Fiadanana maritiora /150T

FJKM Fiadanana Maritiora 1869 – 2019 (SPAA11)

FJKM FIADANANA MARITIORA

Notanterahina ny Sabotsy 14 sy ny Alahady 15 Septambra 2019, tao amin’ny FJKM Fiadanana Maritiora, izay misy ny Mpitandrina RAZAFINDRABE Harijaona, ny IVON’NY fotoam-pankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana.

Ny Alahady maraina niarahana tamin’ny zanaka am-pielezana. Ny Sabotsy kosa dia fotoam-pivavahana niarahan’ny mpino tao an-toerana sy ny Birao Synodamparitany Antananarivo Atsimo SPAA11, notarihin’ny Prezida Synodaly, RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina ary ny namana sy tapaka niaraka tamin’ny solontena isam-pitandremana.

Nitarika izany fotoam-pivavahana ny Filoha Mpanampy ny SPAA11, RASOLOFOMANDIMBY Mamisoa Olivier, Mpitandrina. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Prezida Synodaly SPAA11, ka ny teny fanevan’izao fankalazana ny faha-150 taona izao, izay ao amin’ny I Korintiana 14:12 « Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana* no tadiavo indrindra.» no niaingany nataony lasitra

Nitarika ny asa vavolombelona  ny Prezida Synodaly. Nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo tandrify izany, anisany : Atoa RAKOTONDRAHELIARIVELO Dera, izay niezaka namintina ny tantaram-piangonana hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, ary voalaza tao anatin’izany ny tantaran’ireo Maritiora izay maty notoraham-bato, nohon’ny finoan’izy ireo lalim-paka. Nandray fitenenana  ihany koa ny Filohan’ny komitim-pankalazana, Atoa RANDRIANARISOA NIAVONIAINA Davidson Willy, izay nanambara ny ezaka vitan’ny mpino, tsangambaton’izao faha-150 taona izao, dia ny tokontanim-piangonana norakofana rarivato sy ny fanamboarana làlana manokana ivelan’ny tokontanim-piangonana, ho an’ny mponina manodidina ary ny fametrahana fefy vy sy tamboho manodidina ny tokontanim-piangonana miaraka amin’ny fanatsarana ny lokon’ny trano fiangonana.

Nisy ny fiaraha-nisakafo namaranana ny fotoana.               

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV