Hetsika lehibe F5 /Antso

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2Tim. 1 : 8a)

Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Foibe FJKM dia miantso anareo Filoha sy ny Biraon’ny Sampana isam- pitandremana mba hivory ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Talata 23 Aprily ka hatramin’ny Zoma 26 aprily 2019 amin’ny 12 ora sy sasany ka hatramin’ny 1 ora sy sasany ho fiomanana ny fanofanana ho amin’ny Hetsika Lehibe F.5 izay hatao ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Sabotsy 01 Jona 2019 tontolo andro. Toy izao ireo fandaharampotoan’ny Sampana :

  • S.T.K. sy SAMPATI : Talata 23 aprily 2019
  • S.F.L. sy S.L.K.         : Alarobia 24 aprily 2019
  • Dorkasy sy SAFIF    : Alakamisy 25 aprily 2019
  • S.V.M. sy S.A.          : Zoma 26 aprily 2019

Ho an’ny MISIONERA kosa dia ny Alatsinainy 13 Mey sy ny Alahady 26 Mey 2019 amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora ao amin’ny FJKM Ambatomena.

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana

RAKOTONIRAINY Jaona, Mpitandrina.

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina