FAMBOLENKAZO 2019

Ny FOIBE FJKM dia manasa antsika mpianakavin’ny finoana hanatanteraka Fambolenkazo ny Sabotsy 09 Janoary 2019 , eny ANKAZOBE .

Ny fiaingana dia eo anoloan’ny vavahadiben’ny Mahamasina  amin’ny 8 ora . Ho an’izay hiara-mandeha amin’ny fiara iombonana dia mila manoratra anarana mialoha . Ny saran-dàlana dia 6000 ariary mandroso sy miverina.

Misy ny sakafo efa hiomanan’ny fiangonana amin’ny vidiny 2000 ariary , fa ilaina koa ny misoratra anarana mialoha sy mandoa ny vola ao amin’ny Sekretera jeneraly FOIBE FJKM.

Alakamisy 31 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 18.1-18

Ny faharesen’ny tafik’i Absaloma

1-Miomana ry i Davida .Azo lazaina fa vitsy fa vitsy i Davida sy ny tafiny raha mihoatra amin’ny vahoaka nentin’i Absaloma . Nalaminy tsara tamin’ny alalan’ny mpifehy ireo mba tsy hanao izay saim-pantany. Tsy nandeha niantafika kosa i Davida satria izany no fandaminana.

2-Faharesena efa voalahatra Tsy isalasalana fa ninoan’i Davida ny haharesen’ilay tafik’i Absaloma , ka izany no nanafarany hoe: »Ary ny mpanjaka nandidy an’i Joaba sy i Abisay ary i Itahy hoe : noho ny amiko dia mamindrà fo amin’i Absaloma zatovo » (and 5). Fantatr’i Davida mantsy ny herin’ny tafika nentiny , ny firehetam-pon’ireo hiaro azy, ny traikefany na vitsy aza.Tsinjony fa handresy izy.

3-Maty i Absaloma   Tokony ho azo sambobelona i Absaloma , saingy  indrisy fa novonoin’i Davida . Niseho eto indray ny maha-olona tsy  miantra sy lian-dran’i Joaba .Tonga enta-mavesatra tao am-pon’i Davida mihitsy  io toetra ratsin’i Joaba io. Fa izany no efa namonoany an’i Abnera sy Amasa koa, ka nahatonga an’i Davida nanafatra manokana an’i Solomona zanany ao amin’ny 1 Mpanj 2.5 teo an-katoky ny hahafatesany , rehefa nandray fanjakana i Solomona .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

FJKM / Fanokafana ny Taompiasana 2019.

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA (FJKM)

Nitondra am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2019

Tontosa ny Alahady 20 Janoary 2019 lasa teo teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ny Fanompoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny Taom-piasana 2019 eo amin’ny sahan’ny FJKM. Nitarika ny fotoana Andriamatoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana.

Nitoriteny Andriamatoa ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina, Filoha Mpanampy Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM, ka ny tao amin’ny Apo 14: 6-7 no nakany ny hafatr’Andriamanitra. Nisantarany izany ny tantaram-pirenena ka nitsiahivany fa efa hatrany amin’ny andron’ny Mpanjaka Radama I no efa firenena kristiana i Madagasikara. Nisy vanim-potoana sarotra nandalovan’ny kristiana nandritra ny taona maro taorian’izany, kanefa niverina nahazo vahana ny fitoriana filazantsara rehefa tonga teo amin’ny Fanjakana ny mpanjakavavy Ranavalona II. Tao anatin’izany no nahavitana ireo asa fanorenana lehibe samihafa sy fanovàna maro teto izay nitondra fanavaozana lehibe. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fitantanam-panjakana sy ny fampivoarana azy ny Filazantsara. Nentiny nampieritreretana ny rehetra tao anatin’izany ny fotoana haharetan’ny filazantsara, ka nilazany fa tsy hisy fetrany izy; ary ny filazantsara natao ho an’ny olona rehetra na Malagasy na vahiny rehetra eto.  Raha misy ny fitenenana voambolana na fihetsika na zava-miseho toa hafahafa ankehitriny mahabe resaka ny olom-pirenena, dia notsindriany fa tsy hiverina amin’ny andro maizina isika, fa mbola hiverina hanombo fanindroany an’i Jesoa Kristy indray va isika? hoy izy. Manana anjara amin’ny fitoriana Filazantsara isika ankehitriny ary tokony hiala ny saron-tava ka tsy ho menatra ny hijoro vavolombelona. Namaranany azy ny teny voasoratra hoe” Sambatra ny firenena izay manana an’i  Jehovah ho Andriamaniny”.   

Nisy ny asa vavolombelona taorian’ny toriteny , ka nisantatra azy ny teny nataon’ny BMF: Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Filoha Mpanampy, izay nitondra tenin’ny fiangonana ka ankoatra ny firarian-tsoa ny Filohan’ny FJKM mianakavy dia nanome toky izy ary nanamafy ny amin’ny hijoroana vavolombelona hatrany. Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin, Mpanolotsaina kosa nitondra am-bavaka azy mianakavy sy nitondra am-bavaka ihany koa ny firenena sy ny filoham-pirenena ankehitriny.  

Namarana kosa ny tenin’Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM . Fisaorana sy hafatra vontoatin’ny nambarany. Hafatra miisa dimy no nomeny ny vahoaka kristiana hoenti-miatrika izao taom-piasana vaovao izao:

1 – Tanteraho tsara ny fanavaozana; 2 –  Tohano tsara ny sekolintsika; 3 – Ivelomy tsara ny fiombonana; 4 – Mivavaha tsara ho anay; 5 – Mijoroa tsara ho vavolombelon’i Kristy.

Tonga maro ireo mpianakavin’ny finoana niatrika ny fotoana naharitra adiny roa teo. Tsy ny kristiana avy eto Antananarivo ihany no navitrika namonjy ny fotoana fa manerana ny lafivalon’ny Nosy mihitsy.  Nampihaingo sy nanafana ny fotoana ny mozikan’ny fikambanan’ny Mpitendry zavamaneno FJKM sy ny feon’ireo antoko mpihira STK FJKM. Nampizotra tsara ny fotoana ihany koa ny hatsaran’ny andro tamin’ny ankapobeny na nisy aza ny andian-drahona teny amin’ny lanitra.

Marihina fa nisy ihany koa tao anatin’ny fotoana ny fitondrana am-bavaka ireo fianakaviana niharam-boina vokatry ny fihotsahan’ny tany nateraky ny ora-nikija teny Ambanin’Ampamarinana sy Ambohipotsy.  

R.Ph

FFKM / Famindram-pitantanana 2019.

F

TEO AMIN’NY FILOHA TEO ALOHA SY NY VAOVAO

Nizotra tam-pilaminana ny Fanompoam-pivavahana ho fanokafana ny Taom-piasana FJKM teo amin’ny kianjaben’ i Mahamasina, ny Alahady 20 Janoary 2019 maraina, dia tsy latsa-danja noho izany koa ny tolakandro ny Fanompoampivavahana teny amin’ny EKAR katedraly Andohalo . Tonga marobe teny ireo kristiana avy amin’ny fiangonana miombona ao amin’ny FFKM  sy ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny ara-panjakana, toy ny Praiministra Ntsay Christian, Andriamatoa Marc RAVALOMANANA mivady, ny Filohan’ny CFM, Andriamatoa Maka Alphonse, ny Filohan’ny CENI, Andriamatoa Hery RAKOTOMANANA, sy ireo maro tsy voatanisa.

Tonga niaraka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, ho FAMINDRAM-PITARIHANA  teo amin’ny filohan’ny FFKM teo aloha, Andriamatoa Mgr RANARIVELO Samoela Jaona (EEM) sy ny filoha vaovao, Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina (FJKM). Nitarika ny fotoana, Mgr. RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène (EKAR), nanao ny ranom-bavaka, Pastora, Dr. RAKOTONIRINA David (FLM). Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny filoha vaovao.

Ny loha-hevitra tamin’izany dia hoe “NY ARA-DRARINY MIHITSY NO HARAHINAREO”                ( Deo. 16:18-20) Diem.

 Ireto ny ventin-kevitra 3 lehibe nivoitratamin’izany :

1-Aza manao fitsarana miangatra

2-Aza mizaha tavan’olona

3-Aza mandray kolikoly.

Tsy manana fahefana ambonin’ny fiangonana akory ny FFKM, fa ho fampivondronana ny Kristiana mba hiray hina sy ho vavolombelon’i Kristy,  ary tsy ny hevitra tapaky ny maro no tanterahina fa ny eken’ny rehetra. Betsaka ny ezaka efa vita tamin’ny taon-dasa, hoy ny filohan’ny FFKM teo aloha Mgr. RANARIVELO Samoela Jaona. Tohizana hatrany ny fanamafisana ny fihavanana sy ny fifankatiavana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo, eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Isan’ny niavaka tamin’iny taona lasa iny ny fampivondronana ireo tomponandraikitra zanaky ny fiangonana eny anivon’ny seha-panjakana samihafa, mba ho vavolombelon’ny fahamarinana eny amin’ny sehatra misy azy ireo. Hotohizana ny ezaka, hatsaraina ny efa vita, hoy kosa ny filoha vaovao Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina.

Toko telo mahamasa-nahandro ny ao amin’ny FFKM: Voalohany, fanamafisana ny firaisam-pinoana, mba ho vava iray sy saina iray ary fanahy iray, no entina midera an’Andriamanitra. Faharoa, fanamafisana ny amin’ny maha fanasin’ny tany ny fiangonana, ka ampaherezana ny firenena sy ahafahan’ny fiangonana miteny koa manoloana izany fiainam-pirenena izany. Fahatelo, fanamafisana ny fitoriana filazantsara, ka ho vontosana filazantsara ny nosy Madagasikara, manomboka izao, hoy ny komity foibe ny FFKM. Miompana amin’izany zavatra telo izany ny atao amin’ity taom-piasana ity.

Tao anatin’ity fotoana ity ihany koa no nanaovan’ny FFKM ny fanambarana manokana, ho an’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena  ary koa fametrahana ireo birao foibe vaovao hiara-miasa amin’izy ireo. Ny Hafatry ny Filoha vaovao dia hoe “ « Aza hadinoina mihitsy ny mivavaka ho anay »

 Evariste RASOLOHERY

Alarobia 30 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 17.15-29

Mita an’i Jordana ry i Davida. Nanampy azy ny Tompo ka tsy namela azy ireo mba handeha irery.

1-Tamin’ny namana .Olona maromaro mifanohy asa no nanolo-tsaina an-dry i Davida mba hitany haingana an’i Jordana . Eo ry i Zadoka tao Jerosalema , ilay mpanompovavy tany En-Rogela , ry i Ahimaza, ilay vehivavy tao Bahorima.

2-Tamin’ny fahavalo. Na eo aza ireo mpila sitraka dia tsy nahavita na inona na inona . Namoy fo kosa i Ahitofela ka lasa namono tena.

3-Tamin’ny fitana an’i Jordana. Mora hiarova-tena ny maha-eny an-dafin’i Jordana , noho ny mahavitsy ny làlana azo hiampitana (ilay ony midina : 300 ambonin’ny ranomasina ny loharanony, 360 ambanin’ny ranomasina ny fiafarany ka mitsatoka tokoa).

4-Tonga tao Mahamaina. Tao no renivohitry ry Isboseta (2 Sam 2.18,12,29) . Tao no nandraisany fanampiana ara-tsakafo, ilay filàna fototra voalohan’ny olombelona . Tsapa eto ny fahamarinan’ny Salamo 138.7 manao hoe: « Na dia handeha eo amin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao . Haninjitra ny tànanao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary hamonjy ahy ny tànanao ankavanana« .

« Raiso ny tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alarobia 30 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 17.1-14

Eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fitondrana ny tantara araka ny teny fanalahidy eo amin’ny and14b hoe : « Fa efa no tendren’i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela , hampidiran’ i Jehovah loza amin’i Absaloma « .

1-Nofoanan’ Andriamanitra ny hevitr’i Ahitofela, izay hampidi-doza an’i Davida. Olona neken-teny i Ahitofela ka « izay nataony tamin’izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra , toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’i Ahitofela , na tamin’i Davida na tamin’i Absaloma » ( 2 Sam 16.23). Noho ny asan’ny Fanahy anefa dia nampaka an’i Hosay i Absaloma . Nirodana ny hevitr’ Ahitofela noho izany .

2-Nankatoavina ny hevitr’ i Hosay, izay hampidi-doza an’i Absaloma. Tsara kokoa noho ny hevitr’i Ahitofela no nandraisan’ny mpivory ny heviny . Satria goavana ny fikasana dia tsy azo notanterahina teo no eo . Mbola hovoriana ny Israely rehetra ary Absaloma mohitsy no hitari-tafika . Andriamanitra no mampitaredretra azy ireo . Nanjary soa ho an’i Davida anefa izany ka hahazoany andro handosirana lavitra kokoa, mita an’i Jordana sy hiomanana hiatrika ady, ary avy amin’ny Tompo izany.Eny, mandeha amin’ny làlana saro-pantarina tokoa Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pirenena.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

TOLO-TANANA ho fitsaboana

ny MPITANDRINA ANDRIAMAMPIANINA  ZAKA HARY MASY

Biraon’ny MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM

 « Ary raha mijaly  ny anankiray amin’ny momba ny tena  dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena »  1 Kor 12.26….. «Fa narary Aho dia notsaboinareo »Matio 25.36

Ho fiatrehana ny fitsaboana an’ Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Mpitandrina , Biraon’ny Mpiandraikitra FOIBE FJKM any  am-pitandranomasina  dia manao izao antso izao mangataka TOLO-TANANA amintsika rehetra mpianakavin’ny finoana ho fiantsorohana ny fandaniana amin’ny sara-dàlana sy ny saram-pitsaboana any an-toerana .

 Azonao atao ny manolotra izany amin’izao laharan-taroby MVOLA izao , izay raisin’ny vadiny mivantana :

034 08 694 14  .

Manolotra ny fisaorana mialoha tompoko . Andriamanitry ny fahasoavana anie hameno anareo amin’ny  fitahiany  rehetra .

FOIBE FJKM

AACC-CETA / Nouveau SG

ÉLECTION D’UN NOUVEAU SECRÉTAIRE GÉNÉRAL DE L’AACC

Le 5 avril 2018, le comité général de l’AACC a élu à l’unanimité le révérend Dr. Fidon Mwombeki en tant que nouveau secrétaire général, succédant ainsi au révérend Dr Andre Karamaga.

Nous remercions Dieu pour la provision et nous vous demandons de bien vouloir le garder dans vos prières pour un mandat fructueux. Veuillez voir ci-dessous quelques détails concernant le secrétaire général élu, pour votre information.

Le pasteur Fidon Mwombeki, citoyen tanzanien, est un ministre ordonné de l’Église évangélique luthérienne de Tanzanie.

1)     éducation

Il est titulaire d’un baccalauréat et d’une maîtrise en théologie, d’une maîtrise en administration des affaires (gestion) et d’un doctorat en études bibliques.

2)     Expérience professionnelle:

1998 – 2004: Pasteur de paroisse dans son église, il a occupé plusieurs postes: secrétaire à la littérature et à la communication, conseiller aux programmes, secrétaire aux missions et à l’évangélisation, secrétaire général adjoint, secrétaire général, etc.

2006 – 2014 : Secrétaire général de la Mission évangélique unie (UEM) – Communion d’Églises sur 3 continents – fournissant un leadership stratégique à 75 personnes pendant 75 ans, se concentrant sur la mission holistique, la diaconie, le développement, la défense des droits, le partenariat, etc. 36 églises en Afrique, en Asie et en Allemagne.

De janvier 2015 à ce jour: directeur de la mission et du développement de la Fédération luthérienne mondiale, chargé de créer des liens entre 146 Églises membres des six continents, des projets d’Églises membres, de superviser des programmes de bourses d’études, etc.

Le pasteur Fidon Mwombeki est un théologien accompli et possède une vaste expérience dans les domaines de la gestion générale, des finances, de la pastorale, du travail pour la mission et le développement, des relations internationales, de la gouvernance, du leadership stratégique, etc.

3)     Etat civil:

Le pasteur Fidon Mwombeki est marié et a trois enfants adultes.

Talata 29 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela .

2 Samoela 17.1-14

Eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fitondrana ny tantara araka ny teny fanalahidy eo amin’ny and14b hoe : « Fa efa no tendren’i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela , hampidiran’ i Jehovah loza amin’i Absaloma « .

1-Nofoanan’ Andriamanitra ny hevitr’i Ahitofela, izay hampidi-doza an’i Davida. Olona neken-teny i Ahitofela ka « izay nataony tamin’izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra , toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’i Ahitofela , na tamin’i Davida na tamin’i Absaloma » ( 2 Sam 16.23). Noho ny asan’ny Fanahy anefa dia nampaka an’i Hosay i Absaloma . Nirodana ny hevitr’ Ahitofela noho izany .

2-Nankatoavina ny hevitr’ i Hosay, izay hampidi-doza an’i Absaloma. Tsara kokoa noho ny hevitr’i Ahitofela no nandraisan’ny mpivory ny heviny . Satria goavana ny fikasana dia tsy azo notanterahina teo no eo . Mbola hovoriana ny Israely rehetra ary Absaloma mohitsy no hitari-tafika . Andriamanitra no mampitaredretra azy ireo . Nanjary soa ho an’i Davida anefa izany ka hahazoany andro handosirana lavitra kokoa, mita an’i Jordana sy hiomanana hiatrika ady, ary avy amin’ny Tompo izany.Eny, mandeha amin’ny làlana saro-pantarina tokoa Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pirenena.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3