Fanofanana Birao sampana

Tontosa tao amin’ny FJKM Mahalavolona, ny Sabotsy 21 Septambra 2019, ny fampiofanana notanterahin’ny Birao Synodamparitany Antananarivo Atsimo (SPAA11), izay tarihin’ny Prezida Synodaly RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina.

Ny fampiofanana dia natao manokana, ho an’ireo Biraon’ny Fiangonana isam-pitandremana niaraka tamin’ny Biraon’ny isan-tSampana Synodamparitany sy ny Biraon’ny Sampan’asa rehetra ao anatin’ny SPAA11. Marihina fa Mpitandrina maro isam-pitandremana no tonga nanatrika izany fampiofanana manokana izany. 

            Nandray andraikitra tamin’ny fanatontosana izany fampiofanana izany, ny mpikambana ao amin’ny Birao SPAA11, ka fotoam-pivavahana no nanombohan’izy ireo izany. Nitarika izany sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ny Filoha Mpanampy SPAA11, RASOLOFOMANDIMBY Mamisoa Olivier, Mpitandrina, ka nataony lasitra niaingana ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny Jaona 15:1-8.

            Nitarika ny fijerena sy fanamarinana ny boky, nentin’ireo Birao miasa isam-pitandremana sy isan-tSampana ary isan-tSampan’asa, ny Filoha Mpanampy Laika, ANDRIANAMPOINIMERINA Tahina, Diakona. Nanao ny fampianarana sy nanome ny torolalana, tsara ho fantatr’ireo Birao tonga niofana kosa, ny Mpitandrina telo lahy :

  • Ny Prezida Synodaly, RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina, izay nanoro sy nampahatsiahy ny tsirairay, ny Fotodalana sy Fitsipika FJKM, izay voarakitra ao anaty boky kely mitondra izany anarana izany ary nolazainy fa tsy maintsy ananan’ireo birao, raha vao voafidy izy ireo, ary ampiharina izay voasoratra ao anatiny, ho fandaminana sy ho fitovian’ny fomba fiasa eo anivon’ny sahan’ny FJKM (Boky kely azo jifaina eny amin’ny fivarotam-boky FJKM). Nomeny fanamarihana manokana ihany koa ny tsy maintsy ampiasana boky amin’ny andraikitra sahanina (Boky firaketana an-tsoratra fivoriana, Bokimbola, Boky firaketana an-tsoratra ny fananam-piangonana, sns). Nomeny ihany koa ny torolalana amin’ny fomba fiasa ka isan’ny zava-dehibe amin’izany, ny fitsinjaran’asa amin’ny andraikitra sahanin’ny tsirairay, ho fiaraha-mientan’ny rehetra ao anaty Birao. Noraisiny ohatra mivantana ny zavamisy ao amin’ny Birao Synodamparitany SPAA11, izay tantaniny.                                                                                                                                                                                                                                                                  Ny Mpitantsoratra-1, RANDRIANOMENJANAHARY Narivelo Nirina, Mpitandrina, dia nanoro sy nampahalala ny mpiofana, ireo fahazarana tsara tsy maintsy ananan’ny Mpitarika na “Leader”, ho fahombiazan’izy ireo, eo amin’ny andraikitra neken’izy ireo sy napetraka tamin’izy ireo. Nolazainy fa ny mpikambana rehetra ao anaty Birao dia Mpitarika avokoa. Ny mpino nomena andraikitra ho Mpitarika na “Leader” dia tsy tafandry mandry amin’ny andraikitra izay nomen’Andriamanitra azy, ka miezaka ny hanao ny tsara hatrany amin’ny asa fanompoana izay nekeny sy noraisiny, ho voninahitr’Andriamanitra Izay Tompoiny. Araka ny voka-pikarohan’ireo manam-pahaizana mpandinika anefa, hoy izy, dia 95% ny fihetsika sy fiteny ataon’ny olona dia tsy araka ny niheverany azy, ny vokatra azo naterak’izy ireny. Midika izany fa tena mila mamboly fahazarana tsara sy mahomby ny Mpitarika kristiana, ho fahombiazan’ny fitarihana izay ataony. Notanisain”ny Mpitandrina  tamin’ireo Birao niofana, ireo karazan-toetra 14 tokony hananan’ny mpitarika ary ampahany tamin’izay toetra tsara izany, ny fitiavam-bavaka sy ny fahamarinam-potoana ary ny fanomanana sahady dieny ety an-tany ny fiainana an-danitra. Mampalahelo, hoy ihany izy, mahita olona variana miasa mafy manao asa fanompoana nefa manadino ny tenany, izay mila mikambana amin’Andriamanitra, hahafahany manana ny fiainana mandrakizay, miaraka amin’Ilay Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy.  
  • Ny Mpitantsoratra-2, RANDRIANARISON Emmanuel, Mpitandrina, dia nanofana ny mpivory mikasika ny fikirakirana vola, araka ny torolalan’ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM. Nambarany fa ny Soratra Masina dia milaza fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy (1 Timoty 06:10), koa tsara ny itantanana izany amin’ny fomba mangarahara sy tsara tantana ary am-pahamarinana. Nohazavainy tamin’ireo mpivory, ireo loharanom-bola mety ho an’ny Fiangonana sy mety ho an’ireo Sampana. Nofaritany ihany koa ny mikasika ireo tomponandraikitry ny vola (Ordonnateur, Trésorier, Secrétaire Financier, etc); Sns. Natorony ny fomba fandrafetana tetibola; Nampianariny ny fomba firaketana an-tsoratra ireo fivezivezen’ny vola; Nampahafantariny ny mpivory, ny fomba atao rehefa handinim-bola; Nohazavainy ihany koa ny tokony hatao raha hanokatra kaonty any amin’ny banky hitahirizana vola; Sns. Nisaraka tamim-pifaliana ny rehetra rehefa nahazo valiny nahafapo ny mpiofana, avy tamin’ireo fanontaniana izay nanitikitika azy ireo.

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV