Foto-dalàna sy Fitsipika

Ny famindran-draharaha sy famindram-pahefana

Telo volana sisa no ananan’ny isa-pitandremana hamaranana ny fifidianana ireo tomponandraikitra ao aminy araka ny tetiandro nofaritan’ny Mpiandraikitra Foibe.
Nohavaozina ireo tomponandraikitra rehetra ka ho tomponandraikitra vaovao no hisy. Koa mba ho fitohizan’ny fiainam-piangonana dia zava-dehibe ny famindran-draharaha sy famindram-pahefana. Ny famindran-draharaha dia hiompana betsaka amin’ny fanolorana ireo fitaovana ombam-pananana fa ny famindram-pahefana dia hahitana famindran’andraikitra hifono dinika ifanaovan’ny samy tomponandraikitra teo aloha sy ny vaovao, kanefa azo ambara ho endriky ny fanoloram-pahefana eo imason’ny Fiangonana ihany koa izany.
Ao amin’ny ilay lohahevitra mikasika ny fepetra momba ny fifidianana tomponandraikitra,voarakitry ny Fitsipiky ny FJKM (and. 278 ka hatramin’ny and. 285) no mamaritra ny fandraisan-draharaha ho an’ireo olona vao voafidy.
Ny and. 285.1 dia manambara fa: “Toy izao ny fandraisan-draharaha: 1.Tsy maintsy tontosaina ara-dalàna sy ao anatin’ny fe-potoana feran’ny Fitsipika Anatiny ao amin’nyAmbaratongan-drafitra ny famindran-draharaha sy famindram-pahefana avy amin’ny Tomponandraikitra teo aloha mankamin’ny Tompon’ andraikitra vao nofidiana. Azon’ny
Ambaratongan-drafitra mpiahy atao ny manatrika izany raha ilaina”.
Araka izany, ny isa-pitandremana dia tsy maintsy manana ny Fitsipika Anatiny handaminany izany famindran-draharahany izany. Ny FDF mihitsy no mampanangana izany ny Fitandremana araka ny fitsipiky ny FJKM and. 164: “Ny Fitandremana dia manana Fitsipika Anatiny itantanan’ny Ambaratongam-pitondrana rehetra ny raharaha ao aminy ka ankatoavin’izy ireo. Tsy mahazo mifanohitra amin’ny Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM sy ny Fitsipika Anatin’ny Synodamparitany izany ary tsy manan-kery raha tsy ankatoavin’ny Synodamparitany”.
Raha sanatria ka tsy manana Fitsipika Anatiny ny Fitandremana dia ny toro-lalana avy amin’ny Synodamparitany no harahiny, satria ny Synodamparitany ihany koa dia tokony hanana ny Fitsipika Anatiny hitondrany io famindran-draharaha io araka ny Fitsipiky ny FJKM and. 204: “Ny Synodamparitany dia manana Fitsipika Anatiny itantanan’ny isan’Ambaratongam-pitondrana ny raharaha rehetra ao aminy ka ankatoavin’izy ireo. Tsy mahazo mifanohitra amin’ny Fotodalàna sy ny Fitsipiky ny FJKM izany ary tsy manan-kery raha tsy ankatoavin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe.”
Koa tolorana fankasitrahana ireo nahavita ny taom-piasany ary ampaherezina ireo handray andraikitra vaovao. Valio raha manana Fitsipika Anatiny ny Fitandremana misy anao.
Tsarovy fa vitan’Andriamanitra ny asany fa voninahitra atafiny ny mpanompony no nifidianana azy ho tomponandraikitra vaovao.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV