SAFIF / Tatitra vavaka sy fifadiankanina

Sampana FIFohazana  FOIBE FJKM
Nanatanteraka vavaka fifadian-kanina

Tontosa ny Sabotsy 30 Jona 2018 teo ny vavaka fifadian-kanina niarahana tamin’ny Sampana fifohazana Foibe FJKM  tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina. Ny Tonian’ny SAFIF Foibe FJKM,  Robson Radolalaina Johary Mpitandrina no nitondra ny hafatra nalaina tao amin’ny Mofonaina voalahatra ny sabotsy 23 jona 2018 . Nitondra ny Fampianarana kosa ny Mpitandrina Randrianantenaina Lazandrainy Martin, Filoha mpanampy SAFIF FOIBE ka nojerena ny hoe « Fahagagam-mpamonjena ho an’ny mino »( 2sam22:37)

 Voaresaka tamin’izany mahakasika ny fahamarinana

Izay andrasana amin’ny maha olom-pirenena  manana andraikitra :

a- Fahamarinana ara-poto-kevitra

b-Fahamarinana ara-pitantanana

d-Fahamarinana ara-pitondrana sy ara-pitondrantena

e-Fahamarinana araky ny lalàna

f-Fahamarinana araka asa

Izay andrasana amin’ny sarambabem-bahoaka:

a-Mivavaka hatrany ho an’ny firenena

b-Manaja ny lalàna izay misy

d-Mampianatra ny taranaka

e-Mandraisa andraikitra amin’izay manandrify anao

f-Manana fitiavan-tanindrazana

Ny Filohan’ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina kosa nitondra fampianarana tao amin’ny Rom13.11-14. Navoitrany tao anatin’izany fa :

A-Miaramila ianao ka hiady no antom-pisianao, koa tafio KRISTY

-Miaramila ianao, mandraisa fiadiana

-Miaramila ianao, miady

B-Reseo ny fahavalonao, ny fakam-panahy, ny hanina fakam-panahy -ny fijangajangana – ny tsy fitiavana

D-Jesoa no aro ka itafio:

-Jesoa no hinoana marina

– Jesoa henoina marina

– Jesoa antsoina marina

– Jesoa hijoroana vavolombelona marina.

Nisy ny fanokanana mpiandry ka  nitarika izany ny Filohan’ny FJKM . Niisa 77 ireo natokana ho mpiandry dia ny Mpitandrina, vadina Mpitandrina, mpiomana ho Mpitandrina.

Nangonin’i Aris

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV