SAF FJKM / Fiangonana mirotsaka

 

FANDAHARANA  ASA FIANGONANA MIROTSAKA

ZAVA-MISY

Madagasikara dia voasokajy foana ho anisan’ireo firenena mahantra eran-tany. Mahazo vahana eo amin’ny fiainan’ny malagasy ny ady atao amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo, ny tsy fahafahana miaina ny filana fototra, ny halehiben’ny tsy fahalalana, ny vokatry ny fanatontoloana. Amin’ny ankapobeny dia mizaka ny fitongilanan’ny fitantanana ara-toekarena, tsy eto an-toerana ihany fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tsy zoviana amin’ireny toe-javatra ireny ny Fiangonana, ary tena manana adidy ny hijery ny mahaolona ny olona sady manana andraikitra ny hanaitra ny Tompon’andraikitra isan-tokony mba hanatsara ny zava-misy. Manamafy izany ny antso nataon’ny Fiangonana « réformée » maneran-tany ny amin’ny tokony hihavaozan’ny Fiangonana mba hitondra vonjy ho an’ny olona.

Araka izany dia tena miandrandra ny Fiangonana ny vahoaka hitondra ny fiadanana sy fanafahana amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsaran’i Kristy.

Koa voizina ankehitriny ny fotokevitry ny Fiangonana Mirotsaka, mba ho fijoroan’ny Fiangonana vavolombelona amin’ny asa sy fampandrosoana, ary  tena ho fiainam-piangonana ny fampiarahana  ny fitoriana ny filazantsara sy ny fampandrosoana.

Fototry ny Firotsahan’ny Fiangonana

Miorina amin’ny fampianarana sy ohatra nataon’ny Tompo, dia Jesoa Kristy ny asa firotsahana, ary tsy vaovao amin’ny Fiangonana FJKM velively izany. Efa ataony tokoa : asa soa, asa fanohanana ny sahirana, tobim-pitsaboana, ny nananganana ny SAF / FJKM, sns… Mazava rahateo ny zava-kendren’ny FJKM, araka ny Foto-Dalàna sy Fitsipika, dia « ny  hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no anehoany  ny maha fanasina azy  sy maha fahazavana  azy eo  anivon’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao ».

Omen’ny Tompo iraka ny Fiangonana hanao izay nataony, dia hamonjy ny fanahy, saina, vatana. Mila fanohanana ny fiaraha-monina, mila mpitari-dàlana ny vahoaka sahirana, mila  namana azo toky ireo reraka amin’ny fihariana sy ny fiainana an-davanandro, mila fitaratra azo alain-tahaka ihany koa izy ireny. Miantefa amin’ny FJKM iraky ny Tompo mba  hirotsaka bebe kokoa eny anivon’ny fiaraha-monina.

Manana anjara lehibe ny Fiangonana eo amin’ny fitondrana fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina  ka hahatonga ny olombelona rehetra hanana ny fahafenoana sy ny fahamendrehana  arak’izay mety ho tratra, mifanaraka amin’ny namoronan’Andriamanitra azy (Llioka 4 /18-19)

Baikon’i Jesoa Kristy ny firotsahan’ny Fiangonana amin’ny asa fampandrosoana ka andraikitra tsy azo ihodivirana izany. Hoy ny Soratra  Masina : « …Hahatonga anao ho firenenena lehibe Aho sady hitahy anao…ary ho fitahiana tokoa ianao…ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. »Gen. 12/1-3. Sitrapon’Andriamanitra ny hiainan’ny Malagasy ao anaty fiarahamonina mirindra sy milamina, mandroso amin’ny lafim-piainana rehetra mba ho tonga ho amin’ny fahatanterahana

TANJON’NY FIROTSAHAN’NY FIANGONANA

Hampiroborobo sy ny hampivelarana ny iraka feno nomena ny Fiangonana, izay mikendry indrindra :

  • Ny fampandraisana andraikitra ny fiangonana hitondra fanovana eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny Teny sy ny fijoroana vavolombelona.
  • Ny Fampiharana mivantana  ny iraka ampanaovina ny fiangonana amin’ny alalan’ny asa miaraka amin’ny fiaraha-monina
  • Ny Fampiraisana ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara
  • Ny Fampandrosoana ny Fiangonana

VOKATRA ANDRASANA

  • Hanjary ho fiainan’ny FJKM ny fotokevitry ny Fiangonana Mirotsaka
  • Misy asa fampivoarana sy fampandrosoana ny fiaraha-monina iarahana amin’ny Fiangonana
  • Ahitana sehatra misahana ny asa fampandrosoana miaraka amin’ny fiaraha-monina eny anivon’ny Synodam-Paritany tsirairay
  • Voafaritra ao amin’ny drafitr’asan’ny Fiangonana ny firotsahana eny anivon’ny fiaraha-monina

FOMBA FIASA

  • Mitarika sy ny manentana ny SAF/FJKM
  • Omena lanja ny fiaraha-miasa amin’ny ambaratonga samihafa eo anivon’ny FJKM sy ireo Sampana sy Sampan’asa ary asa, fa tsindriana manokana ny AFF sy ny SEFALA
  • Fampiharana ny fampiofanana miampitapita
  • Fanomezan-danja ireo Mpilatsaka an-tsitrapo efa najoro (volontaires)
  • Fiarahana miasa amin’ireo Fiangonana manana fanomezam-pahasoavana manokana

DINGANA ARAHINA

  • Fampahafantarana ny fandaharan’asa eo anivon’ny ambaratongam-pitondrana samihafa
  • Fifandresen-dahatra atao amin’ireo Mpitandrina sy Katekista
  • Famohazana ny ambo-pon’ny fiangonana ahatsiaro ny maha-Fiangonana iraka azy
  • Fantanterahana fanentanana sy Fiofanana
  • Fandrafetana drafitr’asa sy fanantanterahana asa

ASA NATAO

  • Fampiofanana sy Fanentanana momba ny firotsahan’ny Fiangonana tao amin’ny: FJKM Atsimon’Imahamasina ; FJKM Anosizato Hebrona ; FJKM Ampanotokana ; Jeunes Volontaires MIZARASOA ; FJKM Amboniloha ; SP Bemaraha ; SP Arivonimamo vaovao ; FJKM Mahitsiarivo ; SP Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara ; FJKM Miantsoarivo ; SP Atsinanan’Ankaratra Fahazavana.
  • Asa sy Fanofanana ara-teknika:

Fiompiana akoho gasy  nohatsaraina ho an’ny  FJKM Mangabe; FJKM Miantsoarivo; SP Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara

Fambolen-kazo ho an’ny FJKM Amparihivato

Fambolena oviala sy fiompiana trondro  tao amin’ny  SP Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara

Tahiry sy Fampindramam-bola madinika; Fiompiana trondro FJKM Ambohitrarahaba.

FEHINY

Ny Fiangonana no andrasana hitondra fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa  an’izao tontolo izao.

Ny firotsahan’ny Fiangonana eny amin’ny fiarahamonina no hanafoana ny endriky ny faharatsiana rehetra, mba hampanjaka ny fiadanana sy hahatanteraka ny Famonjena ho an’ny olona rehetra.

SAF / FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV