Fanazavana perikopa / Jona 2018.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Raha ny Soratra Masina no iaingana dia tsy miafina amin’ny Mpamaky azy fa hatrany am-boalohany Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina, no mitondra fanafahana ho an’ny olona. Amin’izany, tonga adidy amana andraikitry ny Fiangonana ny mampita amin’ny mpiara-belona aminy ny amin’io fanafahana tanterahin’Andriamanitra io. Raha ny perikopa Alahady farany amin’ity volana ity no raisina, inona no endriky ny antsom-panafahana ampitaina? Raha eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana no hamaliana izany dia ireto no tsy ho azo hadinoina:

Andaniny ny fahaleovantenam-pirenentsika izay vokatry ny adim-panafahan’ireo tia tanindrazana, ary ny ankilany ny fanafahana ny olona amin’ireo zava-mahadomelina rehetra, amin’ny maha Alahady itondrana am-bavaka manokana ny Sampana Vokovoko Manga ity alahady ity.

Fa inona kosa no ambaran’ny Perikopa?

Jeremia 34, 12- 17: Perikopa mamerina indray ny Fiangonana ao amin’ny fahamarinan’ny fifampitondran’ny samy olona ity. Fifampitondrana iheverana ny hafa fa tsy ny tena irery ihany. Io fiheverana ny hafa io dia miainga avy tamin’izay nataon’Andriamanitra. Andriamanitra nanafaka ny Zanaky i Israely tany Egypta no iaingan’ny adidin’ny Fiangonana hanome fahafahana ho an’ny rahalahiny. Amin’izany, izay olona afaka ihany no afa-manafaka ny hafa. Koa raha miantso fanafahana ny Fiangonana dia satria afaka izy. Ho famantarana fa olona afaka dia ny ho fiainany mikatsaka sy manolotra fanafahana ho an’ny hafa no ho porofom-pahafahany.

Matio 6, 9- 15: Ampahany avy tamin’ilay toriteny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy tao an-tendrombohitra ity. Io fampianarana io dia fampiorenana ny olona ao amin’ny tena fahasambarana mba hahatonga azy ho fanasina sy fahazavana eo anivon’ny Fiarahamoniny. Manana adidy hitondra antsom-pahasambarana ny Fiangonana, dia fahasambarana izay mitondra fifaliana sy firavoravoana ary fiainana ny fanjakan’ny lanitra dia ny eto an-tany (Matio 5, 12). Mba hahatanteraka izany, indro i Jesoa manolotra endri-bavaka azo alain-tahaka ho an’ny mpianany. Ny vavaka mitondra fahasambarana dia vavaka mitodika amin’ny fifandraisana tanteraka amin’Andriamanitra sy ny ho fiombonam-piainana amin’ny hafa. Miombona amin’Andriamanitra ny Fiangonana satria Izy no Ray manana ny fiandrianany, ny fahamasinany, ny fanjakany, ary ny sitrapony. Ary miombona amin’ny hafa isika satria manana anjara ny ho velona ara-batana (sakafo sahaza) sy ara-panahy (famelan-keloka), manana anjara lalana tsara izorany (lavitry ny fakam-panahy sy ny fitaoman’ilay ratsy).

Romana 13, 11- 14: Izay rehetra manambara ny tenany ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy hanana fiainana miavaka amin’ny hafa. Izany no irafetan’ny fizaran’ny epistily mahakasika ity perikopa ity. Fandalana ny fifankatiavana io fiainana miavaka io. Fitiavana miainga avy tamin’ny fitiavan’i Jesoa, Ilay nanolotra famonjena ho antsika. Koa raha te-hamonjy ny hafa ny Fiangonana dia ny fanehoana sy fiainana ny fitiavan-kamonjy ny Mpiara-belona aminy no enti-manatanteraka izany. Tia antsika i Jesoa koa isika dia tsy maintsy tia ny hafa. Fihavaozam-panahy ho an’ny Fiangonana izany, moa va tsy ny fihavaozan’ny andro izay niala tamin’ny aliny ho amin’ny andro vaovao, hiposahan’ny mazava.

Koa aoka ny Fiangonana samy hiaina ny fanafahana noraisiny mba hahazoany mitondra antso fanafahana sy famonjena ho an’ny hafa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV