Sekoly / fanokafana 200 T

TSIROANOMANDIDY

FANOKAFANA NY FAHA-200 TAONA

NY SEKOLY PROTESTANTA FJKM

Taorian’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-50 taonan’ny FJKM  sy faha-200 taona nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara, ny taona 2018 iny ; dia ity taona 2019 ity kosa no hankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ny sekoly Protestanta FJKM. Araka ny fandaharam-potoana dia ny talata, 26 martsa 2019 no nanokafana izany, izay natao tany Tsiroanomandidy SP 34. Nosafidiana manokana i Tsiroanomandidy satria anjarany no mandray ny andron’ny sekoly FJKM amin’ity taona ity. Araka izany dia fotoan-dehibe roa sosona no natao tany Tsiroanomandidy, dia ny fanokafana ny taon-jobily sy ny andron’ny sekoly FJKM.

Rehefa avy namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy tamin’ny filaharam-be ny fianakaviamben’ny Sekoly Protestanta FJKM, izay niainga tao amin’ny lycée FJKM Sewell, dia namantana tao amin’ny Kianja kaominaly fanaovam-baolina. Voasolo tena avokoa ireo FPMP rehetra manerana an’ i Madagasikara. Nitarika ny fotoam-pivavahana Andriamatoa RAJAONERA Rodin, Mpitandrina, Prezida Synodaly Tsiroanomandidy. Nitondra ny hafatra avy amin’ny Soratra masina izay nalaina tao amin’ny teny faneva araka  ny Jakoba 5/7 , ny Filohan’ny FJKM Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny Mpiandraikitra foibe FJKM. Misy hafatra telo ho fiatrehana izao faha-200 taona izao araka ny nambarany :

1-Tsy maintsy averina ny fitsipi-pifehezana (discipline) eo amin’ny sekoly FJKM rehetra manerana ny nosy.

2-Famporisihana ny Kristiana FJKM ny amin’ny fiaraha-miombona ho famitana ny tsangambato izay atao any Imerimandroso -Alaotra , ho ivom-pampiofanana Mpampianatra sy mpanabe.

3-Fampaherezana ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana sy ny firenena mba samy handray ny andraikiny satria asa vadi-drano io ka tsy vita raha tsy ifanakonana. Hoy ny Filohan’ny FJKM.

Ankoatr’izay dia nafonja dia nafonja ny hafatra izay nampitain’ny Filohan’ny FJKM tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpanabe sy ny raiamandreny tany an-toerana, tamin’ny toriteny niainga tamin’ny teny faneva, araka ny Jakoba 5:7 manao hoe “MAHARETA TSARA….MANDRAM-PIHAVIAN’NY TOMPO”

Nizara roa lehibe izany toriteny izany:

I-“MANDRAM-PIHAVIAN’NY TOMPO”

Misy hafatra telo nampitany:

a) Manana Tompo isika,  b) Jesoa Kristy no Tompontsika, d) Ho avy ny Tompontsika.

II-MANDRAM-PIHAVIANY, INONA NO TOKONY ATAONTSIKA ? Misy zavatra telo koa tokony ataontsika:

  • Miorena tsara, b) Miasà tsara, d) Miareta tsara.

« Ny Fanahy Masina anie hanoratra izany ao am-pontsika », hoy izy.

Ankoatra izay dia  nisy ny fanamarihana ny Andron’ny Sekoly FJKM izay natao tany an-toerana. Nisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy  ara-kolotoraly nandraisan’ireo FPMP anjara. Nisy ny valisoa natolotra ireo mendrika tamin’izany fifaninanana izany. Ny Alakamisy, 28 Martsa 2019 kosa no nanaovana fanompoam-pivavahana ho famaranana, tao amin’ny FJKM Ziona Tsiroanomandidy. Tao anatin’ny asa vavolombelona no nanolorana Mariboninahitra sy Medaly ho an’ireo Mpampianatra sy Tale ary mpanabe teo anivon’ny Sekoly FJKM. Tsy nohadinoina fa notolorana mari-pankasitrahana ny Sekoly tao an-toerana, ny Synodamparitany faha-34, ny Mpitandrina sy ireo olona tsara sitrapo tamin’ny fampiantranoana.

Izay no namarana ny andron’ny sekoly FJKM tany Tsiroanomandidy, fa ny ivony dia atao any Fianarantsoa ary ny famaranana kosa dia eto Antananarivo.

Evariste RASOLOHERY, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV