FFKM / HAFATRA 2019

FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANINA ETO MADAGASIKARA – FFKM

FANAMBARANA

Andohalo, 18 janoary 2019

“Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra;

 sambatra ny vahoaka nofidiny mba ho Azy manokana.” (Sal.33/12) DIEM.

     Ry mpiray tanindrazana malala, ho aminareo anie ny fahasoavana amim-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

     Ny FFKM dia miarahaba ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, noho ny nahatrarana ny Taom-baovao 2019. Andriamanitra Tompo anie, hampandeha ny fahatsarany rehetra, eo anoloan’ ity firenena ity ka hiantra sy hitahy azy.

     Ao anatin’izao herinandro fiaraha-mivavaka izao dia hamafisina ny fiombonam-pinoana ao amin’i Kristy  izay mampiray antsika.

     Vita soa aman-tsara iny ny fifidianana, izay ho filoham-pirenena vaovao, na dia be aza ny tsy fahalavorariana tamin’ny fanomanana izay nitondra fifampiahiahiana teo amin’ireo kandida nandray anjara, ary disadisa sy lonilony sy ratram-po lalina teo amin’ny mpiray tanindrazana noho ny fahatsapana tsy fahamarinana teo amin’ny fizotran’ny fifidianana.

     Koa manainga ny Filohampirenena vaovao ny FFKM  mba hanao vaindohan-draharaha ny fampihavanam-pirenena mba handravonana ny raorao ara-piarahamonina rehetra. Tsy ezaka sy fanirian’olombelona anefa ny fampiraisana sy ny fihavanana fa fanomezana avy amin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra (Efe. 4:3). Eo koa ny fanarenana maika ny sosialim-bahoaka izay tena latsaka ambany dia ambany tokoa.

     Araka ny iraka napetraka amin’ny FFKM, ny FFKM dia hijoro hatrany ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Tim. 3:15) amin’ny maha fiangonana azy. “Ny fahamarinana tokoa manandratra avo ny firenena,fa ny fahotana kosa dia henatra ho an’ny vahoaka”, hoy ny Ohab.14/34). Izany no miantoka ny fahafahan’ny olom-pirenena tsirairay hihevitra ny fampandrosoana ny hafa sy ny soa iombonana( I Kor 12:4) ho an’ny valalabemandry.

     Ilaina ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fanampiana ny sahirana, ilaina mihoatra noho izany ny fiovana saina izay hibaiko ny fihetsika sy ny fanao (Rom.12 :1,2) indrindra koa. Mila fongorina ny toe-tsaina tia vola, ka lasa hamadihana ny marina. Tsara ny programan’asa maty paika, fa tsara lavitra ny fananana ny fanetren-tena hiara-miasa amin’Andriamanitra Tsitoha (Jak.4/13-15).

     Koa ny FFKM dia manainga ny fiangonana Kristianina rehetra tsy ankanavaka mba hanao vavaka fangatahana sy fisaorana ary fifonana ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny fiangonana, mba handry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny vahoaka ( I Tim 2:1-3). Ny fananana an’io toe-panahy araka an’Andriamanitra io no miantoka ny firindràna sy ny fampandrosoana marina izay mitsinjo ny hafa ka hampisy ny fihavanana sy ny fandriampahalemana maharitra.

Mampahery antsika ihany koa hanao ho vaindohan-draharaha ny fanabeazana lalim-paka sy maharitra ny Kristianina, mba hahatonga azy ho vavolombelona mahatoky (Mat.5:13-14) eo amin’ny seha-piainana izay misy azy ireo tsirairay (ankohonana, fivavahana, fanabeazana, haino aman-jery, fitantanana, fandraharahana, zava-kanto,…), Izay no hahatanteraka ilay vavaka tiantsika loatra manao hoe “…ho tonga anie ny fanjakanao; hatao anie ny sitraponao;  ety an-tany ho tahaka ny any an-danitra.

     Ny FFKM dia miantso antsika zanany, ahatsiaro ny hiaina marina ny batisa na ny batemy izay noraisintsika, miatrika ny onjam-piainana.

“Ary farany ry havako! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia  homba anareo  Ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana sy ny fiadanana.” (2 Kor 13 : 11).

Ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy:

Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, Filohan’ny  EEM

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Filohan’ny  EKAR

Atoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny  FJKM

Pastora Dr. RAKOTONIRINA David, Filohan’ny  FLM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV