FJKM Ankijamandroso

FITOKANANA NY TRANO FIANGONANA

FJKM ANKIJANOMADIRO MAMPIKONY

                Isaorana ny Tompo fa vita soa aman-tsara ny fanorenana ny Trano Fiangonana ao amin’ny Fkt Ankijanimadiro ao anatin’ny Fitandremana Mampikony, Synodamparitany Sofia Andrefana. 7km miala mianavaratra andrefana eo Mampikony no misy azy. Fiaraha-miasa tamin’ny Sa-AFF FitandremanaTranovato Rasalama Martiora Ambohipotsy no nahazoana izao vokatra izao. Ny Tafika Masina « olona » aloha, izany hoe ny Fitoriana ny Filazantsara hitaomana ireo mponina tao ho an’i Jesoa Kristy no nezahana nandritra ny roa taona, ary rehefa nahazo olona 50 teo ho eo ho an’ny Tompo, vao nanorina ny trano, nanomboka ny septambra 2018.

                12m x 6m no haben’ny trano ary misy tilikambo. 20 tapitrisa ariary mahery no teti-bidiny trano ary herintaona no namitana izany. Nisy ny ezaka nataon’ny tany an-toerana ary teo koa ireo fanomezana sy tetibola efa natokan’ny Fitandremana RM Ambohipotsy namitana izany.

                Ny alahady 17 novambra 2019 izao no hitokanana izany ary hiarahana amin’ny Synodamparitany Sofia Andrefana sy ny Fitandremana Mampikony. Ny avy ao Ambohipotsy kosa dia hisy Kristiana 50 mahery eo koa hotarihin’ny Mpitandrina mivady RAMANANTSOA A. Tiana Dani. Ny sabotsy no fanokafana ny fotoana ary mbola hisy ny Tafika Masina sy fanentanana eo an-tanàna. Hofaranana amin’ny fiaraha-mandray ny Fanasan’ny Tompo sy ny fiaraha-misakafo ny fotoana ny Alahady.

Mahagaga, fa mifanitsy indrindra amin’ny tsingerin-taona faha-151 niorenan’ny Tranovato Rasalama Martiora io daty io koa dia nofidiana ny teny faneva hoe « … ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amen dia Amen. » Sal.72 :19b

                Hotanana ho fomba fiasa sady mbola hohatsaraina izao natao izao. Hovoninahitr’Andriamanitra.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV