MAHAY MITARIKA FIVORIANA VE
ISIKA ?
Mialoha ny fitarihana ny fivoriana, dia misy zavatra
tsy maintsy homanina mialoha. Tsy misy azo atao maivana sy kitoatoa ireto
dingana horesahana manaraka ireto, dia ho fivoriana lavorary no hisy, ary hahafaly
ny mpivory ny mandray anjara amin’izany.
FANOMANANA ( 50%)
Misy fanomanana ara-tsaina : inona ny lahadinika
hivoriana, inona ny tanjona hahatongavana, inona ny drafitra hitondrana ny
fivoriana. Misy koa ny fanomanana ara-pitaovana : ny toerana hivoriana, ny
fitaovana hampiasaina, ny fandraisana ny mpivory, ny tahirin-kevitra ilaina.
Vita ny 50% amin’ny asa, rehefa ity fanomanana ity no voalamina tsara. Ny
fivoriana no lavorary tsara, dia ny fanomanana ara-tsaina sy ara-pitaovana no
mipetrapetraka tsara.
FIVORIANA ( 20%)
Raha hitarika fivoriana isika, dia aoka tsy ho mpivory
hamoaka sosokevitra, fa ho mpitarika hatrany. Ireto ny zavatra miandry ny
mpitarika fivoriana : mitarika ny mpivory ho any amin’ny tanjon’ny
fivoriana, manana ny toetra takina amin’ny mpitarika fivoriana, mitarika ny
fivoriana araka ny Fitsipika, mitana ny fe-potoana voatokana hivoriana,
mibanjina hatrany ny vokatra. Araho ary aza misy asiana latsaka ireo zavatra
voalaza ireo, dia ho mpitarika fivoriana mahay isika.
Fahadisoan-kevitra lehibe eo amin’ny mpitarika ny
miziriziry hampanaiky izay hevitra arosony hodinihan’ny mpivory. Raha nantsoina
hivory ny rehetra, ary hanapa-kevitra no anton’izany fa tsy fampitam-baovao
fotsiny, dia avela ny mpivory hikaroka izay hanatsarana io tolokevitra nomena
hodinihiny io, fa ny mitana ny fitarihana voalaza teo aloha kosa no anjaran’ny
mpitarika. Vita ny 20% amin’ny asa rehefa toy izany ny fitarihana ny fivoriana.
TATITRA (30%)
Raha ela indrindra, dia 36 ora aorian’ny fivoriana, no
tsara hivoahan’ny Tatitra. Mandritra izany fotoana izany no tsara ny
fitadidiana sy ny fahatsiarovana. Aorian’izay, dia efa mamotsotra ny
fitadidiana, ary manova mihitsy izay tapaka aza io fitadidiana mamotsotra io.
Satria izay naharesy lahatra ny mpitantsoratra ihany no tavela maharitra ao
an-tsainy amin’izay fotoana izay. Vita ny 30% amin’ny asa miandry, rehefa
voatatitra ny asa notakin’ny fivoriana.
A.Zaka, Mpitandrina