Fampianarandiso !

FAMPIANARANA SADASADA

Tsy zavatra vaovao teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fiatrehana fampianaran-diso, fa tany amin’ny Testamenta taloha aza dia efa nisy izany. Ary raha vao niorina ny Fiangonana voalohany dia izany no anisan’ny olana natrehany. Izany no nahatonga an’i Petera milaza hoe « Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany.» (2 Petera 2:1). Izany no antony nahateraka ireny fanekem-pinoana samihafa ireny.

Imasoan’ireny mpanao fampianaran-diso ireny ny mitaona ny olona ho any aminy, hanaraka ny fampianarany, hiala amin’ny Fiangonana. Izany no antsoin’ny maro amin’ny hoe “manjono anaty koveta”

Andeha ary hojerena akaiky ny momba ny fampianaran-diso, sy ireo mpanjono anaty koveta, ka mampivoaka ny olona ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.

1.     Inona moa no atao hoe fampianaran-diso?

Ny atao hoe fampianaran-diso raha faritana tsotra dia ny fampianarana miala amin’ny Soratra masina, na mandiso ny hevitry ny Soratra Masina ka manova izany ho zavatra hafa.Miteraka fitsitokotokoana ireny. Fampianarana tsy manaiky sady tsy mitory an’i Kristy ho Zanak’Andriamanitra mpamonjy, na manonona ny anaran’i Kristy ihany fa tsy mitaona ny olona ho amin’ny fibebahana ka handray Azy ho Tompo sy mpamonjy.

2.     Ahoana no fisehon’izany eto amintsika?

Misy endrika 3 no isehoan’ny fampianaran-diso, eto Madagasikara araka ny fanasaokajiana nataonay:

a.      Ny Fampianarana izay tena tsy mitory an’i Kristy mihitsy:

Misy tena tsy manaiky ny maha Zanak’Andriamanitra mpamonjy an’i Kristy, sady mandà ny famonjeny

Ohatra : Ny Silamo, Jodaisma, Témoins de Jéhovah, na lalanan’ny fisintonana (la loi de l’attraction), Ny sampy maro samihafa…

b.      Ny Fampianarana izay mitaona anao hanao fitan-droa:

Misy fampianarana ihany koa mivoy fa azo atao tsara ny mankany am-piangonana, ny mivavaka, ary afaka miaraka amin’izy ireo ihany koa anefa. Lazainy fa tsy mitaona anao hiala amin’ny fivavahana izy, fa omeny karazan-javatra avy amin’ny “fanahy madio” ianao…

Ohatra:

            Ireo karazan’olona izay mitonona ho mahay manasitrana na manana hery mahagaga samihafa: Sorabe e, zazavavin-drano e…

Ny Bahai: izay ny finoany dia hoe Andriamanitra tokana ihany no naniraka an’i Mosesy, Jesoa, Allah, Boudha, Krishna…ka ivavahany avokoa ireo.

Ny fivavahana nentim-paharazana, any amin’ny doany rehetra any, izay tena mampiasa baiboly sy fihirana mihitsy mialoha ny iantsoana ny tromba.

d.      Ny Fampianarana miresaka an’i Kristy ihany saingy mivaona: Ny filazantsaran’ny Fahombiazana

Ireto karazam-pampianarana izay mampiasa soratra masina ihany saingy, mivaona amin’izay tena hevitry ny Soratra Masina no ambarany sy voiziny ary ampianariny ny olona. Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho fitadiavana tombontsoa manokana an’ny tenany.

Ohatra: Shine, Vahao ny oloko, Finoana sy fanasitranana, soteria, Apokalypsy…tsy ary ho voatanisa eto avokoa izy rehetra fa be loatra.

(Hotohizana)

A. Zo Nantenaina, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV