FFKM / Famindram-pitantanana 2019.

F

TEO AMIN’NY FILOHA TEO ALOHA SY NY VAOVAO

Nizotra tam-pilaminana ny Fanompoam-pivavahana ho fanokafana ny Taom-piasana FJKM teo amin’ny kianjaben’ i Mahamasina, ny Alahady 20 Janoary 2019 maraina, dia tsy latsa-danja noho izany koa ny tolakandro ny Fanompoampivavahana teny amin’ny EKAR katedraly Andohalo . Tonga marobe teny ireo kristiana avy amin’ny fiangonana miombona ao amin’ny FFKM  sy ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny ara-panjakana, toy ny Praiministra Ntsay Christian, Andriamatoa Marc RAVALOMANANA mivady, ny Filohan’ny CFM, Andriamatoa Maka Alphonse, ny Filohan’ny CENI, Andriamatoa Hery RAKOTOMANANA, sy ireo maro tsy voatanisa.

Tonga niaraka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, ho FAMINDRAM-PITARIHANA  teo amin’ny filohan’ny FFKM teo aloha, Andriamatoa Mgr RANARIVELO Samoela Jaona (EEM) sy ny filoha vaovao, Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina (FJKM). Nitarika ny fotoana, Mgr. RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène (EKAR), nanao ny ranom-bavaka, Pastora, Dr. RAKOTONIRINA David (FLM). Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny filoha vaovao.

Ny loha-hevitra tamin’izany dia hoe “NY ARA-DRARINY MIHITSY NO HARAHINAREO”                ( Deo. 16:18-20) Diem.

 Ireto ny ventin-kevitra 3 lehibe nivoitratamin’izany :

1-Aza manao fitsarana miangatra

2-Aza mizaha tavan’olona

3-Aza mandray kolikoly.

Tsy manana fahefana ambonin’ny fiangonana akory ny FFKM, fa ho fampivondronana ny Kristiana mba hiray hina sy ho vavolombelon’i Kristy,  ary tsy ny hevitra tapaky ny maro no tanterahina fa ny eken’ny rehetra. Betsaka ny ezaka efa vita tamin’ny taon-dasa, hoy ny filohan’ny FFKM teo aloha Mgr. RANARIVELO Samoela Jaona. Tohizana hatrany ny fanamafisana ny fihavanana sy ny fifankatiavana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo, eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Isan’ny niavaka tamin’iny taona lasa iny ny fampivondronana ireo tomponandraikitra zanaky ny fiangonana eny anivon’ny seha-panjakana samihafa, mba ho vavolombelon’ny fahamarinana eny amin’ny sehatra misy azy ireo. Hotohizana ny ezaka, hatsaraina ny efa vita, hoy kosa ny filoha vaovao Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina.

Toko telo mahamasa-nahandro ny ao amin’ny FFKM: Voalohany, fanamafisana ny firaisam-pinoana, mba ho vava iray sy saina iray ary fanahy iray, no entina midera an’Andriamanitra. Faharoa, fanamafisana ny amin’ny maha fanasin’ny tany ny fiangonana, ka ampaherezana ny firenena sy ahafahan’ny fiangonana miteny koa manoloana izany fiainam-pirenena izany. Fahatelo, fanamafisana ny fitoriana filazantsara, ka ho vontosana filazantsara ny nosy Madagasikara, manomboka izao, hoy ny komity foibe ny FFKM. Miompana amin’izany zavatra telo izany ny atao amin’ity taom-piasana ity.

Tao anatin’ity fotoana ity ihany koa no nanaovan’ny FFKM ny fanambarana manokana, ho an’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena  ary koa fametrahana ireo birao foibe vaovao hiara-miasa amin’izy ireo. Ny Hafatry ny Filoha vaovao dia hoe “ « Aza hadinoina mihitsy ny mivavaka ho anay »

 Evariste RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV