FMBM/Alah’Baiboly 2020

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY
BAIBOLY AMIN’NY FITENIKO, TOHANAKO, FENO 185 TAONA
Ny tenin’Andriamanitra sakafo mahavelona . Baiboly @ fiteniko tohanako, io teny entina mankalaza an’Andriamanitra sy hanamarihana ny faha-185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy amin’ny ity taona 2020 ity. Miara-dalana amin’ izay koa ny faha-55 taonan’ny FMBM na ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.
Raha ny tantara dia ny 21 jona 1835 izany daty izany ary ny 21 jona 1965 kosa no nitsanganan’ny FMBM teto Madagasikara. Fahasoavana lehibe ho antsika Malagasy izany satria dia ny Baiboly Malagasy no zokiny indrindra eto Afrika, lahimatoa ny tenin’Andriamanitra voadika amin’ny tenim-pirenena.
Maro ireo lalana nolalovana vao tonga amin’ izao endriny ahitantsika azy izao ny Baiboly. Isan’ny tantara tsy fanadino fa nihatra aman’aina tokoa mantsy ny asa natao satria dia ambara fa teraka tao anatin’ny fahoriana ny Baiboly Malagasy.
Mialohan’ny hialan’ireo misionera teto madagasikara hamonjy ny tanindrazany, no tsy maintsy namitana printy ny Baiboly Malagasy, miisa 70 teo ho eo ny Baiboly voantonta tamin’izany; ka izay no niveloman’ny Malagasy Kristiana rehetra teto Madagasikara nandritra ny taona maro sy ny vanim-potoanan’ny fanenjehana tamin’ny andron’ny mpanjaka. Isan’ny asa goavana nentin’ireo misionera teto amintsika koa ny fahafahana mamaky teny ka ny tenin’Andriamanitra mivantana no vakiany sy iainany. Nanohina ny fo, hoy Atoa RABENIFARA Désiré, filohan’ny filankevim-pitondrana eo anivon’ny FMBM ny fankanesany tany “Pays de Galles” mahakasika ny Baiboly Malagasy satria reharehan-dry zareo mihitsy izany hoe Baiboly Malagasy vita printy voalohany izany ary tena tandroviny fatratra sy kajiana mafy ilay Baiboly izay nataony ao amin’ny tranombakoka any an-toerana.
Tamin’ny taona 2019 lasa iny tokoa dia nisy ny taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ izany tantara izany ka niarahana tamin’ny Malagasy maromaro avy aty Madagasikara namonjy an’i Pays de Galles ka nametrahana marika noho izany vanim-potoana lehibe izany tany an-toerana.
Eto am-pamaranana dia mampieritreritra ilay fanontaniana hoe “Iza ary no be mpamaky, ny baiboly sa ny gazety? Mitaona antsika mba hamaky araka izay azo atao ny Baiboly satria izay no fanekena natao raha natokana ho mpandray isika, ary tsy ny mpandray ihany fa ny kristiana rehetra ihany koa satria fiainana mahavelona izany, tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny tenin’Andriamanitra ihany koa.
“Baiboly amin’ny fiteniko, tohanako” ny alahady, 9 janoary fiombonam-bavaka ho an’ny asa fampielezana ny Baiboly ho an’Antananarivo sy ny manodidina, amin’ny 2 ora sy sasany ao FJKM katedraly Analakely, amin’ny 3 ora tolakandro kosa ao amin’ny FJKM Karmela Antanifotsy any Sambava, ary amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny CEIM Fianarantsoa.
Ny 21 jona 2020 ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena no ivon’ny fankalazana.
Evarsite RASOLOHERY