Talata 17 Septambra 2019.
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 10.1-18
Mijoro ho vavolombelona marina amin’izay toriny sy inoany i Paoly . Ary ianao kosa , mba ahoana?
1-Sahia mijoro (and1-6)
Tsy i Paoly ihany no mpitory ny Filazantsara fa nisy olon-kafa izay nanaratsy azy aza ka nanodikodina ny sain’ny kristiana . Fa sahy nilaza ny marina i Paoly satria , hoy izy : »tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay , fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy » (10.4). Amin’izao andro maha-be ny karazam-pivavahana , mety ho manaratsy ny misy anao izao , mba hahajoro ve ianao?
2-Efa nomen’i Kristy hery sy fahefana (and7-11)
Tsy ho menatra amin’izany aho , hoy i Paoly (and8). Io fahefana sy hery avy amin’i Kristy no mampahatanjaka an’i Paoly . Izao no tsarovy: « Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa iska , fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena . Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.7-8).
3-Aza mirehareha ! Aoka ny Tompo no hidera anao (and12-18)
« Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana , fa izay derain’ny Tompo » (10.18). « Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo , dia hanandratra anareo Izy » (Jak 4.10). »Koa amin’izany , manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’ Andriamanitra , mba hanandratany anareo amin’ny fotoana andro » (1 Pet 5.6). « Fa izay rehetra manandra-tena no aetry , ary izay manetry tena no hasandratra (Lio 14.11) . « Fa izay mirehareha , dia aoka Jehovah no ho reharehany » (Jer 9.23)(2 Kor 10.7).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8