 ity. Heverina fa avy tamin’ny ramanavy no nahazoana azy, ary nifindra tamin’ny olombelona. Mitovy hatramin’ny 96% amin’ny coronavirus mahazo ny ramanavy ity ankehitriny ity. Manakaiky ny fisehoan’ny aretina gripa ity aretina ity, amin’ny ankapobe.

Firenena mahatratra 63 no efa ahitana ity coronavirus ity. Tany Shina no niandoha ity coronavirus ity, ary nihanaka nanerana ny tany. Efa hananika ny 9 alina eo ho eo  ny olona mitondra ity otrikaretina coronavirus ity, ary 3000 mahery kosa no efa matiny. Senegal no firenena Afrikana vao nahitana tranga iray voany, ary Seychelles no firenena akaiky antsika efa ahitana azy koa.

ANTONY NAMPIELY HAINGANA

Misy antony samihafa ambaran’ny mpikaroka. Fa izay asiana teny eto, dia ireto telo ireto. Voalohany, lafo loatra ny sara-pizahana fahasalamana any Shina. Mahatratra hatramin’ny 10.000 Euros izany, ka tsy zakan’ny olon-tsotra. Indrindra, tsy miverina io vola io raha tsy efa hita fa tratran’io aretina coronavirus io ilay olona.

Faharoa, dia niova tetika ny fitsaboana. Tsy ny fakana santiona (prelevement) intsony no natao fa fitarafana (radio) ny avokavoka. Nandiso ny fifehezana ny aretina izany, ary nampiely haingana azy koa. Nitombo ny olona tratran’ny aretina tany Shina.

Misy koa milaza fa aretina niniana naparitaka ity coronavirus ity, ary saika hamonoana ny fihetsiketsehana ao Hong-Kong. Kanjo vaky io zavatra nitehirizana azy tany Shina io, dia izao nihanaka izao.

HEVI-DISO MOMBA NY FIFINDRANY

Betsaka ny resaka mandeha ho fisorohana ity aretina coronavirus ity. Ireto ny hevi-diso, araka ny filazan’ny OMS, Rafitra Eran-tany momba ny Fahasalamana.

1.Tsy mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka io. Tsy toy ny fifindran’ny tazo akory io.

2.Tsy mifindra amin’ny alalan’ny zavatra voarain’ny marary ity aretina ity, toy ny entana, vola, na hafa.

3.Tsy mifindra io aretina io, rehefa mihoatra ny 1 metatra ny elanelan’ny marary sy ny salama. Tsy mampiely azy ny fitsokan’ny rivotra avy amin’ny toerana ahitana azy.

4.Diso ny hevitra hoe rehefa misasa tanana amin’ny fivalanan-drano dia tsy tratran’ity aretina ity. Misasa tanana amin’ny rano, savony no mahomby amin’ny fisorohana.

5.Diso ny hevitra hoe rehefa mandray zava-mahadomelina cocaïne dia tsy tratrany.

6.Diso ny hevitra fa rehefa mangatsiaka na mafana loatra ny tany iray, dia tsy tratran’ny coronavirus. Fa mijanona ho 37 degré eo ho eo hatrany ny vatan’ny olombelona, na mafana ny mangatsiaka ny toerana misy azy.

FIANTRAIKANY ERAN-TANY

Ankoatran’ny fiantraikany ara-pahasalamana, dia misy fiantraikany ara-toekarena ity fisian’ny aretina coronavirus ity. Midina hatramin’ny 50 dolara ny vidin’ny baril amin’ny solika, noho ny fihenan’ny filana sinoa.

Raha notombanana hatramin’ny 40 miliara dolara ny vola very noho ny fisian’ny aretina SRAS tamin’ny taona 2003, dia ho be lavitra noho izany amin’ity coronavirus ity. Mihena avokoa ny vola ampidirin’ny toekarena, ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny, ny toeram-pisakafoana, ny varotra. Ny voamariky ny mpanara-baovao dia nihena be ny fividianana sy ny fanjifana ny labiera meksikana atao hoe corona.

Ny firenena maro eran-tany dia samy miaro tena mafy amin’ny fihanak’ity aretina ity, mba tsy hisy olona ao aminy ho tratrany. Hidiany ny sisintany, sakanana ny fidiran’ny olona efa nahitana ity aretina ity. Sady volabe ny mitsabo azy io, na dia vao amin’ny fanokana-monina azy fotsiny aza. Ary ny voka-dratsiny amin’ireo voalaza eo aloha ireo, dia tena ezahina sorohina mafy araka izay tratra.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2020

Novambra: MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO

| | 01. AlaXXI man Trinite
Gen 32.4-13 /Mat 9.27-31 / Asa 16.6-10

| | 08. Ala. XXI man Trinite-Fitantanana ny Fananana (FIFA)
Sal 130.1-8/ Lio 12.35-40/ Tit 2.11-15

FJKM Fahazavana

JOBILY FITOKANANA NY TRANO FIANGONANA