Antso ho TONIA STK
FILATSAHANA HO TONIA STK FOIBE
Ny Birao STK Foibe FJKM dia manao izao antso izao ho an’izay maniry sy manam-pikasana ny hirotsaka ho Tonian’ny Sampana Tanora Kristiana ho amin’ny taom-piasana 2020 – 2023. Ny fifidianana dia atao amin’ny fivorian’ny ZAIKABE faha 14 any Fianarantsoa ny volana Oktobra ho avy izao.Toy izao ny fepetra ho amin’ny filatsahana ho Tonian’ny STK araka ny voalazan’ny Fitsipika anatiny, STK FJKM
Ny olona milatsaka ho fidina Tonian’ny STK dia lehilahy na vehivavy Mpitandrina na tsy Mpitandrina ka tsy hihoatra ny 50 taona amin’ny fotoam-pifidianana ary mahafeno ireto fepetra ireto:
- Raha Mpitandrina :
- Nivoaka tamin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina FJKM (Kolejy na Faculté);
- Nitondra Fiangonana nandritry ny dimy (05) taona raha kely indrindra, ary efa voatokana;
- Mahafehy tsara ny Tenim-pirenena vahiny iray farafahakeliny;
- Salama vatana sy saina
- Atolotry ny STK Synodamparitany sy ny Synodamparitany Reniny.
- Raha tsy Mpitandrina :
- Manana marim-pahaizana Baccalauréat raha kely indrindra;
- Tomponandraikitra STK FJKM nandritry ny efatra taona (taom-piasana iray) raha kely indrindra ary mahafantatra tsara ny rafitra FJKM;
- Salama vatana sy saina ary fanahy;
- Mahafehy tsara ny tenim-pirenena vahiny iray fara-fahakeliny;
- Raha manam-bady dia misy ny faneken’ny vady;
- Atolotry ny Fitandremana misy azy.
Koa ny taratasy rehetra izay voalaza etsy ambony dia ampiarahina amin’ny taratasy momba anao misy sary (CV) dia aterina mivantana aty amin’ny Varavarana 511 Foibe FJKM Analakely na alefa paositra amin’ny anaran’Andriamatoa ANDRIAMALALA Solomon Jean Denis,Mpitandrina Filoha STK Foibe FJKM, BP 623 Analakely ; farafahatarany ny 30 Septambra 2019.
Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.
Amin’ny anaran’ny Birao STK Foibe
Ny Filoha Ny Mpitantsoratra
ANDRIAMALALA Solomon, Mpitandrina HERITIANA Antonélie Elisah