Fiofanana KATEKISTA FJKM 2018.
3 andro niombonana manerana ny Nosy
Ny 29, 30 ary 31 Aogositra 2018 teo no fotoana iombonana nanatanterahana ny fiofanana ireo Katekista rehetra manerana ny Nosy. Synodamparitany vitsivitsy no natambatra ao anatin’ny ivotoeram-piofanana iray ary nifarimbona nampiofana kosa ireo Mpitandrina ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Tale samihafa avy amin’ny Foibe FJKM, ireo Mpampianatra avy amin’ny TPM FJKM, ary ireo Prezidà Synodaly. Fanao isaky ny 2 taona ny fiofanana Katekista FJKM, ka ny fotokevitra tamin’ity dia “Katekista vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fanompoana eo anivon’ny Fiangonana”. Anisan’ny hevi-dehibe nampitaina tamin’izany fa ny Katekista dia mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina, ary irahina izy ireo hanomana ny fiangonana handray Mpitandrina amin’ny fotoana mahamety izany. Nomena fahefana ihany koa izy ireo hanao ny asa pastoraly sasantsasany tahaka ny fampianarana katekomena, fitantanana Sakramenta, sns…
Ho an’ireo Synodamparitany efatra eto Antananarivo Renivohitra dia ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no ivotoeram-piofanana ka miisa 569 ny Katekista niatrika fiofanana teny. Ny Synodamparitany telo, Mangoro Moramanga, Alaotra Chrôme, ary Ambatondrazaka Vaovao, kosa dia niombona tao amin’ny ivoterana FJKM Moramanga Fitiavana, izay nahavory Katekista mpiofana miisa 450 raha 215 no noheverina ho tonga, hoy ny Prezidà Synodaly Mangoro Moramanga Atoa MOSATEROA Zafimanambelo, Mpitandrina.
Zava-dehibe ny fanofanana Katekista toy izao hoy ny Filohan’ny FJKM Atoa ANDRIAMAHAZOSOA IRAKO Ammi, Mpitandrina, satria raha ny antontanisa ankapobeny dia 5000 eo ho eo ny Fiangonana ato anivon’ny FJKM raha 1500 eo ho eo monja ny Mpitandrina amperinasa. Izany hoe mila Katekista 3500 eo ho eo ny fiangonana isak’Alahady. Koa irariana indrindra, hoy izy, mba ho Katekista feno fitiavana sy finiavana no hanana ainga vao indray hanatanteraka ny asan’ny Tompo aorian’izao fiofanana izao.
Niry Rakoto/ Santatra Fahazavana AFIFAB