Masera MAMRE FJKM

FANTATRAO VE HOE MANANA  MASERA NY  FJKM ?

Firy amin’ny mpino ato amin’ny FJKM moa no mahafantatra fa misy masera ato aminy? Raha natao ny fanadihadiana dia tsapa fa vitsy dia vitsy no hany mahalala sy mahafantatra izany, koa maika fa raha ireo mpino hafa no ametrahana ny fanontaniana dia ho tsy mahafantatra ny fisian’izany izy ireo. Noho izany antony izany dia ampahafantarina antsika fa manana masera isika.

NY FIANDOHANY :

Ny taona1988 no  nandraisan’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, ny fiaraha-miaina amim-bavaka MAMRE, ho endrika anehoan’ny Fiangonana ny fanompoan’ny Vehivavy manokan-tena ho an’ny Tompo. Ilay fitiavana feno  tao amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanoloran-tena feno sy tanteraka hatramin’ny farany, amin’ny alalan’ny tsy fanambadiana sy ny fiaraha-miaina no zava-kendrena sy iainan’ireo Masera FJKM ao amin’ny MAMRE. Feno 26 taona izao ny MAMRE. Talohan’izany dia efa nisy ny atao hoe FAZA, FAnolokoloana ny Antso ho an’ny ZAzavavy, niaraka tamin-dRtoa Marie Homburger, Misionera naharitra ela teto amintsika, izay nahita tamin’ny fitsidiham-paritany sy fanofanana nataony fa maro ireo zazavavy voantson’ny Tompo ka maniry hanolo-tena ho Azy. Nojeren’ny FJKM manokana izany ka niara-niasa tamin-dRtoa Marie Homburger, nandinika ny amin’izay hanolokoloana ny antso ho an’ny Zazavavy izany ny Mpitandrina : Atoa ZAKARIASY Albert sy Atoa RAKOTOSAONA tamin’ny fotoanandro. Nanomboka ny fiaraha-miaina tao Imarivolanitra Rtoa Marie sy ireo zazavavy vitsivitsy. Efa nifandray tamin’ny Masera Protestanta tany Grandchamp (Suisse) ny FAZA hatramin’ny voalohany. Nifindra tao Ambavahadimitafo ny FAZA tamin’ny taona 1979. Avy tamin’ny FAZA no nipoiran’ny MAMRE.

NAHOANA NO MAMRE NO ANARAN’IZY IREO?

Tsy fanafohezan-teny akory ny hoe MAMRE fa ilay toerana nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama tamin’ny endriky ny anjely, araka izay voalazan’ny Genesisy toko faha-18. Misy dingam-piainana tsy maintsy lalovana raha te-hiditra ho mpiara-miaina ao amin’ny MAMRE FJKM vao tonga amin’ny fanokanana ho Masera .

INONA NO ATAO RAHA MANAM-PANIRIANA HO MASERA ?

Misy dingana vitsivitsy ireto izay tsy maintsy arahina raha misy antson’Andriamanitra tonga amin’ireo manam-paniriana amin’izany.

1• Mijery ny fiaraha-miaina mandritra ny volana vitsivitsy aloha (regardante) dia avy eo alefa  mody mandini-tena na tena vonona na tsia, etsy ankilany kosa ny Masera dia mandinika  ny momba azy.

2• Maniry hiara-miaina ka miverina manohy izany (aspirante), raha tapa-kevitra.

3• Mirotsaka bebe kokoa mandray anjara ao amin’ny fiaraha-miaina (postulante).

4• Mizatra amin’ny fiaraha-miaina sady zahan-toetra amin’izany (novice). Tsy misy fe-potoana voafetra amin’ireo dingana tsirairay ireo fa miankina amin’ny tsirairay izany. Aorian’izany vao azo atokana ho Masera ny olona iray ka manao ireto voady telo ireto, izay omena antsika amin’ny laharan’ny gazety manaraka. (Hitohy)

Nanangona, Evariste RASOLOHERY, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV