Tetikasa « MAHAY »

FANAZAVANA MIKASIKA NY TETIKASA :
Ity tetikasa « Mahay Fanabeazana Mampiaty FJKM » ity, dia manana ny tanjony manokana izay miavaka tokoa, dia ny fiezahana hanampy bebe kokoa ireo ankizy manana fahasembanana, efa manovo fianarana any amin’ny sekoly mampiaty ka ezahana hatrany ny hahafahan’ireo ankizy misitraka ny fanabeazana antonona ny tsirairay araka ny tsy fahatomombanan’ny vatany. Miampy izany ny fiezahana hanampy ireo ankizy manana fahasembanana ireo, hahafahan’izy ireo misitraka ihany koa izay mba filany.


Ny tetikasa « Mahay » Fanabeazana Mampiaty FJKM , dia tetikasa tarihin’ny Departemantan’ny Sekoly FJKM ary tohanan’ny CBM (Christoffel Blinden Mission) nanomboka tamin’ny 2017, ary hifarana ny 2020, izany hoe herin-taona miampy telo taona ny faharetan’ny tetikasa.
Manana mpiara-miombon’antoka telo ny tetikasa « Mahay Fanabeazana Mampiaty FJKM », dia ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, satria sehatra fanabeazana no sahanin’ny tetikasa ; Ny Fiangonana
Loterana Malagasy nohon’ny traikefa efa ananany ; Ny FJKM.
FARITRA IASANA : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana miampy Moramanga. Ahitana Kaomina miisa 17.


ANTOTANISA : Sekoly mampiaty 56 no mampianatra ankizy 654, izay manana fahasembanana samy hafa (Fahitana, Fahenoana, Ara-batana, Fifaneraserana, Ara-tsaina). Mpampianatra 74 no nahafeno ny
fiofanany hahafahany mikolo ireo zaza manana fahasembanany ireo, ary 82 ireo Mpampianatra manomboka miatrika fiofanana.


IREO VOKATRA EFATRA ANDRASANA AMIN’ITY TETIKASA ITY :
1- Fanovàna ny fomba fijery amam-panaon’ny fiarahamonina manoloana ny ankizy tra-pahasembanana
2- Fanatsaràna ny fandraisana ny ankizy eny an-tsekoly amin’ny alalan’ny fampiofanana ny Tale sy ny Mpampianatra, ary koa ny fampitaovana ny sekoly sy ny mpampianatra ary ny mpianatra
3- Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo Sekoly manaiky handray ny ankizy tra-pahasembanana amin’ny fanatsaràna ny foto-drafitrasa :
4- Fanangonana ireo fomba mahomby (Bonnes pratiques) sy ny fanapariahana (Vulgarisation del’information acquise) izany mba hisian’ny faharetan’ny ezaka.


FANAMARIHANA :
Ny 03 Desambra 2018 no andro iraisam-pirenena, ho an’ny olona manana fahasembanana. Samy niezaka nanamarika izany ny isan-tsekoly sy isam-paritra. Nisy fihetsiketsehana maro natao nanamarihana izany, izay nomena anarana hoe: “Herinandron’ny Fanabeazana Mampiaty”. Santionany amin’izany ny hetsika zay nomena ny lohahevitra: “Fo miara-mitempo ho amin’ny Fanabeazana Mampiaty” (Coeurs en choeur
pour l’Education inclusive).
Tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy”(I Kor 10:33).


Nangonin’i MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV