Alahadin’ny SAFIF 2018.

Fandaharana iombonana

« Mandehana amin’ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny Tompo « 

Fidirana

Feonjavamaneno

Fiarahabana Apostolika : Rom 1.7

Fiderana : Sal 135.1-3

Hira Fifohazana 345.1,3

Vavaka

Sitrapon’ Andriamanitra : Efes 6.17-18 / Sal 119.1,2

Fiakenkeloka 

Vavaka

Famelankeloka : Jer 31.4 / Rom 8.1 / Sal 32.1-2

Hira Fifohazana 324.1,2

Fanekempinoana (Lah 1)

Feonjava-maneno fohy

Filazan-draharaha

Raharaha

Hafatra

Rakitra

Hira Seha-pitaizana sy Antoko mpihira

Vavaka

Tenin’ Andriamanitra 

Hira Fifohazana 105.1

Vavaka

Vakiteny

Hira Fifohazana 328.1-2

Toriteny

Feon-javamaneno

Vavaka fangatahana

V.N.T

Asa sy Fampaherezana 

Famaranana

Hira Fifohazana  145.4

Tsodrano

SOLI DEO GLORIA

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA  Alahady SAFIF 2018.

« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana »Efes 2.8a

Ry Havana,

Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo  sty ny fiadananan ary ny fitiavana . Ny Birao sy ny Tonian’ny Sampana Fifohazana Foibe dia faly  miarahaba  sy mamangy  antsika rehetra  isam-pitandremana .

Ho an’izay olona voantso , malala ao  amin’ Andriamanitra  Ray  sy voatahiry  ho an’i Jesoa Kristy , ampitomboina  ho  aminareo  anie ny fahasoavana  sy ny fiadanan’ny Tompo.

Faly miarahaba antsika fiangonana sy ny mpikambana rehetra ato  amin’ny Sampana Fifohazana FJKM mahatratra indray  izao Alahadin’ny SaFiF izao. Fotoana lehibe sy sarobidy  izany  satria fotoana hitrotroana amam-bavaka  antsika manokana , fotoana hampahafantarana bebe kokoa, ny asa sy ny fiainan’ny Fifohazana , ary indrindra fotoana hanaovana hetsika manokana mba hanohanana antsika amin’ny endrika rehetra.

Misaotra ny  Tompo  Jesoa isika fa tanteraka avokoa izay mba nokinasa tao anatin’ny herintaona izay . Mampahery antsika rehetra koa ,satria hiatrika zava-dehibe isika amin’io taona ho avy io . Hifarana mantsy ny taom-piasana 2015-2019 ka hiatrika ny fanavaozana tomponandraikitra ny isan’ambaratongan-drafitra ary voakasika izany  isika SAFIF ,ka entanina  mba hiomana  sy hanomana izany  araka ny toromarika izay mbola homena

Miezaka mafy  ihany  koa isika amin’ny fandraisana anjara ho fanatanterahana ny vinan’ny FJKM manao hoe: »Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ». Ny kaominina Tsimafana ao amin’ny SP Fahazavan’ Atsimo Andrefana (akaikin’i Belo Tsiribihina) no hanorenantsika fiangonana ary efa mitsangana ny vondron’olona mpiara-mivavaka ankehitriny .

Miomana fatratra ihany koa  isika fa amin’ity taona 2019 iny indray dia hisy ny Recyclage ho an’ny Mpiandry  ary  mbola hampitaina miandalana ny  dinidinika momba izany .

Farany, mifampivavaka isika fa homarihana ny faha-40 taonan’ny safif  amin’ny 2010. Mampahery antsika rehetra mba hazoto sy hafana fo amin’ny fanompoana sy ny fanolorantena . »Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy , raha azon’ny tànanao atao ihany  » (Oha 3.27).

Ho an’ Andriamanitra  irery ny Voninahitra . Amena

Ny Filoha 

RAKOTONDRAMANANA Arijaona , Mpitandrina 

Ny Tonia 

ROBSON RADO Lalaina Johary , Mpitandrina 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV