SP 19/ PS sy SP 10 Taona

Synodamparitany Iarivo Avaradrano (19)

Fahafolo taona niaraha-niasa tamin’ny P. S mianakavy
 

Fotoan-dehibe  roa sosona no natao tamin’ny Sabotsy 26 Mey 2019 teo dia ny fanamarihana ny faha 10- taonan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Prezida Synodaly RABETOKOTANY Miarilaza Andriamialy Mpitandrina sy ny ankohonany niaraka tamin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano no sady andron’ny Prezida Synodaly. 
Nisy filaharambe nialoha ny fanompoam-pivavahana natao tao amin’ny FJKM AVARATSENA FANANTENANA Talata ny Volonondry.  Nitarika ny fotoana tamin’izany Atoa RAMAMONJISOA Philbert  Mpitandrina Filoha Mpanampy Synodamparitany ary ny nitondra ny Tenin’ Andriamanitra kosa dia Atoa RADIMISAON Jonah Mpitandrina, Sekretera jeneralin’ny FJKM, ny teny faneva ny fankalazana no nangalana ny hafatra hoe:  » Izaho, Jehovah efa niantso anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tananao ary hiaro anao Aho ho fanekena  ho an’ny olona, ho fanazavana ny jentilisa » Isaia 42 : 6
Miantso olona ny Tompo, hoy izy, ary miahy izay irahiny, ataony izany  ho fahazavan’ izao tontolo izao. 
Nisy fandraisam-pitenenana maro samihafa ho fisaorana an’ Andriamanitra sy ho fampahatsiahivana ny zava-bita tao anatin’ny 10 taona dia Izay nahafaly sy ireo olana nanahirana ihany koa. Nisy ny fanomezana nomen’ny SPIA tamin’izany, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana. Nivoaka tamin’io koa ny boky misy ny tantaram-piainan’ny PS.

Santatra Fahazavana

Veronica

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025