Sabotsy 16 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Salamo 40, 11‑17

Ianjadiam-pahoriana maro ny mpino

1 – Noho ny zava-misy ao anaty sy manodidina azy

Ny olona amin’ny ankapobeny, ny mpino koa aza dia tsy mihevitra loatra ny fahadisoana na ny ratsy ataony fa mahita mandrakariva kosa ny fahadisoan’ny hafa. Tokony hampieritreritra mihitsy noho izany ilay tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ ny Mat. 7:5. Ny mpanao Salamo kosa anefa eto dia miaiky fa tena nahavita heloka be tokoa izy. Tokony ho fieritreritra indrindra izany, satria izay manetry tena no hasandratra hoy ny Soratra Masina. Ambonin’izany anefa. ny manodidina koa tsikaritra eto dia vao mainka manampy trotraka ny vesatra efa entina. Tsy mahagaga raha mihamitombo ny isan’ireo mamoy fo.

2 – Misy anefa ny fanantenana

Manolotra vahaolana ombam-panantenana ny mpanao salamo ho an’ny olona rehetra na mafy aza ny manjo. Tsy maintsy misy ny trangan-javatra mifamahofaho eo amin’ny fiainana ary tsy manamaivana ny zava-misy velively izy akory fa mampitodika ny olona amin’Andriamanitra kosa. Mandresy lahatra ny mpino izy araka ny fehin-teniny, and. 17 : na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy, mpamonjy sy mpanafaka ahy lanao. Manamafy izany ny Jao. 16:33. Amin’ny zava-mitranga aminao àry, mahaiza manao tahaka ity mpanao salamo ity.

Fanontaniana :

Araka ny hevitrao, afaka hiandry an’Andriamanitra toy ny mpanao salamo ve ny kristiana ianjadiam-pahoriana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV