Diakonina sy Loholona 2019.

Natao teny Antsahamanitra ny Sabotsy 13 Jolay 2019 teo, ny fiofanan’ireo Diakona sy Loholona avy amin’ny Fitandremana FJKM misy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nitarika izany fampiofanana izany ny Filohan’ny FJKM, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina. Nanampy azy, ny Sekretera Jeneraly RADIMISAON Jonah, Mpitandrina, sy ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana FJKM, RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, izay sady nanome fiofanana no nandrindra ny fotoana rehetra ihany koa. Nanazava ny mikasika ny ARM-FJKM (Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina), ny Filohany MAMONJISOA RABARIARIVO Tsirinala, Mpitandrina.  

Ny tanjon’izao fampiofanana izao, ny fampiorenana sy fampirisihana ny Diakona sy Loholona amin’ny asa fanompoana izay nekeny sy noraisiny, ho fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra.

Nialohavana fotoam-pivavahana ny fiofanana, ka nitarika izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Filohan’ny FJKM. Nataon’ny lasitra niangana ny Soratra Masina ao amin’ny 1 Tim 3/1-13  manao hoe : « Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo tœrana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa. », ka nanambarany fa mila Diakona MAHAVATRA ny Tompo amin’ny fanatanterahana ny asany. Nohazavainy tamin’ny mpiofana ny fanalavana sy ny hevin’ny teny hoe : “MAHAVATRA”, ka toy izao izany : MA (Marina amin’ny finoana) + HA (Havanana amin’ny fanompoana) + VA (Vanona amin’ny fanambadiana) + TRA (Trano fanahy amin’ny fahasahiana).

            Nanao ny fampiofanany ihany koa avy eo, ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ka ny Soratra Masina ao amin’ny Lioka 5. 4b manao hoe : « … dia hoy Izy tamin’i Simona: “Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano”. » no nataony fototra niorenan’ny fampianarany ka nilazany fa : Hitan’i Jesoa Kristy ny mpianany fa niasa fatratra nefa tsy nahomby, koa dia nomeny vahaolana mba hahombiazany ka ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny teny izay nolazainy no isitrahana mivantana izany fahombiazana izany. Nambara tamin’izany fa izay mankato ny sitrapon’Andriamanitra dia hahazo vokatra tsara eo amin’ny fiainany.

            Nitondra ny anjara-birikiny tamin’ny fanofanana ireo Diakona sy Loholona torak’izany ihany koa ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana FJKM, ka nampitainy tamin’ireo mpiofana ny hananana fiainana modely, ho tsara halain’ny hafa tahaka. Ilaina ny hananana toetra mendrika ny fiantsoan’Andriamanitra ary koa, hanana toe-panahy matanjaka, ho entina hiatrika taom-piasana efa-taona vaovao sy ny hazotoana hatrany amin’ny fiainam-panompoana izay nekena teo imason’Andriamanitra sy ny olona. Nataony lafika niaingana tamin’izany fampianarana izany ny Soratra Masina voasoratra ao amin’ny Titosy 3:1-11 manao hoe : « Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,  tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.  Fa isika koa dia adala fahiny, …  Izay mpanao hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,  satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa. » ka nitarihany ny mpiofana, hahay handinin-tena tsara ary hahatsiaro sy hitadidy ihany koa, izay tsy maintsy atao eo amin’ny asa fanompoana. Nambarany fa mila mahatsapa ihany koa ny mpino, hoe toa inona ny toe-piainany taloha tamin’izy lavitra an’Andriamanitra. Ankehitriny kosa anefa dia mitodi-doha any amin’ny Mpamonjy. Mila tsarovana hatrany izay vitan’Andriamanitra tamin’ny tena ary ilaina ny mieritreritra ny sitrapony sady mandinika hatrany izay asa fanompoana andrasany tokony ho tanterahintsika olony.

Taorian’izay, ny Filohan’ny ARM-FJKM, dia nampahatsiahy fa ny ARM-FJKM dia fomba fiasa fa tsy rafitra ary neken’ny Birao Foibe FJKM ny fisiany tamin’ny Alatsinainy 20 Mey 1985, mba hahamora ny fiaraha-mientan’ny mpino kristiana ao amin’ny Fitandremana rehetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina, amin’izay adidy itadiavana herivelona. Manana ny fitsipika fototra ny ARM-FJKM izay nohavaozina tamin’ny Janoary 2016 ka ny Filohan’ny FJKM sy ny Sekretera Jeneraly FJKM niaraka tamin’ny Prezida Synodaly efatra trano eto Antananarivo Renivohitra no nivory niaraka tamin’ny biraon’ny ARM-FJKM, namolavola izany ka nankatoavin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM ny fitsipika rehefa voavolavola.   

            Marihina, fa feno hipoka tanteraka ny kianja Antsahamanitra tamin’io fiofanana io, ary tomefy olona nitsangana hatrany amin’ny vavahady fidirana rehetra. Nisy ny boky mikasika ny fiofanana izay nojifain’ny mpiofana tamin’izany ary tsy naharaka ihany koa fa vetivety dia lany tanteraka, nohon’ny hamaroan’ny olona.

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV