FJKM / Fanokafana ny Taompiasana 2019.

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA (FJKM)

Nitondra am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2019

Tontosa ny Alahady 20 Janoary 2019 lasa teo teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ny Fanompoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny Taom-piasana 2019 eo amin’ny sahan’ny FJKM. Nitarika ny fotoana Andriamatoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana.

Nitoriteny Andriamatoa ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina, Filoha Mpanampy Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM, ka ny tao amin’ny Apo 14: 6-7 no nakany ny hafatr’Andriamanitra. Nisantarany izany ny tantaram-pirenena ka nitsiahivany fa efa hatrany amin’ny andron’ny Mpanjaka Radama I no efa firenena kristiana i Madagasikara. Nisy vanim-potoana sarotra nandalovan’ny kristiana nandritra ny taona maro taorian’izany, kanefa niverina nahazo vahana ny fitoriana filazantsara rehefa tonga teo amin’ny Fanjakana ny mpanjakavavy Ranavalona II. Tao anatin’izany no nahavitana ireo asa fanorenana lehibe samihafa sy fanovàna maro teto izay nitondra fanavaozana lehibe. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fitantanam-panjakana sy ny fampivoarana azy ny Filazantsara. Nentiny nampieritreretana ny rehetra tao anatin’izany ny fotoana haharetan’ny filazantsara, ka nilazany fa tsy hisy fetrany izy; ary ny filazantsara natao ho an’ny olona rehetra na Malagasy na vahiny rehetra eto.  Raha misy ny fitenenana voambolana na fihetsika na zava-miseho toa hafahafa ankehitriny mahabe resaka ny olom-pirenena, dia notsindriany fa tsy hiverina amin’ny andro maizina isika, fa mbola hiverina hanombo fanindroany an’i Jesoa Kristy indray va isika? hoy izy. Manana anjara amin’ny fitoriana Filazantsara isika ankehitriny ary tokony hiala ny saron-tava ka tsy ho menatra ny hijoro vavolombelona. Namaranany azy ny teny voasoratra hoe” Sambatra ny firenena izay manana an’i  Jehovah ho Andriamaniny”.   

Nisy ny asa vavolombelona taorian’ny toriteny , ka nisantatra azy ny teny nataon’ny BMF: Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Filoha Mpanampy, izay nitondra tenin’ny fiangonana ka ankoatra ny firarian-tsoa ny Filohan’ny FJKM mianakavy dia nanome toky izy ary nanamafy ny amin’ny hijoroana vavolombelona hatrany. Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin, Mpanolotsaina kosa nitondra am-bavaka azy mianakavy sy nitondra am-bavaka ihany koa ny firenena sy ny filoham-pirenena ankehitriny.  

Namarana kosa ny tenin’Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM . Fisaorana sy hafatra vontoatin’ny nambarany. Hafatra miisa dimy no nomeny ny vahoaka kristiana hoenti-miatrika izao taom-piasana vaovao izao:

1 – Tanteraho tsara ny fanavaozana; 2 –  Tohano tsara ny sekolintsika; 3 – Ivelomy tsara ny fiombonana; 4 – Mivavaha tsara ho anay; 5 – Mijoroa tsara ho vavolombelon’i Kristy.

Tonga maro ireo mpianakavin’ny finoana niatrika ny fotoana naharitra adiny roa teo. Tsy ny kristiana avy eto Antananarivo ihany no navitrika namonjy ny fotoana fa manerana ny lafivalon’ny Nosy mihitsy.  Nampihaingo sy nanafana ny fotoana ny mozikan’ny fikambanan’ny Mpitendry zavamaneno FJKM sy ny feon’ireo antoko mpihira STK FJKM. Nampizotra tsara ny fotoana ihany koa ny hatsaran’ny andro tamin’ny ankapobeny na nisy aza ny andian-drahona teny amin’ny lanitra.

Marihina fa nisy ihany koa tao anatin’ny fotoana ny fitondrana am-bavaka ireo fianakaviana niharam-boina vokatry ny fihotsahan’ny tany nateraky ny ora-nikija teny Ambanin’Ampamarinana sy Ambohipotsy.  

R.Ph

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV