Talata 17 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 10.1-18

Mijoro ho vavolombelona marina amin’izay toriny sy inoany i Paoly . Ary ianao kosa , mba ahoana?

1-Sahia mijoro (and1-6)

Tsy i Paoly ihany no mpitory ny Filazantsara fa nisy olon-kafa izay nanaratsy azy aza ka nanodikodina ny sain’ny kristiana . Fa sahy nilaza ny marina i Paoly satria , hoy izy : »tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay , fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy » (10.4). Amin’izao andro maha-be ny karazam-pivavahana , mety ho manaratsy ny misy anao izao , mba hahajoro ve ianao?

2-Efa nomen’i Kristy hery sy fahefana (and7-11)

Tsy ho menatra amin’izany aho , hoy i Paoly (and8). Io fahefana sy hery avy amin’i Kristy no mampahatanjaka an’i Paoly . Izao no tsarovy: « Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa iska , fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena . Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.7-8).

3-Aza mirehareha ! Aoka ny Tompo no hidera anao (and12-18)

« Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana , fa izay derain’ny Tompo  » (10.18). « Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo , dia hanandratra anareo Izy  » (Jak 4.10). »Koa amin’izany , manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’ Andriamanitra , mba hanandratany anareo amin’ny fotoana andro  » (1 Pet 5.6). « Fa izay rehetra manandra-tena no aetry , ary izay manetry tena no hasandratra (Lio 14.11) . « Fa izay mirehareha , dia aoka Jehovah no ho reharehany  » (Jer 9.23)(2 Kor 10.7).

«  Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-8

SP 11/ FJKM Ambohipotsy

FJKM TRANOVATO RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY

Nifanaiky tamin’ny Mpitandrina mianakavy fa hiara-dàlana

« Miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara »

(Filip 1 :27).

 Io no teny faneva nalahatry’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Mpitandrina RADIMISAON Jonah, nandritry ny fandraisan-tànana ny Mpitandrina RAMANANTSOA Andriamihaja Tiana Dani mianakavy mitondra ny Fitandremana Tranovato Rasalama Maritiora Ambohipotsy , SP Antananarivo  Atsimo, izay notanterahina ny Talata 3 Septambra 2019 maraina.

Ny Filohan’ny  Faritra sy Lohavolana Ambohipotsy, ny Mpitandrina RANDRIANARISON Emmanuel no nitarika ny fotoana.Nitarika ny fandraisan-tànana manaraka ny fombam-piangonana kosa ny Prezida Synodaly Antananarivo Atsimo, RABELISON Harimanitra  Manassé, Mpitandrina. Nifampiarahaba sy nifampirary soa narahana fanohanana avy amin’ireo mpino kristiana maro tonga teny an-toerana io fotoan-dehibe io. Nanolotra zavatra hita maso maro ho an’ny mpitandrina mianakavy ny komitin’ny fandraisan-tanana notarihin’ny filohany RAMAHATAFANDRY Rolland Ratsimba Jonah.

Nambaran’ny Mpitandrina ao an-toerana fa ankoatra ireo asa mbola miandry ny fiangonana, dia mitohy ny famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Fiaraha-nisakafo sy nifaly tao amin’ny Akany no namaranana ny fotoana.

Nitohy ny Alahady 08 Septambra maraina ny ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra sy fifandraisan-tanana, ny Mpitandrina mianakavy, izay niarahana kosa tamin’ny renifiangonana sy ny zanak’ampielezana. Nitarika ny fotoana ny Mpitandrina RANDRIANAIVOARIVELO  Rado Bera, Mpandrindra Nasionaly Aumônerie. Nitoriteny sy nanatontosa ny fifandraisan-tànana kosa ny Mpitandrina misotro ronono RABEMILA Yvette. Nasaina manokana ireo zaza kamboty akany Fialofana Tangaina notarihin’ny Taleny.

Fiaraha-mifaly sy fisakafoanana “Agape”, ary fanatanjahantena lalao baolina kitra sy baskety tao amin’ny zaridaina manan-tantaran’Andohalo no namaranana ny lanonana.

R.Ph.

SP 37/ FJKM Montrouge

FJKM MONT ROUGE PARIS

Sampana Tanora Kristiana

Nanao ezaka ho fanohanana ny mpitory filazantsara aty Madagasikara

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taonan’ny STK Mont Rouge Paris dia sitrak’izy ireo indrindra no nanao ezaka goavana niaraka tamin’ny reny fiangonana no hanohana ireo mpitory filazantsara aty Madagasikara, ka ny faritra avaratra sy ny faritra atsimon’ny nosy no voasafidy araka ny tolo-kevitra avy amin’ny AFF Foibe fa ho tohanana amin’ny fanaparitahana ny filazantsara.

Nisy araka izany ny moto miisa 2 marika Yamaha nomena ny Mpitandrina mirahalahy, ny iray avy amin’ny faritra Midongy Atsimo, ny iray kosa avy any Masoala. Nilaza ireto mpanompon’Andriamanitra ireto fa afaka ny fahasahiranana ary hanao bebe kokoa noho ny teo aloha izy ireo. Marihina fa natolotra ho an’ny FJKM izany fitaovana ari-fomba izany. Tao amin’ny CFD Ampandrana no nanaovana ny fanolorana izany tamin’ny fombam-piangonana ka ny Mpitandrina  sy ny biraon’ny STK avy any amin’ny FJKM Mont Rouge Paris niaraka tamin’ny birao Foibe FJKM ary ny PS avy any Atsimo Atsinanana no nanao fifanolorana ny lakile sy ny antontan-taratasy.

Ho tanora fianarana tahaka izany tokoa anie ny tanoran’ny Fiangonana, hoy Atoa Zarazaka Jean Louis, Mpitandrina, Filoha Mpanampy Birao Mpiandraikitra Foibe.

Evariste RASOLOHERY, SF

Hafatry ny Filoha/ Sept 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
!


Ka isika mihitsy aloha
No andeha hiova fo,
Tsy hatokitoky foana
Amin’ny asa manoloana
Ka hiantehitra am’izany
Fa handini-tena hatrany
amin’ny asa fanompoana;
tena ao ve ny finoana
sa sanatria fisehosehoana
no tena antom-pijoroana?
Tena tokony hotsaroana
Fa misy ange fifangaroana e!
Rehefa vory eo ny mpino,
Tonga koa, tsy manadino,
I Satana sy ny miaramilany,
Tsisy an-daniny sy an-kilany,
Fa mifangaroharo ao!
Izy koa mizahozaho,
Mihazakazaka manao,
Dia mihatsaravelatsihy
Miseho ho toy ny tena tia,
Kanjo hay tsy mahalala,
sady tena mankahala,
ny Tompo sy ny Fiangonany.
Hanimba azy no ivononany!
Samia mandini-tena hatrany:
Sao izaho no tahaka izany.
Hibebaka aho vao sahy handeha
Hankato ny baiko hoe:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!

Alatsinainy 16 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 9.1-15

Manohy hatrany ny anatra ho an’ny kristiana i Paoly momba ny famoriambola hanaovana ny asan’ny fiangonana amin’ny lafiny rehetra , indrindra amin’ny fanohanana ny kristiana tany Jerosalema . Izao ny HAFATRA ho antsika :

1-Mitaky FAHAVONONANA NY asa (and 2-3)

Ny olom-bonona no manao ny asan’ Andriamanitra . Hoy i Isaia  » inty aho, iraho aho » (Isa6.8) …mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra , ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » (2 Tim 3.17/Tit 3.1).

2-Mitaky FIOMANANA tsara mialoha (and5 )

Tsy azo atao kitoatoa ny asan’ Andriamanitra fa tena mila fiomanana tsara . Nandefa olona mialoha i Paoly mba ho mpanomana mialoha ny fanangonana . Misy fampianarana ao anatin’izany : fandresen-dahatra araka ny Tenin’ Andriamanitra . Tsy mety mihitsy ny tonga dia mitaky vola amin’ny Fiangonana nefa tsy fantatra hoe : atao inona ary inona no antony. Satria rehefa mazava izany dia hanome amin’ny fitiavana be ny olona . »Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha , mba hovitaina toy ny fiantrana izany , fa tsy toy ny fahihirana » (9.5).

3-Mamafaza be mba hijinja vokatra be (and 6-9)

Toy ny mpamafy vary ihany arakaraky ny voa afafinao no hojinjainao . Koa mamafaza be , araka izay sitraky ny fonao . Ataovy amin’ny fahalalahan-tànana ny fanomezana ary atao ho fankalazana an’ Andriamanitra sy ny fankatoavana azy ho reharehan’ny mpanompon’ Andriamanitra(and12-15).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alahady 15 Septambra 2019.

Fandalinana ny 2 KORINTIANA

2 Korintiana 8.16-24

Manao ahoana kosa indray àry ny toetra tokony hananan’ny olona natao hitantana sy hitazona ny volam-piangonana , izay voavory mba hanaovana ny asan’ny Fiangonana ho fanampiana ny hafa ? Indro omena anao izany :

1- Olona mazoto sy manao ny asa an-tsitrapo

Tsy olona kamo , malaina , miasa mba omena karama, fa miasa amin’ny fahazotoana sy an-tsitrapo . Teren’ny fitiavan’i Kristy (1 Kor5.4). Ho antsika manan-draharaha ao amin’ny Fiangonana mahakasika ny raharaha ara-bola no tena iantefan’izany (vakio Mpitor 5.9).

2-Olona tsara laza (and18)

Tsy olom-poana na olona efa re laza ratsy amin’ny asa ratsy akory na tsy mahatoky no omena andraikitra ara-bola . « Ary ny rahalahy izay nalaza amin’ny Filazantsara any amin’ny Fiangonana rehetra no nirahinao hiaraka aminy » (8.18).

3-Olona eken’ny Fiangonana sy voafidiny ka tendreny ho amin’izany asa izany (and19)

Tsy izay mafana fo fotsiny na atolotra olona manokana no hitantam-bola ao amin’ny Fiangonana fa ny Fiangonana manontolo no manendry sy mifidy azy amin’izany .

4-Olona mahatandrina sy malina tsara ary mitandro ny Voninahitr’ Andriamanitra (and20)

Volabe no tantanina na tazonina ka mila ny fahamalinana tsara tokoa , tsy olona mitavozavoza , ka ho tsotra loatra , mora ambakaina fa mahajoro tsara amin’ny andraikiny .

5-Olo-marina sy tia ny asan’ Andriamanitra (and24)

Ny olo-marina dia azo antoka . Ny olona tia ny asan’ Andriamanitra dia olona efa nandray an’i Kristy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Sabotsy 14 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 8.1-15

Tarihin’ny Soratra masina isika anio mba hitsinjo ny hafa

Fampirisihana no atolotr’i Paoly eto .

1-Ataovy am-pitiavana ny fanomezana ho an’ny hafa

Ny olona malala-tànana sy manam-pitiavana no afaka manome ho an’ny hafa, tsy arahina fialonana akory na latsa fa amin’ny fo madio . Tsy hoe: manana koa vao manome fa na dia mahantra sy sahirana aza dia ampirisihana mba hanome. Izany no hataon’ny kristiana ho fanomezana ho an’ny kristiana tany Jodia . »…ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany , eny mihoatra noho ny zakany aza , sady araka ny sitrapony ihany no nanomezany  » (8.2-3). Tsarovy fa:  » Misy mahafoy , nefa mitombo fananana ihany , ary misy fatra-pahihitra loatra , nefa tonga malahelo ihany  » (Oha 11.24) . Mianara manome! Kol 3.17,23 .

2-Jereo JESOA ka mianara Aminy (and 8-15)

i Jesoa Kristy no filamatra , ary tanjon’ny fitiavana lehibe atolotra ny hafa. Izy , Ilay nanankarena anefa tonga nahantra mba hampanan-karena antsika ao Aminy . « Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika , fa na dia nanankarena aza Izy , dia tonga malahelo noho ny aminareo , mba hampanankarena anareo ny alahelony  » (8.9) . Vakio Fil 2.5-8.Rehefa manao asa fanasoavana anefa dia tanterahina hatramin’ny farany ary atao tsara sy tonga lafatra ny asa . « Ataovy tanteraka ary izany ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa , dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay anananareo » (8.11) . Jereo izay itoviana (and 14-15).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Zoma 13 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 7.5-16

Miatrika ady sarotra isanandro isika mpanompon’ Andriamanitra . Tsy ho faly na oviana na oviana amin’ny asa tsara ataonao mantsy i satana. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hahakivy anao izy. Eto dia ambaran’i Paoly « …fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra .Teo ivelany nisy ady , tao anatiny nisy tahotra  » (7.5). Ambaran’i Paoly fa tsilo atao aminy ireny(2 Kor 12.7). Ho anao koa, aza matahotra fa :

1-Manafy hery sy mampionona anao ny Tompo

« Fa Andriamanitra izay mampionona ny mpandefitra no efa nampionona anay » (7.6) . Aza manahy akory na hilaza hoe: »irery aho« . Tsia , fa te-hiditra an-tsehatra ny Tompo hampionona anao ary amin’izany dia mandefa olona Izy ,na hiteny aminao amin’ny alalan’ny teniny (Isa 41.10). Zavatra iray tena mampahery ny mpanompon’ Andriamanitra koa ny fandrosoan’ny hafa amin’ny finoana (and7,9). Eny , faly ny anjelin’ny lanitra raha misy mpanota iray mibebaka (Lio 15.10).

2-Manohana sy mampahery anao ny vahoakan’ Andriamanitra

Tena faly tokoa i Paoly tamin’izay nataon’ireo kristiana, tsy taminy ihany fa tamin’i Titosy koa . Hoy izy: »Ary faly aho fa matoky anareo amin’ny zavatra rehetra  » (7.16). Tohanan’ny Tompo ianao amin’ny alalan’ireo kristiana manodidina anao . Aza matahotra , fa efa nanomana izany olona izany ho anao Izy, satria mpiray ombona antso aminao ireny. « fa IZAHO momba anao , ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao , fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho » (Asa 18.10).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8

200T Sekoly/ Hady fototra

Tao amin’ny Station Missionnaire Amboniatsimo

ireo Kristiana tonga nanatrika ny Fanompoampivavahana
Ny President Synodal Ambatondrazaka Vaovao

Fanompoam-pivavahana fametrahana ny vato fehizoron’ny tsangambaton’ny faha-200 taonan’ny fampianarana sy fanabeazana Prôtestanta FJKM tao Imerimandroso Ambatondrazaka. Fanorenana trano lehibe iray ho Ivotoeram-panofanana Mpampianatra no tsangambato amin’izay.

Rtoa Sahondra Rabelison