SP Boina vaovao/ Fivoriambe

NANATANTERAKA NY FIVORIAM-BE VOALOHANY

Notanterahina tao Mahajanga ny fivoriam-be I ny Synodamparitany Boina Vaovao ny 17-18-19 May 2019 izay notanterahina tao amin’ny FJKM Mahajanga Boina Vaovao.

Nisy ny vela-kevitra sy fampianarana nataon’ny Prezida Synodaly sy ireo Mpitandrina , izay mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Fadio ny fanao ratsy rehetra ». Maro ireo  kristiana nanatrika izany avy  amin’ny faritra 4 ao anatin’ny SP BOINA Vaovao : Toy ny faritra Mahajanga, Mitsinjo, Marovoay, Ambato Boeny. Ny Zoma atoandro no fanokafana, ny hariva dia fampisehoana nataon’ny tarika Christophe Ratrema ho fanohanana ny Jobily faha-25 taonan’ny Prezida Synodaly Atoa RAKOTOMALALA Jean Olivier. Ny Sabotsy kosa dia nisy ny fankasitrahana an’Atoa Barson Claude RAFELANA, Mpitandrina mivady noho ny nitantanany ny SEFALA-SP tao anatin’ny 15 taona sy Atoa Toris Paul, Katesista Delege noho ny naha Katekista .Delege sy nisahanany ny maha mpandinibolan’ny Synodamparitany azy.

Ny alahady  kosa dia famaranana ka fotoam-pivavahana tao amin’ny Stade Complexe Sportive Mahajanga no nanaovana izany. Ny fiangonana rehetra tao an-tampon-tanànan’ i Mahajanga dia nikatona avokoa. Filaharam-be notarihan’ireo Mpitandrina sy Diakona ary ireo Mpianatra avy ao amin’ny Sekoly FJKM, niainga tao amin’ny Foiben’ny SP Mangarivotra no natao. Olo-manan-kaja maro no nanatrika izany toa an’ Atoa ANDRIAMAMONJISOA George, Filoha Mpanampy Laika Foibe sy ireo solontenam-panjakana toy ny Prefektioran’i Mahajanga. Nisy ny fandraisan-tanana ireo mpiasa vaovao teo anivon’ny SP, ny fanolorana certificat ireo katekista nivoaka tao amin’ny SEFALA, fanolorana Delegasiona Pastoraly ary ny fandraisan-tanana ireo Birao vaovaon’ny Sampana sy Sampanasa teo anivon’ny SP.

Ny fotoam-bavaka dia nofaranana tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny sakafom-pifaliana tao amin’ny Lycée Ziona Vaovao.

Evariste RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV