Alarobia 12 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 16.1-15

Zava-baovao 3 no hitantsika eto:

1-Fandrarana vaovao :

Tena mahagaga antsika ny mamaky hoe: « noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory teny  » (and 6) sy « tsy navelan’ ny Fanahin’i Jesoa handeha » hitory tany Bytinia ry i Paoly . Olona handeha hanao tafika masina ve dia horarana ? Eny , izany no mampianatra antsika fa ny Fanahy Masina no lehiben’ny tafika masina . Mahay mankato Azy ve isika ?

2-Toerana vaovao

Ity fiampitana nanakany Makedonia ity (and10) no nanamarika ny fidiaran’ny Filazantsara tany Eropa izay nanjary foiben’ny fiangonana kristiana taty aoriana . Tena fiitaran’ny ambaindain’ny Filazantsara izany ;

3-Olona vaovao

Olona vaovao roa no hitantsika eto , dia i Timoty (and1-3) sy i Lydia (and14-15). I Timoty dia fantatsika amin’ ny fisian’ny Epistily roa nosoratan’i Paoly ho azy , fa tonga mpiara-miasa akaiky tamin’i Paoly ary lasa mpitondra fiangonana mihitsy aza. I Lydia indray dia voalaza hoe: « ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny » (and14) ary dia nahazo ny satroboninahitry ny vehivavy Eropeana kristiana voalohany . Ary mahafaly fa tsy izy irery fa izy sy ny ankohonany (and15).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV