Alarobia 20 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 15.9-24

Takila maloka ila ity novakintsika ity:

1-Etsy andaniny :

Maharavo ny fandehanan’i Asa tamin’izay mahitsy teo imason’ny Tompo. Taorian’ireo tantara mahamenatra tamin’i Solomona sy i Rehoboama ary i Abia dia tena mahafaly ny mamaky ireo and 11-13. Ny tenan’i Asa nanao ny tsara , ny olona nanao ratsy nofaiziny , ny sampin-drainy nariany . Ary mahavariana , na ny reniny aza sahiny naetry tsy ho andriambavy satria efa nanao sampy. Hafanampo maha-te-hidera izany . Ary moa tsy mba irintsika ny holazaina toa azy koa hoe: « mahitsy teo imason’i Jehovah ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany » (and 24) .

2-Tetsy ankilany :

Mampalahelo ny fifanarahany tamin’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria. Mampalahelo ny mamaky hoe: « Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy tamin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ny mpanompony , ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’i Beni-hadada » (and 18) . Ary izany dia noho ny tahotra an’i Basa, mpanjakan’Israely izay namely azy. Ianao koa ve mba alaim-panahy hitady fiarovana hafa toy izany rehefa poritra noho ny ataon’ny fahavalo ka na dia ny fanaka masina aza dia afoy ho azy ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV