Tatitra Fihaonambe AFF 2018.

 AFF tany Mahanoro 2018.

Asa maika ny fitoriana an´i Jesoa Kristy amin´ny olona rehetra.

Mpizaika 1700 manerana an´i Madagasikara, notronin´ny Evanjelistra 52 izay vao nahavita ny fihaonambeny, ireo solontenan´ny biraon´ny mpiandraikitra foibe FJKM, ireo prezida synodaly efatra ary ireo  Mpitandrina vitsivitsy no niatrika ity fihaonamben´ny  Asa Fitoriana ny Filazantsara (AFF) ity ny 19 hatramin’ny 23 septambra lasa teo tany amin’ ny FJKM Mahanoro Fahazavana. Ny fihaonambe dia nibanjinana izay hanatanterahana ny vina goavan’ny FJKM ato anatin’ny 4 taona hoe: « Vontosy filazantsara, ny Nosy Madagasikara ».

Ny tanjona nokendrena tamin´izany dia ny “hanaovan´ny fiangonana manontolo ho laharam-pahamehana ny fitoriana ny famonjen´i Jesoa Kristy, atao am-pitiavana amin´ny olona rehetra sy ny olona manontolo”. Tsy afaka misaraka amin´izany ny fanomanana matotra tsara misy paikady, ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasan´ny fiangonana manontolo, ny fanaovana asa vavolombelona toy ny fanorenana sekoly, toeram-pitsabona sy ny maro hafa. Ankoatr´izany, ny fanaovana ho zava-dehibe ny fiorenana amin´ny fahamarinan´ny Soratra Masina mba hampahomby sy hampaharitra ny vokatry ny asa fitoriana atao, dia ho tanteraka ny vina ka “ho firenena kristiana hatrany i Madagasikara amin´ny taona 2118”. Nampahatsiahivina koa fa ny fiangonana manontolo dia mpikambana AFF avokoa.

Antoka hahatrarana ireo vina ireo ary ny fahavononana hiantsoroka sy ny fanomezan-toerana sy lanja lehibe hoan´ny asa fitoriana ny filazantsara eny amin´ny isam-pitandremana sy synodamparitany, ho sahy hanao asa lehibe. Nampahatsiahivina sy nentanina tamin´izany koa ny tetik´asa DIDOMI izay ezaka fananganana trano fiangonana sahan´ny foibe AFF mivantana.

Lahateny sy fampianarana ary fijoroana vavolombelona maro samihafa no natrehana nandritry ny fiofanana tany an-toerana. Nisy ny rakitra nataon´ny mpizaika ho fanohanana ireo Evanjelistra. Tapaka koa fa any Toliary no hatao ny fihaonamben´ny AFF amin´ny 2020 ary hanentanana manokana ny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana isam-pitandremana mba hiatrika izany araka ny hafatry ny fihaonambe.

Veronica ANDRIANARISON 

(Santatra Fahazavana)

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV