Sekoly Protestanta / Fanolorana ny K.200T

F

Raha vao avy namarana ny taon-jobily roa sosona isika FJKM ny 21 oktobra 2018 lasa teo, teny Mahamasina, dia miroso indray amin’ny fankalazana an’Andriamanitra, noho ny jobily faha 200 taonan’ny Sekoly Protestanta FJKM. Teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no natao ny fanolorana sy fandraisan-tànana ireo birao sy komitin’izany taon-jobily izany ny Alahady 9 Desambra 2018 tolakandro.

Ireto ireo birao mandrafitra izany,  Filoha : Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina; Filoha mpanampy : Atoa ANDRIAR Samuel  sy Atoa RANAIVOMANANA Henintsoa; Mpitahiry vola : Rtoa Andry Nirina Velosoa, Mpitantsoratry ny vola : Atoa RANDRIANARISON Mamy,Mpitantsoratry ny fivoriana :  Atoa RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina, Mpanolotsaina : Atoa MARINASY, Mpitandrina.

Mahatratra 40 ny fitambaran’izy ireo dia ny birao sy komity ary ny mpikambana. Ny Filohan’ny FJKM Atoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina no nametraka azy ireo, amin’izao andraikitra makadiry izao. Nitarika ny fanompoam-pivavahana dia Atoa RAVELONANOSY Mamy Tiana, Mpitandrina, MF. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra kosa dia Atoa ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina, Filoha Mpanampy,MF. 

Ny tsangambato lehibe amin’izao taon-jobily izao dia ny fanatsarana sy fanavaozana ny tranon ’ny FJKM izay toeram-panomanana ihany koa taloha any Imerimandroso Ambatondrazaka. Iotoerana io dia atokana ho fanomanana ireo izay ho mpampianatra ato anatin’nyFJKM. Hanampiana ireo toeram-panomanana efa misy ankehitriny. Ny hetsika lehibe amin’io taona 2019 io dia ny taom-panokafana ny 26-28 Marsa, any Tsiroanomandidy, ny ivony dia ao Fianarantsoa, ny 8 Septambra  2019 ary ny famaranana dia eto Antananarivo ny volana Novambra 2019, izay mbola ho faritana amin’ny fotoana manaraka ny daty. Amin’ny ankapobeny dia miisa 600 eo ho eo ny sekoly FJKM rehetra manerana ny nosy. Ny teny fanevan’izao taon-jobily izao dia hita ao amin’i Jakoba 5 :7a manao hoe « Koa mahareta tsara mandra-piavin’ny Tompo »

Araka izany dia hisy ny fifaninanana sary famantarana sy hira faneva, izay alefa any amin’ny Synodamparitany ny dinidinika momba izany, ka any  ihany koa no anaterana ny sanganasa . Ny 8 janoary 2018 no farany handraisana izany ho an’izay liana sy manan-talenta.

Sekoly FJKM, voatantana tsara, ahitana vokatra tsara, mahaliana, manintona, mahatamana, mpanabe mahay mampita, izany no tanjona ho an’ny sekoly FJKM, araka ny nambaran’ny Tale Nasionalin’ny SekolyFJKM. « Tsy lamaody akory ny jobily fa tena aina« , hoy kosa ny filohan’ny FJKM. Koa aoka hisy zavatra mivaingana, sady tsara no haingana, hoy izy.

Evariste  RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV