Alahady 31 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 20.13-30

Inona no nitranga rehefa nandà i Ahaba ?

1- Tonga hanafika azy i Beni-hadada .

Rehefa tsy manaiky hofehezin’ny ratsy isika na olona io na satana mihitsy , dia tsarovy fa tsy hipetra-potsiny akory izy fa ho tonga hamely antsika . Fanapahankevitra tsara ny hanohitra ny ratsy , saingy tsy azo adinoina fa fanapahankevitra mitaky herim-po lehibe hiatrika ady indrindra koa izany .

2-Niomana hifanandrina aminy i Ahaba.

Tsy tokony hatahotra ny ratsy isika ka hiamboho tafika . Teto dia naniraka mpaminany ny Tompo hampahery an’i Ahaba , nilaza fa homen’ny Tompo fandresena izy . Famindrampo lehibe izao ataon’ny Tompo izao Ary ny antony dia nolazainy mazava tsara hoe: »dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah« (and 13,28) .

3-Niverina nanafika indray i Beni-hadada.

Tsy kivin’ny faharesena tamin’ny voalohany izy fa mbola tonga indray , herintaona aty aoriana. Tadidio izany fikirizan’ny fahavalo izany , raha alaim-panahy ho kivikivy foana ianao. Mitaky fahatantesana lazonady ny finoana . Resy indray anefa i Beni-hadada satria diso hevitra izy raha nihevitra fa Andriamanitry ny havoana ihany ny Tompo . Tandremo fa ny hevi-diso hanoherana ny tetikadintsika dia hitarika ho any amin’ny faharesena hatrany . Mahaiza isika miantehitra amin’ny Tompo fa « an’i Jehovah ny ady » (1 Sam 17.47).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

SP 11 / SAMPATI

FIANGONAN’ I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSIMO

SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

“ Aoka hirehitra ny jironareo”(Lio.12:35)

“hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”(Mat.5:14)

Fampahatsiahivana, fifaninanana ...

Araka ny diarin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo dia ho tanterahina ny Sabotsy 13 Aprily 2019 ho avy izao ny “ FIOFANANA KOMITIMPIVONDRONANA”  eny amin’ny FJKM Morarano Fiderana tontolo andro  manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina. Koa ireo tompon’andraikitra voafidy  no manatrika izany miaraka amin’ny mpiandraikitra rehetra. Ny saram-piofanana 10000 ar / fit

Ho fiatrehana ireo fifaninanana samihafa izay ho tanterahin’ny Foibe Sampati any amin’ny FIHAONAMBE volana Oktobta 2019 dia hifanintsana amin’ireo taranja samihafa isika aty amin’ny Synodamparitany koa ireto no handraisantsika anjara sy ny fepetra avy:

  • Soratra masina: mpifaninana : fitandremana  sampati mijoro tsara (manana karatra Sampati: Ar 700/ olonai, nahefa adidy : Rakitra Foibe sy Adidy Synodamparitany),  ahitana solontena isan-tsampana (mavo, maitso, mena, menafify, Kp, mahaloa saram-pilasiana Ar 1000/ olona..

                                Hifaninanana :  bokin’I Matio manontolo : mikasika ny fahafantarana ny boky , fahaizana tsianjery toko sy andininy, fanazavana ny Mat.5:14,  Fahalalana ankapobeny mahakasika ny Bianco

  • Vakodrazana:  dihy Malagasy foronina, hira Malagasy foronina, hiraina (mampalaza ny faritry  ny synodamparitany Antananarivo Atsimo dia ny fambolena , fiompiana, fizahantany)
  • Fanatanjahan-tena : Pétanque : mpandray anjara:  sampana mena, menafify, Mpiandraikitra Tily, ekipa iray isam-pivondronana (olona 4

                                               basket mixte: mpandray anjara:  Mpanazava maitso sy Tily Maitso no miakatra mandrafitra ho  ekipa: 12 (3 lahy 2 vavy sur terrain), arbitre:  mpiandraikitra

                                               foot à 11 : mpandray anjara:  Tily Maitso, Tily mena;  mandrafitra ny ekipa 20,  arbitre:  Mpiandraikitra

                                             Scouting ball : mpandray anjara:  voronkely sy lovitao, mandrafitra ny   ekipa 15, arbitre:  mpiandraikitra Marihana fa samy miantoka ny fanamiana mitovy ny isam-pitandremana

Mahazo fampitandremana izay tsy manaja ny  fitsipikin’ny fikambanana

Tiana mandrakariva ry Havana ny mampatsiahy antsika ihany koa ireto zavatra ireto : adidy Synodamparitany Sampati, mofomamy ho an’ny Dada, rakitra Foibe Sampati, billet  sakafo Mana Soa Foibe Sampati, fanomezana fitaovana na sakafo ho an’ny Mana soa Foibe Sampati, valopy jobily Sampati Foibe( 25è).

Eto am-pamaranana , dia mampahery antsika amin’ny fifanohanana indrindra am-bavaka amin’ny asa fa sarotra no mafy ny fanabeazana koa mirary soa sy mametraka ny mandrampihaona indray, tononina ho anareo ny fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Amin’ny anaran’ny Birao.

Ny Prezida Synodaly       


RABELISON Manassé, Mpitandrina                                                       

Ny Filoha

RAKOTONJANAHARY Vololoniaina

Sabotsy 30 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 20.1-12

Na dia efa vita aza ny fanapahankevitry ny Tompo ny amin’izay hasolo an’i Ahaba sy i Beni-hadada dia mbola manohy ny asany ihany aloha izy ireo :

1-I Beni-hadada mihevi-tena ho mahery.

Tonga manjakazaka amin’Israely izy ka mihambo ho tompon’ny haren’ny mpanjakan’Israely mbamin’ny vadiny aman-janany aza. I satana koa dia tsy menatra mihitsy nihambo teo anatrehan’i Jesoa nanao hoe: « Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny , fa efa natolotra ahy izany , ka izay tiako no homeko azy » (Lio 4.6). Raha tsy mitandrina isika dia hangalatra ny harentsika rehetra izy .

2-I Ahaba te-hilomano amin’ny fifandraisana aminy .

Amin’ny lafiny iray dia mahatsiaro ho malemy noho i Beni-hadada i Ahaba, ka raha naniraka voalohany i Beni-hadada dia tsy naneho fanonerana izy , na kely aza . Fa nony tonga kosa fanindroany ka tena hoe: haka izay tiany ny irak’i Beni-hadada , izay izy vao taitra ary namory ieo loholona. Toy ny nataon’i Ahaba dia mety halaim-panahy hitady marimaritra iraisana amin’i satana isika. Tsy hanaiky anefa izy raha tsy babony mihitsy ny fiainantsika manontolo . Ny tenin’ireo loholona dia marina amintsika koa : »Aza manaiky » . Hoy i Petera raha milaza ny amin’ny devoly izy : « tohero izy » (1 Pet 5.9). Ary raha mahatsiaro malemy isika , matokia an’i Jesoa , Ilay « mahery » lazain’ny fanoharana(Lio 11.22).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Zoma 29 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 19.11-21

Mahatalanjona ny fomba fiasan’ Andriamanitra

1-Nampitony ny mpanompony izy. Ilay Elia nirehidrehitra te-hahita ny fiovam-pon’Israely sy ry Ahaba , kanjo diso fanantenana ka nangataka ho faty , injao notoneny tamin’ny feo nitsoka malefaka . Mbola nanontaniany indray izy ary afaka nandoatra ny tao am-pony . Endrey izany fitiavan’ny Tompo ny mpanompony . Ianao koa, rehefa tojo adim-panahy , tsarovy fa tian’ny Tompo ny mihaino anao . Borahy Aminy mba hitsenany anao aminn’y fiadanany.

2-Nomeny iraka vaovao hotanterahiny izy. Hitan’ny Tompo ny fahamarinan’ny fitiavan’i Elia Azy. Ianao ve mba afaka miteny toa azy hoe: « nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’i jehovah  » (an14) . Dia nasehony azy fa mbola mametraka ny fitokisany aminy izy. Toy ny miteny ny Tompo hoe: »mbola ilaiko ianao , mitsangàna » . Tenin’ny Tompo aminao koa izany rehefa mahatsiaro drodroka ianao eo amin’ny asany . Dia nahitsiny izy : i Elia nihevitra hoe: »izy irery » sisa no tia ny Tompo . NyTompo kosa nilaza fa mbola misy 7000 lahy . Maneke hahitsin’ny Tompo .

3-Nandeha tsy nisy hataka andro i Elia . Dia lasa izy raha vao nahazo baiko na dia iraka saropady indray aza no nomena hataony , hanosotra ny mpanjakan’i Syria , ny mpanjakan’Israely ary ny mpaminany handimby azy . I Elia no vaolohany hitany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alakamisy 28 Martsa 2019.

