Ivony faha-200T Sekoly

JOBILY faha-200 Taona ny Sekoly Protestanta FJKM (Ivony).

Notanterahina tao amin’ny SP Matsiatrasoa (SP 25)Fianarantsoa  ny ivon’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha-200 Taona nijoroan’ny Sekoly Protestanta  teto Madagasikara . Fanompoampivavahana lehibe no nanamarihana izany  ny Alahady 10 Novambra 2019 ,nanomboka tamin’ny 10 ora , izay natao tao amin’ny Kianja malalaky ny Sekoly FJKM RANDZAVOLA IVOHIDAHY .

Nitarika ny fanompoampivavahana ny Filohan’ny Komity Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja , Mpitandrina . Nitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra, Andriamatoa RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa , Mpitandrina ,Komity sady MF miahy ny Sekoly .Ny Komity SP 25  no nitari-bavaka sy namaky ny Soratra masina . Andriamatoa RAZAFINDRABE. Raymond, Mpitandrina Président Synodal SP 25 no nitantana ny Fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo.

Nanakoako teo am-piandohan’ny fotoana ny  Hira fanevan’ny faha- 200 T Sekoly « MAHARETA ». Taranja ibeazana ho amin’ny fahombiazana ny faharetana , izay nankinin’ny mpitory amin’ny JAK 5.7. Ny asa fanabeazana dia manomana olona vonona sy vanona hiatrika ny fiavian’ny Tompo . Mila tohizana ny « tsara » niainan’ny Sekoly FJKM , sekolin’ny maritiora , mahatanty lazonady , vita sedra.

Tao amin’ny filazana ny Raharaha no nahalalana fa  manana tetibidy eo amin’ny 178 Million d’ Ariary ny fanamboarana ilay Trano lehibe ivotoeram-panofanana Mpampianatra ho an’ny Ambaratonga voalohany (I) . Fantatra fa mandray anjara mavitrika ny isam-piangonana , ny isan-tSP, izay notsinjaraina toy izao : 1 500 000 ar (Sokajy A) ary 750 000 ar (Sokajy B), ny mpianatry ny sekoly FJKM amin’ny alalan’ny vola 200ar/ mpianatra.Hatrany am-pitandranomasina na ny fiangonana manana sekoly  na ny tsy manana dia samy mahatsapa ho tomponadidy manoloana ny fananganana ilay Tsangambto lehibe ho ivon-toeram-panofanana Mpampianatra , izay hatao any IMERIMANDROSO Ambatondrazaka –Alaotra .Kasaina hotokanana ny volana Martsa 2020 izany fotodrafitrasa lehibe izany .

Nampahatsiahivin- dRamatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina , Tale Nasionalin’ny Sekoly FJKM , ny fanomezana ny  2 % ny tetibolan’ny Fitandremana tsirairay na ny manana Sekoly na ny tsy mbola manana mba ho fanohanana ny sekoly FJKM.

Nanentana ihany koa ny Komity fa mbola tohizana hatrany ny ANGONKEVITRA ho fanatsarana ny Asa Fanabeazana sy fampianarana sy ny ANGOMBOLA ho amin’ny fanorenana .

Namintimpintina ny Tantaran’ny Sekoly kosa Andriamatoa RAKOTONAVALONA Maholy , Mpitandrina. Nambarany tamin’izany fa vavimatoan’ny Sekoly rehetra ny SEKOLY Protestanta FJKM . Tsy afa- misaraka amin’ny  fitoriana ny Filazantsara  ny fanabeazana . Tsy mampianatra fotsiny no ataony amin’izany fa MANABE olona tena vanona . Ny Boky ao amin’ny Soratra masina no taranja nanadinana tany amin’ny taona 1924 (Boky Genesisy, Eksodosy,Lioka…). Nirotsaka an-tsehatra tamin’izany ny Mpanjaka . Ny fanirahana evanjelistra tao amin’ny I6B Imerina tany amin’iny tapak’ avaratry ny Nosy iny dia nampiara-dàlana hatrany ny asan’ireny iraka ireny tamin ‘ny fanokafana sekoly ka  Sekoly aloha vao fiangonana .Tany amboalohany dia sekoly teo amin’ny 6isa teo no tafatsangana vao niorina ny fiangonana voalohany . Teny an-tenatenam-potoana teny dia nitovitovy ny isan’ny sekoly sy ny Fiangonana , fa ankehitriny dia ampahafolon’ny isan’ny fiangonana  sisa no isan’ny sekoly  mijoro .

Ny Filoha mpanampy eo anivon’ny Biraon’ny Mpiandrakitra Foibe , Andriamatoa ANDRIAMAMONJISOA Georges no nandray fitenenana nisolo tena ny Filohan’ny FJKM ,ka niarahabany  ireo mpiomana ho Mpitandrina avy ao amin’ny Kolejy Teolojika FJKM Amboniavaratra , ny Mpitandrina rehetra tonga nanome voninahitra ny fotoana , ny Mpampianatra eo anivon’ny Sekoly FJKM rehetra tonga tao .Nisaotra ihany koa ny Foibe Fitondran-tSekoly (FFS) izy noho ny ezaka rehetra vitan’izy ireo . Hamafisina ny fianarana ny Teny Anglisy eo anivon’ny Sekoly FJKM  .Fa ankoatran’ny tsangambato hita maso dia misy koa ny tsangambato tsy hita maso, dia ny fanamafisana ny fitsipika ifehezana ( discipline) ary atombohy aminareo mpampianatra  sy mpanabe izany, hoy ny Filoha mpanampy BMF . Entanina ny rehetra mba hanampy ary samy hanao izay azony hatao ho fanohanana ny Sekoly amin’ny lafiny rehetra . Aoka ho lohany ny Sekoly FJKM .

Nofaranana tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo sy fiaraha-misakafo ny fotoana ary hitohy amin’ny ZAIKABE FAHA-7 izany manomboka ny Alatsinainy 11 Novambra , hifarana ny 14 Novambra 2019. Dia mirary ny fitahian’Andriamanitra amin’ny ho avin’ny Sekoly Protestanta FJKM.

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra.

Nangonin-dRamatoa SAHONDRAMALALA Vololona Rabelison

(Site web FJKM)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV