Alahady 02 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.31-40

Ity perikopa ity  no maneho fa irak’ Andriamanitra i Davida fa tsy irak’i Jese rainy loatra akory.

1-Tsy mihaino ny fanakiviana izy .

Raha marina dia efa indroa izy izao no nokiviana : ny voalohany , ireo zokiny no niteny azy(and28), faharoa , izao tenin’i Saoly izao « Tsy tohanao ny  handeha hiady amin’io Filistina io , satria mbola zaza ianao , fa izy efa mpiady hatrizay niainany  » (and33). Ianao koa, raha te-hijoro ianao, tsarovy fa hisy foana ny mpanakivy . Manaova bemarenina ka mijoro!

2-Nitodika ny lasa izy .

Nambarany tamin’i Saoly mpitari-tafika fa i jehovah izay efa niady ho azy sy namonjy azy tany am-piandrasana ondry no hiady ho azy koa ka hanohitra an’i Goliata sy ny Filistina (and 31-37) .Ary lesona ho antsika izany : todiho ny zavatra efa nataon’ny Tompo taminao  dia havaozin’ny Tompo ny finoana sy ny fatokiana ao anatinao hiatrehanao ny adinao ankehitriny .

3-Nitana ny fahatsoran’ny finoany izy.

I Saoly dia nanavesatra azy tamin’ny fitaovam-piadiana  tsy nahazatra azy . Izy koa , tsy niala tamin’ny fahatsoran’ny fiadiany ety ivelany sy nitana mafy ny herim-pinoany tao anaty . Faka tahaka izany . Miorena tsara , aza miova!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV