SP 11 / SAMPATI
FIANGONAN’ I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSIMO
SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
“ Aoka hirehitra ny jironareo”(Lio.12:35)
“hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”(Mat.5:14)
Fampahatsiahivana, fifaninanana ...
Araka ny diarin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo dia ho tanterahina ny Sabotsy 13 Aprily 2019 ho avy izao ny “ FIOFANANA KOMITIMPIVONDRONANA” eny amin’ny FJKM Morarano Fiderana tontolo andro manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina. Koa ireo tompon’andraikitra voafidy no manatrika izany miaraka amin’ny mpiandraikitra rehetra. Ny saram-piofanana 10000 ar / fit
Ho fiatrehana ireo fifaninanana samihafa izay ho tanterahin’ny Foibe Sampati any amin’ny FIHAONAMBE volana Oktobta 2019 dia hifanintsana amin’ireo taranja samihafa isika aty amin’ny Synodamparitany koa ireto no handraisantsika anjara sy ny fepetra avy:
- Soratra masina: mpifaninana : fitandremana sampati mijoro tsara (manana karatra Sampati: Ar 700/ olonai, nahefa adidy : Rakitra Foibe sy Adidy Synodamparitany), ahitana solontena isan-tsampana (mavo, maitso, mena, menafify, Kp, mahaloa saram-pilasiana Ar 1000/ olona..
Hifaninanana : bokin’I Matio manontolo : mikasika ny fahafantarana ny boky , fahaizana tsianjery toko sy andininy, fanazavana ny Mat.5:14, Fahalalana ankapobeny mahakasika ny Bianco
- Vakodrazana: dihy Malagasy foronina, hira Malagasy foronina, hiraina (mampalaza ny faritry ny synodamparitany Antananarivo Atsimo dia ny fambolena , fiompiana, fizahantany)
- Fanatanjahan-tena : Pétanque : mpandray anjara: sampana mena, menafify, Mpiandraikitra Tily, ekipa iray isam-pivondronana (olona 4
basket mixte: mpandray anjara: Mpanazava maitso sy Tily Maitso no miakatra mandrafitra ho ekipa: 12 (3 lahy 2 vavy sur terrain), arbitre: mpiandraikitra
foot à 11 : mpandray anjara: Tily Maitso, Tily mena; mandrafitra ny ekipa 20, arbitre: Mpiandraikitra
Scouting ball : mpandray anjara: voronkely sy lovitao, mandrafitra ny ekipa 15, arbitre: mpiandraikitra Marihana fa samy miantoka ny fanamiana mitovy ny isam-pitandremana
Mahazo fampitandremana izay tsy manaja ny fitsipikin’ny fikambanana
Tiana mandrakariva ry Havana ny mampatsiahy antsika ihany koa ireto zavatra ireto : adidy Synodamparitany Sampati, mofomamy ho an’ny Dada, rakitra Foibe Sampati, billet sakafo Mana Soa Foibe Sampati, fanomezana fitaovana na sakafo ho an’ny Mana soa Foibe Sampati, valopy jobily Sampati Foibe( 25è).
Eto am-pamaranana , dia mampahery antsika amin’ny fifanohanana indrindra am-bavaka amin’ny asa fa sarotra no mafy ny fanabeazana koa mirary soa sy mametraka ny mandrampihaona indray, tononina ho anareo ny fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Amin’ny anaran’ny Birao.
Ny Prezida Synodaly
RABELISON Manassé, Mpitandrina
Ny Filoha
RAKOTONJANAHARY Vololoniaina