SP ALAOTRA CHROME / Talemparitra vaovao

  SP ALAOTRA CHROME (SP 03)  / SEKOLY FJKM

Nandray Talem-paritra vaovao

Natolotra araka ny fomban’ny fiangonana ny Sabotsy 10 Novambra 2018 tao amin’ny FJKM Amparafaravola ho Talen’ny Fari-piadidian’ny Fampianarana ao Alaotra Chrome SP 03 Andriamatoa  ANDRIAMIHAJA Mahaleo Josoa Ernest, Mpitandrina.

Manana ny maripahaizana Master II en Théologie ity mpitandrina ity sady mahay tenim-pirenena telo hafa ankoatry ny teny frantsay. Talen’ny Sekoly FJKM La Providence ao Brieville Distrikan’Amparafaravola ihany koa izy izao voatendry ho Talem-paritra izao ka mahafantatra tsara ny fiainan’ny Sekoly FJKM any amin’iny faritra Alaotra Chrome iny.

Izany indrindra no nilazany fa laharam-pahamehana ny fananganana Sekoly FJKM isaky ny Kaomina misy Fitandremana FJKM, manaraka izany ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fanofanana azy ireo, ary farany ny fikarakarana ara-panjakana ny taratasin’ireo fotodrafitrasa ireo amin’ny maha fananan’ny FJKM azy ireo. Tsy adinoina koa ny fiainam-panahin’ny mpiasa sy fijerena loharanom-bolamaharitra hiatrehana ny fahasahiranana fahita any ambanivolo.

Miisa 14 ankehitriny ny Sekoly FJKM anatin’ny faritra Alaotra Chrome ka nahazoana vokatra 100% avokoa tamin’ny fanadinana CEPE teo, 80% teo amin’ny BEPC ary 56% ny Bacc. Nanatanteraka izany fanolorana Talem-paritra vaovao izany Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Filoha Lefitra Laika ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy Andriamatoa RAHARISON Ny Hery Zo, Tomponandraikitra ao amin’ny Foibe Fitondran-tsekoly FJKM sady Talen’ny FPMP Mangoro Moramanga. Nandray ny Talem-paritra vaovao kosa ny solontenan’ny Sekoly FJKM Alaotra Chrome sy ny Synodamparitany manontolo tarihin’ny Prezidà Synodaly Andriamatoa RALAIARIVELO Fanomezantsoa, Mpitandrina.

Ity fotoana ity ihany koa no nitsofan-drano sy nanolorana maripankasitrahana sy fanomezana samihafa ho an’ny Talem-paritra teo aloha.

NIRINA, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV