FJKM Québec- Canada / Fanokanana Diakona.

 

Tontosa soamatsara  ny Alahady 06 Mey 2018 lasa teo ny fanokanana ireo diakona mianadahy tao amin’ny FJKM QUEBEC CANADA. Miisa 12 izany izao ny isan’ny diakona ao amin’ny  fiangonana iray any ivelan’i Madagasikara , anatin’ny  SP VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA . Marihana fa ny Mpitandrina mitondra izany fiangonana niorina vao haingana izany dia Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo mivady , manohy ny asan’ny Mpitandrina COOPER Perline  izay azo lazaina fa nisava làlana tamin’ny fiorenan’izany fiangonana FJKM izany .

Mirary soa ho an’ny Mpitandrina Hasinarivo mivady isika . Mirary soa ireo mpiara-miasa rehetra any an-toerana , hahefa be amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy sy ny fitoriana ny Filazantsara .

Ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany .

Nangonin-dRamatoa Sahondra 

Perikopa

Novambra: Mivonona hihaona amin'ny Tompo

| | 18. Alah. XXV man.Trinite- Fitantanana (FIFA)
Eks 19.9-15 / Mat 22.1-14 / 2 Tim 4.1-8

| | 25. Alah. XXVI man.Trinite- KPMS
Isa. 40.9-11 / Lio 21.29-36 / Apo.21.1-8

Desambra: Mifalia amin'ny fitiavan'ny Tompo

| | 02. AdventoI
Zef 3.14-20 / Jao 1.43- 51 / Rom 8.14-17

| | 09. Advento II-Sampana Sekoly Alahady
Joe 2.21-27 / Lio 10.21-24 / 2 Kor 13.5-12

FJKM Fahazavana

TORITENY PDT AMMI 21 OCT MAHAMASINA

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina ,
Filohan’ny FJKM
Mahamasina / 21 10 18