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 19.1-10

Taorian’ilay nambarantsika ho fandresena miezinezina , inona no niseho?

1-Romotra ny fahavalo. Nampaniraka  tany amin’I Elia I Jezebela fa hampamono azy . Tsy azontsika  adinoina izany . Aorian’ny asa lehibe ampanaovin’ny Tompo antsika , rehefa avy namely ny fahavalo isika dia hamaly bontana izy . Aoka hiambina lalandava .

2-Nitsoaka i Elia .Lasa nandositra izy.Mampahatsiaro antsika ny hafatr’I Jesoa tamin’ny mpianany ao amin’ny Matio 10.23 izany . Eny ,tsy voatery hifanandrina hatrany amin’ny fahavalo mantsy isika .

3-Kivy i Elia . Mahavariana ny mahita hoe: lehilahy mahery, sahy nifanandrina tamin’ny 450 lahy  ary nandresy .; Izao indray , mamoy fo mangataka ny ho faty izao. Taorian’ny zava-nitranga nanampo angamba I Elia fa mba hibebaka I Ahaba  sy ny vadiny .Saingy , inona no mba notantarain’I Ahaba tamin’ny vadiny :  tsy ny fandresen’ny Tompo , Ilay Andriamanitra marina namaly tamin’ny afo, fa inona?“izay rehetra  nataon’I Elia dia ny namonoany ny mpaminany rehetra  tamin’ny sabatra” (and 1). Tsy navelan’ny Tompo ho resin’ny hakiviana anefa I Elia , nanohana azy tamin’ny sakafo mahagaga izy mba hahafahany mandeha  40 andro sy 40 alina be izao.

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra”Boky faha 3

STK / 45 Taona

Fanasana

« Fa ianao kosa doa mahareta amin’izay zavatra nianarabao sy nampinoana anao » 2 Tim 3.14a

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy  eto Madagasikara , ny Sampana Tanora Kristiana Foibe FJKM , Ny Komity fankalazana ny faha- 45 Taona 

Dia faly

 manasa antsika amin’ny Fanompoampivavahana ho fanokafana ny faha- 45 Taonan’ny STK / FJKM  ny  Sabotsy  06 Aprily 2019 ao amin’ny lapan’ny KOLOTSAINA sy FANATANJAHANTENA Mahamasina .

Fandaharampotoana :

-9ora sy sasany :Fanompoampivavahana

-12 ora : Hira FIDERANA miaraka aminn’y STK sy ireo Groupe Evangelique

-3ora : Rindran-kira lehibe iarahana amin’i Bodo sy Rija Ramanantoanina

 Ny valopy fidirana azonareo alaina ao @ Birao STK Foibe varavarana 511 – Analakely- hiara-hiombona isika ho fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo Jesoa

«  Ry tanora vavolombelona o! mahareta! »

RAJAONARIVLEO Onifinaritra
Secrétaire Exécutif 
STK FJKM
+261 33 02 482 42 / +261 34 02 482 42

Hafatry ny CWM / Albinisma

HAFATRA HO AN’NY MPIKAMBANA AO AMIN’NY CWM

FILAZANA MOMBA NY HERISETRA MAMOAFADY

ATAO AMIN’NY OLONA MITONDRA NY ARETINA ALBINISMA

Ny mpandray anjara tamin’ny Fihaonambe Iraisam-pirenenan’ny Council for World Mission (CWM) izay notanterahana tao Blantyre, Malawi, tamin’ny 19 ka hatramin’ny 21 Febroary 2019 dia tena sahiran-tsaina lalina raha naheno momba ireo fombafomba famonoana ny olona mitondra ny aretina « albinisme »(olon-pizza), mifototra amin’ny finoanoam-poana hoe mitondra harena sy vintana tsara ireo olon-pizza ireo. Araka ny fanazavana tao Malawi dia nahitana fiakarana be loatra ireny famonoana mahatsiravina ireny hatramin’ny taona 2014, ary mampiaiky fa zava-manahirana manerana ny Faritra iasan’ny SADEC aty amin’ny Afovoan-tanin’i Afrika izany toe-javatra izany.

Manamafy am-pinoana izahay fa ny olombelona tsirairay dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra ary noho izany dia manana fahamasinana sy fahamendrehana. Ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona, toko 10, andininy 10, i Jesoa dia manoritsoritra ny asa nanirahana Azy mba hitondra ny fiainana amin’ny zavaboary rehetra amin’ny fahafenoany tanteraka. Ny fanaovana lasibatra sy fanimbazimbana vondron’olona iray dia fandavana ny maha-olona azy sy ny fanaovana tsinontsinona ny olombelona rehetra. Tena Mandroba ny fiananantsika tanteraka izany. Noho izany, manameloka amin’ny fomba hentitra indrindra isika ny famonoana ny olona izay mitondra ny aretina albinisma ary tohina amin’ny finoanoam-poana izay mitarika ho amin’ny famonoana.

• Maneho ny hatezerana sy ny alahelo izahay fa mbola mitohy ny habibiana manoloana azy ireo ary mbola tsy voavaha ny ankamaroan’ny olana hatramin’ny nitaterana azy tany Malawi tamin’ny taona 2014.

• Manentana ny governemantan’i Malawi izahay mba handray fepetra haingana sy hentitra hiantohana sy hiarovana ny olona mitondra ny aretina albinisma sy ny fianakaviany, hanafoana ny herisetra atao amin’ny PWA, ary hitondra ny tompon’andraikitra amin’ireo heloka ireo amin’ny fitsarana. Mampahafantatra ity raharaha ity amin’ny mpitondra fanjakana manerana ny Faritra miara-miasa amin’ny SADEC isika fa mety hihitatra hahatratra ny faritra hafa izy ity. Miangavy ireo governemanta ireo isika mba hiaro ny PWA fa izy ireo dia olom-pirenena manana zo hilamina sy ho afaka hampihatra ny zony amin’ny fiainana sy ny fahamendrehana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy.

• Mandrisika ny Fiangonana ao Malawi ary manerana ny Faritra miara-miasa izahay SADEC hanohy hampiasa ireo sehatra sy loharanom-baovao hanamafisana ny fahamasinan’ny aina sy hanamafisany ny fanamelohana an’ireny habibiana ireny, manohana ny vondrom-piarahamonina amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny PWA sy ny mponina rehetra, ary hiantso ny governemanta any aminy ny sampan-draharaham-piarovana hamaly haingana sy hamarana ny krizy.

• Miantso ny vondrom-piarahamonina rehetra hiara-hiasa ho fiarovana sy fitandremana ireo PWA ireo eny amin’ny misy azy. Mankasitraka ny hetsika miavaka nataon’ ireo vondrom-piarahamonina sasantsasany izay nanavotra ny albinista tamin’ny fakàna an-keriny sy ny fahafatesana sasany tamin’ny alàlan’ny fitandremana sy fahasahiana ary ny fanahy mendrika (Ubuntu).

• Manentana ireo mpilaza vaovao sy mpanao gazety tsy miankina mba hanaparitaka ny fisian’izao krizy izao, ary mampirisika azy ireo mba hanohy ny fampahalalana ny be sy ny maro ny zava-misy mba hahazoany antoka fa ny aina very rehetra na ny tandindonin-doza dia voaisa sy misy dikany.

PWA : Persons with albinism (olona mitondra ny aretina albinisma)

Counsil for World Mission LTD

114 Lavender Street, # 12-01 CT Hub 2, Singapore 338729

Fampianarandiso !

FAMPIANARANA SADASADA

Tsy zavatra vaovao teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fiatrehana fampianaran-diso, fa tany amin’ny Testamenta taloha aza dia efa nisy izany. Ary raha vao niorina ny Fiangonana voalohany dia izany no anisan’ny olana natrehany. Izany no nahatonga an’i Petera milaza hoe « Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany.» (2 Petera 2:1). Izany no antony nahateraka ireny fanekem-pinoana samihafa ireny.

Imasoan’ireny mpanao fampianaran-diso ireny ny mitaona ny olona ho any aminy, hanaraka ny fampianarany, hiala amin’ny Fiangonana. Izany no antsoin’ny maro amin’ny hoe “manjono anaty koveta”

Andeha ary hojerena akaiky ny momba ny fampianaran-diso, sy ireo mpanjono anaty koveta, ka mampivoaka ny olona ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.

1.     Inona moa no atao hoe fampianaran-diso?

Ny atao hoe fampianaran-diso raha faritana tsotra dia ny fampianarana miala amin’ny Soratra masina, na mandiso ny hevitry ny Soratra Masina ka manova izany ho zavatra hafa.Miteraka fitsitokotokoana ireny. Fampianarana tsy manaiky sady tsy mitory an’i Kristy ho Zanak’Andriamanitra mpamonjy, na manonona ny anaran’i Kristy ihany fa tsy mitaona ny olona ho amin’ny fibebahana ka handray Azy ho Tompo sy mpamonjy.

2.     Ahoana no fisehon’izany eto amintsika?

Misy endrika 3 no isehoan’ny fampianaran-diso, eto Madagasikara araka ny fanasaokajiana nataonay:

a.      Ny Fampianarana izay tena tsy mitory an’i Kristy mihitsy:

Misy tena tsy manaiky ny maha Zanak’Andriamanitra mpamonjy an’i Kristy, sady mandà ny famonjeny

Ohatra : Ny Silamo, Jodaisma, Témoins de Jéhovah, na lalanan’ny fisintonana (la loi de l’attraction), Ny sampy maro samihafa…

b.      Ny Fampianarana izay mitaona anao hanao fitan-droa:

Misy fampianarana ihany koa mivoy fa azo atao tsara ny mankany am-piangonana, ny mivavaka, ary afaka miaraka amin’izy ireo ihany koa anefa. Lazainy fa tsy mitaona anao hiala amin’ny fivavahana izy, fa omeny karazan-javatra avy amin’ny “fanahy madio” ianao…

Ohatra:

            Ireo karazan’olona izay mitonona ho mahay manasitrana na manana hery mahagaga samihafa: Sorabe e, zazavavin-drano e…

Ny Bahai: izay ny finoany dia hoe Andriamanitra tokana ihany no naniraka an’i Mosesy, Jesoa, Allah, Boudha, Krishna…ka ivavahany avokoa ireo.

Ny fivavahana nentim-paharazana, any amin’ny doany rehetra any, izay tena mampiasa baiboly sy fihirana mihitsy mialoha ny iantsoana ny tromba.

d.      Ny Fampianarana miresaka an’i Kristy ihany saingy mivaona: Ny filazantsaran’ny Fahombiazana

Ireto karazam-pampianarana izay mampiasa soratra masina ihany saingy, mivaona amin’izay tena hevitry ny Soratra Masina no ambarany sy voiziny ary ampianariny ny olona. Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho fitadiavana tombontsoa manokana an’ny tenany.

Ohatra: Shine, Vahao ny oloko, Finoana sy fanasitranana, soteria, Apokalypsy…tsy ary ho voatanisa eto avokoa izy rehetra fa be loatra.

(Hotohizana)

A. Zo Nantenaina, Mpitandrina

FFKM recrute

FFKM RECRUTE

01 SECRETAIRE COMPTABLE A PLEIN TEMPS (H/F)

ACTIVITES

Secrétariat

  • Gestion des correspondances
  • Accueil
  • Organisation planning Tonia FFKM
  • Gestion petits achats
  • Photocopies
  • Classement /archivage

Comptabilité

  • Saisie des écritures comptables
  • Suivi des dettes et des créances
  • Rapprochements bancaires
  • Classement des pièces justificatives

PROFIL

  • FFKM
  • Minimum BAC + 2
  • Bonne connaissance en comptabilité
  • Bonne utilisation Office, logiciel de comptabilité
  • Bonne capacité rédactionnelle ( malagasy, français)
  • Minimum 3 années d expériences dans un poste similaire
  • Sens de l’organisation
  • Age : 25 ans à 45 ans

DOSSIER

  • Attestation de l’Eglise de provenance
  • Lettre de motivation manuscrite avec photo d’identité
  • CV ( avec coordonnées ) et photocopies des diplômes

à déposer au siège du FFKM (Anjohy) au plus tard le 1er avril 2019, du lundi au vendredi de 10h à 12h.

Hafatry ny Filoha/ Martsa 2019

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ny Filazantsara,

Rehefa iainana tokoa,

Dia manangana olo-manga,

Fohazy kely ny tantara

Mba handraisantsika ohatra,

Izany RAINANDRIAMAMPANDRY:

Nampikoy ireo vazaha

Ka naleony novonoina,

Fa Malagasy mendri-kaja

Tsy azon’iza notambazana;

mafy loha, tsy laitra ahodina

fa tena tia ny tanindrazany!

Ireo vazaha nitifitra azy

Nitsiriritra ny herin-tsaina

Sy ny hambonian-toetra

Nijoroany tsy nivena.

Santionany izy fa ho lany

Ny androntsika raha toa

Ka hotanisaina etoana

Ireo Malagasy tena mpino

Nijoro ho tena fahazavan’

Ity tanindrazantsika ity,

Tena mpino ireo satria

Nandray am-po ka tena niaina

Ny fon’ny filazantsara

Efa notorina taminy.

Izany no ilazana hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM